S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 39 min 26 sec

UNE ENFANCE, UNE JEUNESSE, UNE VIE, UN ENRACINEMENT DE CŒUR

jeu, 01/23/2025 - 14:20

Quand les âmes se rencontrent à Babetville.

Catégories: National

Ligy Atletisma Ihorombe: Hisokatra amin’ny sabotsy ny taom-pilalaovana

jeu, 01/23/2025 - 07:42

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 25 janoary ho avy izao ny taom-pilalao­vana 2025 ho an’ny ligy atletisma Ihorombe. Hotantera-§hina eo amin’ny Kianja fahaleovantena Ihosy izany. Hisy hetsika maro hanamarihina ity fanokafana ity. Anisan’ireny ny fisian’ny «cross de cohésion», natokana ho an’ireo daholobe ka nanasana ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana, ary ny fianakaviamben’ny atletisma ao anatin’ny ligin’Iho­rombe.
Ankoatra izay, misy koa ny «relais pédestre mixte», fifaninanana natokana ho an’ireo sekoly rehetra ao an-toerana manomboka any amin’ny EPP, CEG ary ny Lycée, izany hoe, tsy misy sokajin-taona fa misokatra ho an’ny rehetra. Han­dray anjara amin’ity hetsika ho fanombohana ny taom-pilalaovana 2025 ity, ireo seksiona roa mandrafitra ny ligy dia Ihosy sy Ivohibe ary ireo klioba rehetra.
Marihina fa nahatontosa ny fifaninanana rehetra tamin’ ny taona 2024 ny ligin’Ihorom­be ary nahazo fankatoavana 100% tamin’ireo seksiona any an-toerana ny mpitantana. Tsara ny vokatra ho an’ny ligin’Ihosy tamin’ny taon-dasa, izay nahazoany medaly 12 ta­min’ny fifaninanam-pirenena. Hiezaka hatrany ny mpitondra ny ligy amin’ity handrombaka anaram-boninahitra maro. Tsiahivina fa hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny «Cross country» ny ligin’Ihosy, ny 15 marsa 2025.

Tompondaka

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

jeu, 01/23/2025 - 07:42

Hisy « festival de rugby » ho an’ny sokajy zandriny U13 sy U16, lahy sy vavy, hatao ny sabotsy 25 janoary ho avy izao. Fihaonana karakarain’ny Malagasy rugby ary hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Klioba 14 no hifaninana ho an’ny U13, raha 15 kosa izany ho an’ny U16.

Araka ny tsiliantsofina, mety hivoaka amin’ity faran’ny herinandro ity ny anaran’izay ho mpanazatra hitondra ny Barea de Madagascar. Efa eo am-pama­ranana ny fifanarahana amin’ilay teknisianina sisa ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny fanjakana amin’ny pitsopitsony rehetra.

Namoaka ny fandaraham-potoana ho an’ny taona 2025 ny taranja bodybulding. Ho an’ny fifaninanana rezionaly, ny volana marsa ny fe-potoana farany tsy maintsy hanatanterahana ny fifaninanana. Ny volana mey kosa no hanaovana ny fifaninanam-pirenena ary ny faran’ny volana jona ny hanatontosana ny fifaninanana Bodyperfect fanao isan-taona.

Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 16 marsa izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny fifaninanana Smatchin, andiany faha-11. Fifa­ninanana natokana ho an’ny Oniversite manerana ny Nosy, miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Anisan’ny fifaninanana fanao isan-taona andrasan’ny maro izy ity.

Catégories: National

Maître Jean Patrice : Nanoratra ny tantaran’ny judo malagasy

jeu, 01/23/2025 - 07:41

Vaovao tsara indray no nitranga, ho an’ny taranja judo. Nivoaka ny boky voalohany mirakitra ny tantaran’ny judo mala­gasy (Tome 1). Nanoratra azy, rehefa novolavolainy aman-taonany maro, ny Maître Ratsimiketraka Jean Patrice,. “Ny tantaran’ny judo Malagasy”, io no lohatenin’ity boky ity. Efa azon’ny rehetra jifaina sy vakina izany. Tepana mainty 5e Dan, mpi­tsara iraisam-pirenena ary mpikambana eo anivon’ny komi­siona nasionalin’ny grady, ny Maître Jean Patrice. Niaina ny taranja judo an-taonany maro izy ary tao anatin’izay no nahafahany nanoratra ity boky ity hampahafantarina ireo mpise­hatra eo amin’ity taranja ity eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao. Marihina fa efa naparitaka any amin’ny ligim-paritra manerana ny Nosy ity boky ity mba hahafahan’ny mpiangaly sy mpikirakira ity taranja ity mampitombo fahala­lana sy mamantatra ny tantara ka hampihatra izany amin’ny tontolon’ny judo eto Madagasikara.
Manasa ny mpiandraikitra efitrano fikotranana sy ireo judokas hamaky sy hampiasa ity Tome 1 amin’ny tantaran’ny judo ity ny Federasiona malagasin’ny judo. Mbola hisy ny Tome 2, araka ny fanazavana azo ary efa eo am-pamolavolana izany ny mpanoratra.

Mi.Raz

Catégories: National

Tsipy kanetibe – “PPF 2025”: Iray ekipa i Rocher sy i Rizzi ary i Delahaye

jeu, 01/23/2025 - 07:41

Hangotraka ny famaranana lehibe amin’ny « Passion Pétanque Française (PPF 2025) ». Nisafidy ny hiaraka ao anaty ekipa iray ireo andrarezina ka anisan’izany ilay frantsay, i Dylan Rocher, ilay Italianina, i Diego Rizzi. Manana ekipa roa kosa ny Malagasy amin’ity.

Ho toy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany kely ny famara­nana lehibe amin’ny “Passion Pétanque Française (PPF 2025)”, taranja tsipy kanetibe, amin’ity. Fihaonana hotanterahina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary ho avy izao, ao amin’ny Kianja Complexe sportif du Val del’Arc.
Hifampitana amin’izany avokoa mantsy ireo kalaza­lahy rehetra amin’ity taranja ity. Araka izany, samy nanao ny safidiny ireo mpilalao 16 voalohany, nanana isa be indrindra nandritra ny fifaninanana nampanaovin’ny PPF, ny taona 2024. Efa fantatra avokoa ireo hiaraka amin’ity famaranana lehibe ity. Anisan’izany i Dylan Rocher sy ilay italia­nina, i Diego Rizzi tompon­daka maneran-tany 2024 ary i Adrien Delahaye.
Ankoatra azy ireo, hifa­nome tanana ihany koa i Quintais sy i Philippe Suchaud ary i Pietri. Mpilalao totota­nana avokoa, izany hoe, Mala­gasy ranoray no mandrafitra ny ekipan’i Madagasikara. Hanana ekipa 2 ny Malagasy amin’ity “PPF 2025” ity ka ny ekipa voalohany ahitana an’i Zigle, tompondaka maneran-tany amin’ny «tir de précision 2024» sy i Tianakely, tompondaka maneran-tany lefitra 2024 ary i Baloti. Ny ekipa faharoa, tarihin’i Racle, mpilaravinahitra any France sy i Nanou ary i Tsé-Tsé. Mpilalao efa zatra fihaonana iraisam-pirenena avokoa izy enina mirahalahy ireo. Marihina fa tsy tafiditra ao anatin’ireo lisitra navoakan’ny PPF hanaovana fifantenana i Christian Fazzino sy Ny Havana, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.
Raha ny fandaharam-po-toana, hatao ny sabotsy ma­raina ny fihodinana voalohany sy faharoa. Ny tapakandro hariva ny lalao sakana sy ny ampahefa-dalana. Ny alahady maraina ny manasa-dalana ary ny folakandro ny famaranana.

Tompondaka

Catégories: National

Tanambe Avaradrano: Olona valo tratra namaky trano

jeu, 01/23/2025 - 07:40

Nisy namaky ny trano fivarotana iray an-dRandriam­boavonjy Mbola Andry tany Tanambe Avaradrano, kaominina Ambanivohitra Tanambe, distrika Amparafaravola, ny alatsinainy 21 janoary lasa teo. Tamin’ny 2 ora maraina teo ho eo ny fotoana nisehoan’ny tranga, tamin’io fotoana io. Nanatanteraka ny fanarahan-dia avy hatrany ny alika mpitsongo-dia avy amin’ny CFS/CRFDC, tamin’ny 3 ora tolakandro tany ho any. Olona manodidina ny valo, araka izany, no natao andrimaso.
Raha tsiahivina, tsy tao an-trano izy mivady tompon-trano fa nankany Toamasina. Mpiandry trano irery no tao, tamin’io fotoana io. Noloahin’ireo olon-dratsy ny tamboho avy aty ivelany nahafahan’izy ireo niditra. Novakiny indray avy eo ny tao amin’ny trano fivarotana. Lasan’ireo jiolahy nandritra izany, ny baoritra maromaro misy ny sigara, biscuits, ranom-boankazo ary ny vola vidin’entana talohan’io fotoana io.

Mino

Catégories: National

IDEES EN GOGUETTE (Alliance92) 2025-01-22

mer, 01/22/2025 - 14:42

Catégories: National

Olana amin’ny fananantany: Lasa antom-piveloman’ny olom-bitsy

mer, 01/22/2025 - 07:50

Maro indrindra eny anivon’ny Fitsara­na ambony sy ny ambaratonga voalohany ny resaka taratasin’ady ma­ha­ka­sika ady tany. Efa lasa fitadiavam-bolan’ny olona maro samihafa izany, raha ny zava-misy.

Voalohany amin’ny ha­maroan’ny antotan-taratasin’ady tonga eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony ny resaka ady tany, raha ny fanadihadiana natao. Ambeti-tenin’ireo tomponandraikitra hatrany izany rehefa misy ny lanonana ofisialy samihafa. Milaza ihany koa izy ireo fa hiady amin’ny resaka halatra tany, izay misy hidiran’ny kolikoly, raha ny hita. Amin’ny ankapobeny, mifandray tanteraka ny kolikoly sy ny ady tany. Izay manam-bola na mahafantatra olona na mahitahita no matetika man­dresy amin’io taratasin’ady io, raha ny fanadihadiana natao. Amin’ny ankapobeny, misy ny tambajotra matanjaka amin’ny fakana sy fidirana an-keriny amin’ny tanin’olona. Matetika misy ifandraisan’ny mpitsara na lehiben’ny distrika na ben’ny Tanàna ary ny mpiasa eo anivon’ny fandrefesan-tany sy ny fananantany izany zava-misy izany.
Misy karazany maro ny fomba ataon’ny tambajotra mpanao izany rehefa hiditra na haka tanin’olona izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Mi­ditra sy manorina trano hain­gana eo ambonin’ny tany izay manan-tompo izy ireo. Atao izany amin’ny fotoana izay tsy maha eo an-toerana ny tompony. Mampilaza amin’ny ekipa eo anivon’ny fitsarana avy hatrany izy ireo ary manao izay hifanarahana, toy ny fanomezana ilan-tany sy ny maro hafa.
Tsy maintsy manana karine ny mpikambana ary mandoa vola latsakemboka. “Mi­antoka ny vola entin’ireo tomponandraikitra miakatra any an-drenivohitra”, hoy ny fanazavan’ireo mponina iharan’ny fangalarana tany.

Tanin’ny tokantrano 1 500 any Mangarivotra homena olon-kafa
Tokantrano manodidina ny 1 500 any Mangarivotra, izay nandoa latsakemboka 50 000 Ar isaky ny adiresy no omena olona ambony avy eto Anta­na­narivo, raha ny fanadihadiana natao. Fotoana maromaro taty aoriana, nipoitra tampoka ny tompon’ny tany, tsy nanaiky fa nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny fitsarana izy taorian’izay. Nandresy teo ani­von’ny fitsarana ary very vola ireo olona an’arivony.
Fomba faharoa ataon’ny mpanambola ny manisy orimbato amin’ny tanin’olona na efa misy mipetraka aza eo amboniny. Fihetsika hahafahana manome volabe ho an’ ny mpiasan’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany ary ny fi­tsarana izy io. Rehefa vita ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta, tonga mandrava ny trano ireo vaditany sy mpitandro filaminana. Olona maro, araka izany, ny mahantra tampoka noho izany zava-misy izany. Amin’ny ankapobeny, efa lasa antom-piveloman’ny fikambanana mpangalatra tany ny fanaovana ireo fombafomba sy fihetsika maro samihafa ireo. Maro, araka izany, ny very vola.

Arahi-maso ny fananganana fikambanana
Nametraka fepetra hentitra ny prefektoran’i Toamasina fa arahi-maso ireo mpanangana fikambanan mpangalatra tany, nandritra ny fandalovan’ny mi­nisitry ny Fitsinjaram-pahefana, Andriantsitohaina Naina, tany Toamasina, ny 04 aogositra 2024 lasa teo. “Tapaka nandritra izany, fa samborina avy hatrany ireo minia manao izany”, hoy ny prefet an’ i Toa­masina, Benandrasana Cyril. Nohamafisin’ny prefet fa manana andraikitra sy adidy ny mpanao gazety hitaiza ny olona amin’ny famantarana izay voalazan’ny lalàna mom­ba ny fananantany.

Didim-pitsarana no tanterahina

Tora-bato, horakoraka, ompa sy ny maro hafa no ataon’ ireo mponina amin’ireo tomponandraikitra maro samihafa tonga mandrava tranon’olona, raha ny zava-misy. Voakasik’izany avokoa na ireo vaditany na ireo mpitandro filaminana. « Tsy maintsy ampandrenesina ny fitsarana, izay mpamoaka didy, sy ny mpampanoa lalàna ambony, izay lehibe eo anivon’ny fitsarana, rehefa misy didy mivoaka fanesorana olona eo amin’ny tranony », hoy ny Maître Rarivoarivony Andriatafaina Haja Fitiavana, filohan’ny vaditany sy mpanao lavanty eto Madagasikara, raha nanaovana fanadihadiana. Nambarany fa tsy maintsy ampandrenesina izy hahalalany ireo didy mi­fandraika aminy. Ankoatra izay, omena fotoana ihany koa ireo olona iharan’ny fandrodanana trano sy ireo voalaza ho tompon’ny tany. “Manatanteraka ny voasoratr’ilay didim-pitsarana fotsiny izahay ety ambany”, hoy ny fanazavan’ity filohan’ny vaditany sy mpanao lavanty eto Madagasikara ity.
Marihina fa efa betsaka ireo vaditany misedra olana eo amin’ny fanatanterahana ny asany, raha ny fanazavana voaray.

Nanatontosa : Sajo

Catégories: National

Ampasimbe Brickaville : Lehilahy iray maty voatsatoka antsy

mer, 01/22/2025 - 07:49

Lehilahy iray tokony ho 40 taona eo ho eo no maty voa­tsatoka antsy, afakomaly ta­min’ny 5 ora sy sasany maraina, tany amin’ny kaominina Ampasimbe, Brickaville. Na­hita olona iray efa maty tao anaty alan’Ambodimanga Be­navony, 300 metatra miala ny tanàna ao Sahanibibaka, ireo mponina handeha hanao ny asa aman-draharahany, ta­min’io fotoana io. Nampaha­fantatra ny tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana avy hatrany izy ireo taorian’ny tranga. Tonga nijery sy nanao fizahana ny razana ny mpitsabo avy any Ampasimbe sy ireo zandary avy amin’ny borigadin’i Rano­mafana Atsina­nana sy avy any Ampasimbe.
Tsindron’antsy telo teo amin’ny tendany sy ny tanany roa no nihatra tamin’ity lehilahy maty ity, niteraka ny fahafatesany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Ankoatra izay, tsy nahitana taratasy nahafantarana azy ny razana. Na teo aza izany, fantatry ny mponina teny an-toerana fa mponina avy any amin’ny
distrika Vatomandry ity niharan-doza ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny borigadin’i Ranomafana Atsinanana. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary mahakasika ity raharaha ity.

Mino

Catégories: National

Distrika Manjakandriana : Nanangana fikambanana ireo ben’ny Tanàna

mer, 01/22/2025 - 07:49

Nampitovy tadin-dokanga ho an’ny tombontsoa iraisana. Nanangana fikambanana ireo ben’ny Tanàna rehetra voafidy ao amin’ny distrika Manjakandriana, omaly.

Nofidin’izy ireo ho filohan’izany fikambanana izany ny ben’ny Tanàna voafidy tao amin’ny kaominina Nandihizana Carion, Rakoto­nirina Zo Ny Aina. “Tanjona amin’ny fananganana fikambanana toy izao ny fampisitrahana tombontsoa iombonana ho an’ny kaominina tsirairay. Anisan’izany ny fanohanana sy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana na koa ireo avy amin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka”, hoy ity filohan’ny fikamban’ny ben’ ny Tanàna eo anivon’ny distrika Manjakandriana ity.
Nanamafy izany ireo ben’ny Tanàna namany fa anisan’izany koa ny fanomezana tantsoroka ho an’ireo mpitantana eny ifotony ireo. “Hifam­pizara traikefa sy hifanakalo fahaiza-manao izahay rehetra samy ben’ny Tanàna”, hoy izy ireo.
Nankasitraka ireo ben’ny Tanàna namany nametraka fitokisana taminy ny filoha mitarika ity fikambanana ity. Nambarany fa anisan’ny vina maharitra iarahan’izy rehetra ny hampitoviana tantana ny fampandrosoana isaky ny kaominina.
Tsiahivina fa efa fanao sy fomba fiasa nataon’ireo samy ben’ny Tanàna ny fampivondronan-kery tahaka izao ary tsy ijerena loko politika na firehana. Itoviana kosa ny fampandrosoana miaraka ny kaominina tantanina.

Synèse R.

Catégories: National

INDRAY MIJERY

mer, 01/22/2025 - 07:48

Hanamarika ity herinandro ity ny atrikasa lehibe hotanterahina any Mantasoa, mandritra ny roa andro (hanomboka rahampitso). Mikendry ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara izany, araka ny nambaran’ny minisitra mpiahy.

Tonga nitsidika ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao amin’ny toeram-piasany, Ambohidahy, ny masoivohon’i Norvezy vaovao eto Madagasikara, Hajaina Gjermund Saether. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny fahavononan’ity firenena ity hanohy ny fanohanany an’i Madagasikara amin’ny ezaka fanatsarana sy fampiroboroboana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.

Nitafa tamin’ny minisitry ny Fampiananarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny filohan’ny Fikambanan’ny orinasa ao Vakinankaratra (Fiova), niaraka amin’ny talem-paritry ny ETFP Vakinankaratra. Manana anjara toerana amin’ny fanohanana ny tanora ao Vakinankaratra ny Fiova ary anisan’ireo tantsoroka ataony ny fanomezana fizaran’asa ho an’ireo tanora.

Nitafa tamin’ny minisitry ny Fanabeazam-pire­nena ny sendikan’ny mpitsirika ara-pedagojia eto Madagasikara, notarihin’ny filohany. Mizara roa ny andraikitr’ireto mpitsirika ireto. Miandraikitra ny fitsirihana ara-pedagojia izay tantanin’ny foibem-pitondrana misahana ny tantsoroka an-tsekoly sy ny fitsirihana ara-pedagojia.

Catégories: National

Miss maman Madagasikara : Hisafidianana ireo reny mendrika

mer, 01/22/2025 - 07:48

Efa lasa fikambanana amin’ izao fotoana ny Miss maman Madagasikara (MMM), manana tanjona handrisika ny reny hikajy ny endrika sy bika fa koa handray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Hetsika nahafantarana azy nandritra ny taona efatra nifanesy ny fikarakarana fifaninanana Miss maman eto Madagasikara. Hiditra amin’ny andiany fahadimy izany amin’ity taona ity. «Ni­sokatra tamin’ny fiandohan’ny volana ny fandraisana ny anaran’ireo vonona hifaninana ary hikatona ny 26 janoary ho avy izao, ho an’ny faritra Ana­lamanga», hoy ny filohan’ny fikambanana Salabert Rosi­nah, omaly, teny Ambohibao. Fanehoana ny reny mendrika ny fifaninanana ka tsy ny ha­tsarana hita maso no hifantenana azy ireo fa ny hatsarana avy ao anaty hivoaka hita taratra ety ivelany. Mbola miatrika fiofanana ireo nisoratra anarana hifaninana ka ani­san’ny hitsarana azy ireo ny vokatry ny fiofanana ataony. Ny akanjo entina mifaninana, ohatra. Miantefa amin’ireo reny rehetra 25 taona no ho miakatra, tafiditra ao koa ireo manana fahasembanana, ny fifaninanana.
Ankoatra ny fifaninanana, hijery manokana ny hanampiana ny reny ny fikambanana ka hisy fampiofanana maimaimpoana hiteraka asa karakaraina tsy ho ela. «Entanina ny vehivavy rehetra hiditra ho mpikambana ao amin’ny fi­kambanana fa eo anivon’izany no hitondrana ny fiofanana», hoy ny mpanolotsaina, Hari­mampianina Lova.

Vonjy

Catégories: National

Pages