Hotontosaina ny 22 febroary, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fifaninanana Rugby lalaovin’olona fito, lahy sy vavy, sokajy zandriny U18. Araka izany, nisy ny fivoriana ara-teknika nataon’ireo klioba sy ny mpitantana eo amin’ny federasiona, omaly, mahakasika ity fifaninanana ity. Tsiahivina fa natao hiatrehana ilay «Aroi 2025» izany.
Nahintsan’ny Feynoord Rotterdam, ekipa holandey, afakomaly, ny ekipan’ny AC Milan, Italie, nandritra ny lalao sakan’ny «Ligue des champions 2025». Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta, saingy efa nahazo tombon’isa 1 no ho 0, ny Feynoord, nandritra ny lalao mandroso.
Hotanterahina ny 22 sy 23 febroary izao, any Toamasina, ny fifaninanana beach-volley «Tama beach volley», andiany faha-8. Fifaninanana misokatra ho an’ny sokajy rehetra ary natao ho fampivelarana ity taranja ity. Eo amin’ny morontsiraka ampitan’ny Hopitalibe Toamasina no hanaovana ny fifaninanana.
Hatao ny alahady 23 febroary izao ilay fifaninanana karakarain’ny Lion Force ho famohazana ny taranja Boxe anglaise, andiany faha-2. Fifaninanana izay hatao eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ahitana ny fandraisana anjaran’ireo kalaza maro amin’ ity taranja ity sy ireo efa nitondra avo ny voninahi-pirenena.
Hotanterahina any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra anaty efitrano, “Can Futsal 2025”, sokajy vehivavy. Manoloana izany, efa miomana ny ligin’Analamanga, ka hikarakara fifaninanana eto an-drenivohitra, ahitana sokajy vehivavy sy lehilahy.
Araka ny vaovao navoakan’izy ireo, omaly, hatao ny 28 febroary hatramin’ny 2 marsa ho avy izao izany. Efa misokatra ny fisoratana anarana, ho an’ireo klioba maniry ny handray anjara.
Marihina fa ity lalao eny anivon’ny ligy ity, dingana iray amin’ny telo, tafiditra amin’ny drafitrasan’ny federasiona malagas’inny baolina kitra, ahafantarana ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea Ladies, hiatrika ny “Can Futsal”. Aorian’izany, hisy ny fifanintsanam-pirenena ka izay mpilalao voafantina eo, hiatrika ny fampivondronana avy hatrany rehefa vita ny fifaninanana nasionaly. Ampahafantarina fa ao amin’ ny sokajy “C” no misy an’i Madagasikara, hifandona amin’i Sénégal sy i Tanzanie.
F.R
Taranja vao haingana ny Padel saingy efa manenika an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy nisalasala ny banky BNI Madagascar, hiara-kiasa amin’ny fanatontosana ny fifaninanana « Orange MPP Tour » ho an’ity taom-pilalaovana 2025 ity.
Notanterahina ny talata 18 febroary lasa teo, tetsy amin’ny Parklife Alarobia, ny fifanaovan-tsonia, manamarika ny maha mpiara-miombon’antoka ny BNI Madagascar amin’ny Premium Orange amin’ny MPP Tour, taranja Padel, ho an’ny taom-pilalaovana 2025. Araka izany, manolo-tena ity banky ity, amin’ny fampiroboroboana ny Padel izay efa mielipatrana manerana ny Nosy.
Nanatrika izany ny avy ao amin’ny Federasiona malagasin’ny Padel sy ireo mpilalao ao anatin’ny «Top 5» niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, farany teo.
Hamafisin’ny BNI Madagascar ao anatin’izao fiaraha-miasa izao, ny amin’ny soatoavina, dia ny fiaraha-mientan’ny ekipa sy ny ezaka ary ny fivoarana.
Maneho ihany koa fa na ao anatin’ny fahasamihafana aza ny sehatra hiasan’ny banky dia manakaiky ny mpanjifa hatrany izy ireo ka anisan’izany ny fanatanjahantena.
Hanamafy ny sariny amin’ ireo fifaninanana miisa 15 ao anatin’ny «circuit orange 2025» izy. Nanomboka ny volana jolay 2023, mihoatra lavitra noho ny fikarakarana fifaninanana tsotra ny Malagasy Pro Padel Tour izay mikendry ny fampivondronana ireo mpankafy. Maniry hatrany ny BNI hanohana ny fanatanjahantena eto an-toerana. Ity fiaraha-miasa ity dia maneho ny vina iombonan’ny roa tonta, ny BNI Madagascar, andaniny, sy ny Orange MPP Tour, ankilany, eo amin’ny fampandrosoana ny padel eto Madagasikara ary koa hanambarana ny hery mba hampivelarana ity taranja ity, hisian’ny fahafahan’ireo mpilalao misongadina sy mivoatra.
Torcelin
Raha hofantarina dia manaraka an’iny lalam-pirenena faharoa iny, eo amin’ny kaominina ambanivohitra Fanadrana no misy lalana miditra mankany Ambodilazana, 33,8 kilometatra ny elanelan’izany, mandeha lalan-dratsy. Ankoatra io kaominina ambanivohitra roa voalaza etsy ambony io, mbola tafiditra, voakasiky ny tetikasa Volobe II, ny kaominina ambanivohitra Satrandroy sy Ifito. Anatin’ny fokontany Ambodimanga, kaominina ambanivohitra Ambodilazana, no hanorenan’ny CGHV ny tetikasa Volobe II, ilan-tanin’ny Jirama io faritra io. Tsy mifanalavitra eny ihany koa no misy ny ivontoeran’ny volobe voalohany, izay misy ny toeram-pamokarana herinaratra manazava ny tanànan’ i Toamasina hatramin’ izay, naorina ny taona 1930. Vokany, 94 taona aty aoriana, mbola maizina ambodin-jiro izany tanàna izany. Amin’izao, mbola ao ihany no haorina ny tetikasa Volobe faharoa izay hamokarana herinaratra 120 megawats ka heverina handrakofana faritra maro eto amin’ny Nosy, raha tsy hilaza afa-tsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo. Hatramin’ny vanim-potoana hanoratana ny lahatsoratra, mbola baka tarihina tanana no mampitsaka fiara eo amin’ny reniranon’Ivondro. Hatao baka manara-penitra avokoa ireo ary ho tetezana mafy sy mahazaka kamiao lehibe no hapetraka amin’ny renirano sasany. Hizara roa ny lalana amboarina, ny iray tsy azon’ny fiara tsotra aleha mba hisorohana ny loza mety hitranga. Ny faharoa kosa, ny lalana teo aloha hatsaraina ho an’ny rehetra. Hatramin’ny nisian’ny tetikasa Volobe II, mbola tsy nisy niharan-doza ny mpiasa. izay hanamafisana fa tratra ny tetiandro ary voasoroka hatreto ny loza.
Anisan’ny hanamarihina ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny UASC (Union amicale et sportive des Cheminots), taranja Judo, ny fananganana amin’ny fomba ofisialy ny dojo ho azy manokana amin’ity taona ity. Mbola vitsy ny klioba eto Antananarivo, indrindra ny any amin’ny faritra, no manana dojo ho azy manokana fa voatery tsy maintsy mindrana na ihany koa manofa, rehefa hanao fanazaran-tena. Tsara ihany koa ny manamarika fa mamolavola judokas an-jatony ny UASC ary antony tsy maintsy hananganana ny dojo izany ho fanatsarana ny fampianarana ity taranja ity eo anivon’ ny klioba, araka ny nambaran’ ny filohany, Andriamiharivolamena Liva Zavamanitra.
Tsiahivina, vao nanokatra ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroany, ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga, ny klioba ary hitohy mandritra ny taona ny fankalazana amin’ny alalan’ny hetsika isan-kazarany sy ny fanatanterahana vinanasa ho fampandrosoana ny klioba sy ny taranja Judo. «Tsy miova ny teny filamatra ho an’ny klioba Sahia manova, sahia miova ary hampiharina amin’ny fitantanana ny klioba izany», hoy ny filohany. Tanjona kosa ny hamerina ny hasin’ny Judo, ny hampiakatra ny lafiny teknika ho an’ny ankizy ary ny hanomana sahady ireo fifaninanana rehetra ho avy, amin’izao fankalazana ny faha-35 taonan’ny klioban’ny UASC izao.
Mi.Raz
Hotontosaina ny alahady 23 febroary ho avy izao, etsy Mahitsy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Moto, sokajy “Enduro”. « Endurance Cram” moa ny anaran’ny hetsika. Tsiahivina fa ity ny fifanintsanana voalohany amin’ity taom-pilalaovana 2025 ity.
Tontosa ny herinandro lasa teo ny fifaninanana fanokafana ny taom-pilalaovana 2025, ho an’ny taranja Echecs. Fifaninanana natao teny amin’ny ACSA Ambohidahy ary nisokatra ho an’ny sokajin-taona rehetra, lahy sy vavy, mixte ary ny ho an’ny ekipa. Hitohy amin’ny fifaninanana ho an’ny orinasa ny fandaharam-potoan’ny federasiona.
Hotanterahina ny 15 marsa izao ny fifaninanana “Big Miami”, taranja Bodybulding. Fifaninanana rezionaly ho an’ny ligin’Atsinanana izy ity izay tsy maintsy vitaina mialoha ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny volana avrily ho avy izao. Ao amin’ny Amphithéatre CJST Toamasina no hanaovana ny fifaninanana.
Mipetraka eo amin’ny laharana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, « La Liga », ny ekipan’ny FC Barcelone, afakomaly. Samy manana isa 51 izy ireo sy ny Real Madrid FC, saingy manatombo amin’ny famonoam-baolina ny Barça. Eo amin’ny fahatelo kosa no misy ny Atletico Madrid.
Hotontosaina any Tunisie, ny 25 hatramin’ny 27 febroary ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping Pong”, sokajy lahy sy vavy. Araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny Federasiona malagasin’ity taranja ity (FMTT), omaly, mpilalao enina, efatra lahy sy roa vavy, no hiaro ny voninahitr’i Madagasikara, mandritra izany.
Raha ho an’ny lehilahy, handrafitra ny ekipa nasionaly Razafindralambo Lino Zo Andrianina, tompondakan’i Madagasikara farany teo, sy Razafindrakoto Itokiana. Eo ihany koa Rakotoarimanana Fabio sy Razafinarivo Antoine, Malagasy mpilaravinahitra any Eoropa. Rakotondrazaka Océane sy Andriantahina Gracia kosa, Malagasy vehivavy handray anjara amin’ity lalao afrikanina ity.
Nilaza moa ny tale teknika nasionalin’ny federasiona, Razakarisoa Patrick, fa hisy ny fifaninanana isan-tarika ka ry Lino sy Itokiana, no hiady ho an’ny lehilahy raha toa ka ry Gracia sy Oceane, ho an’ny vehivavy. Eo amin’ny olon-tokana, ireo mpilaravinahitra, Fabio sy Antoine, hifanintsana amin’ireo afrikanina mpilalao. Izy mirahavavy ihany kosa ny an’ny vehivavy amin’ity sokajin-dalaon’ny tsirairay ity.
Tompondaka
Nivoaka omaly ny lisitra ofisialin’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipan’ny Ankoay, hiatrika ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”, hatao ny 21 hatramin’ny 23 febroary izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Telo andro tsy higadonan’ny fifaninanana, vonona ary efa feno ireo mpilalao 12 mirahalahy voafantina handrafitra ny ekipa nasionaly Ankoay. Izy ireo no hiatrika ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket”, hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Omaly io lisitra io no nivoaka. Azo lazaina ho efa nampoizina ihany ny mpilalao voatsonga, raha jerena izany lisitra izany. Tafiditra avokoa ireo mpilalao milaravinahitra 6 mirahalahy, ahitana an’i Mathias M’Madi, Rabibisoa Jerry Pépin, Raharimanantoanina Sitraka, Razanamahenina Kiady, Randriamananjara Johan ary Lahontan Rija. Efa tonga eto an-tanindrazana avokoa izy 6 mirahalahy ireo ary efa miatrika ny fampivondronana eny amin’ny Cnaps Vontovorona. I Mathias M’ Madi no tonga farany, omaly.
Ankoatra azy 6 mirahalahy, mpilalao tsy zoviana eo amin’ny tontolon’ny basikety avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalao ambiny, ahitana an-dRandriamampionona Elly, Solondrainy Arnol, Ratianarivo Livio, Faralahy Romain ary Rasolomanana Anthony, izay samy andrarezina eo amin’ny lalao basikety 3×3 avokoa. Rasolonandrianina Hasina no mpilalao faha-12 manampy azy ireo izay azo lazaina ho sambany handrafitra ny ekipa nasionaly. Mahakasika ny fandaharam-potoana eo amin’ny fanazarantena, anio sy rahampitso no tena hanamafy izay ireto mpilalao ireto miaraka amin’ny mpanazatra, Ravonimboka Jeannot sy Rakotonanahary Ndranto.
Mi.Raz
Ireo mpilalao 12 handrafitra ny Ankoay Seniors
1-Mathias M’Madi
2-Lahontan Rija
3-Ratianarivo Livio
4-Razanamahenina Kiady
5-Randriamampionona Elly
6-Randriamananjara Johan
7-Faralahy Monja Romain
8-Raharimanantoanina Sitraka
9-Solondrainy Arnol
10-Rasolomanana Anthony
11-Rabibisoa Jerry Pépin
12-Rasolonandrianina Hasina
Hotontosaina, anio, ao amin’ny kianja Santiago Bernabeu Espagne, ny lalao miverina hifanandrinan’ny Real Madrid FC sy ny Manchester City, ekipa anglisy. Fihaonana tena andrasan’ny maro izy ity. Tsy maintsy hiady mafy ny Man City, hitady ny tapakila hiakarany, saingy, hiezaka ny hitazona ny fandresena efa azony ny klioba espaniola, Real Madrid.
Tsara ny mampahatsiahy fa manantombo amin’ny isa efa azo ny Real Madrid amin’izao fotoana. Efa nandresy tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Manchester City ry zareo ny talata 11 febroary lasa teo, tany amin’ny Etihad Stadium.
“Kely ny fanantenana handresenay ny Real Madrid. Hiezaka ihany izahay mba handavo azy ireo. Manoloana ny zava-misy anefa, milaza aho fa mbola lavitry ny tokony ho fahaizanay anaty fifaninanana rehetra izahay tamin’ity taom-pilalaovana ity”, hoy i Pep Guardiola, omaly, tao anaty vaovaon’ny Figaro.fr.
Etsy ankilany, ny teknisianin’ny Real Madrid, Carlo Ancelotti, nilaza fa vokatra fandrika ihany ny azon’izy ireo teo amin’ny fifandonana voalohany ka tsy hanao ity lalao ity ho ambanin-javatra mihitsy.
Fitia Randria
Hotanterahina ny 25 febroary hatramin’ny 1 marsa ho avy izao, any amin’ireo faritra telo : Ihosy sy Antsirabe ary Mahajanga, ny dingana faharoan’ny fifaninanam-pirenena, sokajy vehivavy, taranja baolina kitra. Nozaraina tamin’ireo toerana telo ireo ny klioba 12 tafita amin’ity dingana ity. Anisan’ireo tafaray vondrona any Antsirabe, amin’izany, ny Askam Afa Itasy, sy ny AC Sabnam Analamanga. Ny ekipan’Itasy izay tsy mitsahatra ny manomana ity fifaninanana ity, ary tanjon’izy ireo ny handrombaka ny amboara.
Araka ny vaovao voaray, omaly, dia ireo roa voalohany isaky ny vondrona no miakatra amin’ny dingana manaraka, izay hotanterahina ny 19 hatramin’ny 23 avrily ho avy izao, eto Antananarivo. Ampahafantarina fa hatao amin’io fe-potoana io ihany koa ny lalaon’ireo sokajy zandriny, U17, vehivavy. Tsara marihina fa ity fifanintsanana nasionaly ity, mbola ao anatin’ny taom-pilalaovana 2024.
Fitia Randria
Ireo vondrona telo sy ireo klioba mifaninanana ao anatiny :
Antsirabe :
Askam Afa Itasy, AJSM Analamanga, AC Sabnam Analamanga, La Perousse Canon FC Analamanga
Ihosy :
As Myeco Anosy, As Comato Atsimo Andrefana, Ascuf Matsiatra Ambony, As Ammi Amoron’i Mania.
Mahajanga :
Disciples FC Vakinankaratra, Samba DS Diana, FC Melaky, Tsaramandroso FC Boeny.
Araka ny fikarohana natao omaly, mitana ny laharana voalohany hatrany ny AS Fanalamanga, amin’ny fifaninanana nasionaly « World Cola-PFL ». Manana isa fito izy ireo. Manaraka azy aoriana kosa ny Elgeco Plus, isa dimy ary ny Fosa Juniors FC, isa efatra. Ratsy kosa ny toerana misy ny Tsaramandroso FC, izay mitana isa tokana.
Efa tonga eto Madagasikara avokoa ireo mpilalao basikety milaravinahitra hanatevin-daharana ny Ankoay, amin’ny fiatrehana ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”, izay hanomboka afaka andro vitsy. I Mathias M’Madi no nandrasana farany izay higadona eto Madagasikara, anio.
Miatrika fiofanana ara-teknika eo amin’ny taranja Muay Thai, any Thailande, ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Muay Thai, Razanajatovo Gildas. Ny alahady alina teo izy no niala teto an-tanindrazana ary haharitra iray volana izany fiofanana hatrehany any Thailande izany.
Taorain’izay andro maro niverenan’ilay brezilianina, Neymar JR, tao amin’ny klioban’ny Santos FC Brezila izay, nahatafiditra baolina voalohany ho azy ihany izy. Nahazo fandresena 3 no ho 1, teo anatrehan’ny Agua Santa, ry zareo. Marihina fa mbola “penalty” ihany aloha ity baolina nampidiriny ity.
Araka ny vaovao efa nampitain’ny Federaasion’ny karate-do malagasy, hisy ny fampiofanana hahazoana ny « Diplôme d’animateur fédéral” karakarain’izy ireo, natokana ho an’ny mpampianatra ity taranja ity. Ny alatsinainy 24 febroary izao no hanomboka izany, eny amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro, eny Ampefiloha. Mpampianatra 25 mianadahy no hanaraka izany, amin’ity andiany voalohany ity, izay hiarahan’ny federasiona sy ny ANS misalahy ny fikarakarana. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ratefinanahary Emile, fa tafiditra tanteraka anatin’ny vina napetrany ny fiatrehana fiofanana toa izao, ka tanjona ny mba hananan’i Madagasikara mpampianatra na “Maître de salle” manana fahaiza-manao amin’ny fampianarana. Nohamafisiny fa efa nisy hatrany ny fampiofanana ho an’ny mpitsara sy mpanazatra nomen’ny vahiny manam-pahaizana ary ho hampitomboina izany.
Tsiahivina, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ho an’ny ankizy (U-8, U-10, U-12, U-14) sy ny sokajy vehivavy ny federasiona, aorian’izao fampiofanana izao. Ny 1 sy 2 marsa izao no hatao ka karatekas hatramin’ny 500 no andrasana eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina.
Mi.Raz
Anisan’ireo taranja mijoro ara-dalàna eto Madagasikara ny golf. Nizara ny tetikasany teny anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), tetsy Mahamasina, ny Federasiona malagasin’ny golf (FMGolf), omaly.
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana teny amin’ny biraon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Marson Moustapha Abdulah, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja golf (FMGolf), Ravatomanga Maminiaina. Anton-dian’ity rafitra federalin’ny golf ity teny an-toerana ny hametraka ny fandaharanasany eny anivon’ny minisitera. Nilaza ny mpitarika ny taranja fa misy ny tetikasa maro hataon’izy ireo, amin’ ity taona ity, sy mandritra ny fe-potoana hiasan’izy ireo. Ny volana avrily ho avy izao, hiatrika ny fifaninanana golf ho an’ny sokajy vehivavy “Ladies Cup”, i Madagasikara. Araka ny fanazavana voaray, ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy ny kaontinanta afrikanina no hifanintsana amin’izany. Nomarihin’ny filohan’ny golf malagasy fa tsy tokony hisy olana ny fidiran’izy ireo ao anatin’ ny Komity Olimpika malagasy (COM) satria taranja iraisam-pirenena izany. Efa nanao fangatahana izy ireo ary miandry ny valiny izany ankehitriny. Ankoatra izay, tsy asiana ny fanavahana eo amin’ireo federasiona. “Hatao mitovy tantana avokoa ny Federasiona rehetra eto Madagasikara. Fanolorana ny drafitrasa ho an’ny taona ihany no fomba hahazoana fanampiana avy amin’ny minisitera”, hoy ny minisitra.
F.R
Tontosa tany Douala Cameroun, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja badminton, sokajy Senior.
Noho ny tsy fahampian’ny nenti-manana, tsy nisy afa-tsy atleta iray ihany no afaka niatrika izany ho an’i Madagasikara, tamin’ny alalan-dRamanana Rahary Lalaina. Mpilalao mipetraka any Frantsa ny tovolahy.
Fandresena roa sy faharesena iray, teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana, no vokatra azony, nandritra ity fifaninanana aty amin’ny kaontinanta afrikanina ity. Raha tsiahivina nandresy tsy niady nanoloana ilay senegaley, Ahmad Abdul–Samad, teo amin’ny ampaha-32-ndalana avy eo mbola nanilika ilay renioney, i Xavier Chan, tamin’ny seta 2 no ho 1 nandritra ny lalao ampaha-16-ndalana saingy niondrika teo anatrehan’ilay maorisianina, i Georges Julien Paul, tamin’ny seta 2 no ho 0. Mbola vato misakana ho an’ny Malagasy hatreto ry zareo maorisianina amin’ity taranja ity.
Nanaporofo izany ny Lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, izay nanjakan-dry zareo ary nandraofany medaly volamena maro. Na izany aza, efa traikefa goavana ho an’i Lalaina ny fiatrehana iny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika iny. Zava-dehibe ihany koa izany satria misy filaharana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Iny lalao ho an’olon-tokana iny ihany koa ny anjaran’ny Malagasy tamin’ity.
Tompondaka