S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 39 min

Badminton – “Mada 2025” : Hifaninana ny Senior

mar, 10/07/2025 - 07:38

Araka ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Badminton, hotanterahina ny 11 sy 12, hitohy ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny hetsika. Ligim-paritra telo dia Analamanga, Vakinankaratra ary Atsinanana no hiady ho lohany amin’ity. Mahatratra 75 ny isan’ny mpandray anjara.
Fifaninanana ho an’olon-tokana ihany no hatao dia ny olon-tokana lehilahy SA1 sy ny SA2 ary ny SB1sy SB2. Eo koa ny an’ny Vétérans. Ho an’ny vehivavy indray, misy ny SA1 sy ny SB2. Mbola miankina amin’ny toe-draharaham-pirenena nefa ny hahatanteraka ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity. Na izany aza, mila miomana hatrany ireo mpilalao, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasionina. Raha tsy misy ny fiovana, aorian’ity sokajy Senior ity no hiditra an-tsehatra indray ny Junior, ny volana novambra.

Tompondaka

Catégories: National

Baolina kitra : Hanazatra ny Young Africans Tanzanie ny Coach Rôrô

mar, 10/07/2025 - 07:38

Toy ireo mpilalaon’ny Barea Chan milaravinahitra any ivelany, handeha hikopak’elatra ihany koa ny Coach Rôrô. Hanazatra ny Young Africans Sports Club an’i Tanizanie ny lehilahy. Famaraparanana ny pitsopitsony eo aminy sy ny Federasionina malagasy (FMF) ary ny Yas Madagasikara sisa dia hanainga izy.

Tsy honohono fa tena izy. Nambaran-dRakoton­drabe Romuald Felix (Coach Rôrô), mpanazatra ny Barea Chan, fa marina ny vaovao nivoaka tamin’ny tambanjotran-tserasera, omaly. Han­deha hanazatra ny ekipan’ny Young Africans Sports Club (Yanga) Tanzanie ny tenany. Nambarany nandritra ny resaka nifanaovana taminy fa efa vita ny sonia sy ny fifanarahana roa taona azo havaozina eo amin’ny roa tonta. Miankina aminy sisa ny tsy mbola hiaingany satria mbola mamarana ny nifanarahana tamin’ny Federasionina malagasy (FMF) sy ny Yas Madagasi­kara ny tenany. Raha tsy misy ny fiovana, hamonjy io ekipa io izy amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao.
Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ny vady aman-janany. Afaka mitondra olona telo koa izy handrafitra ny ekipa teknika. Tsiahivina fa ekipa D1 ao Tanzanie ny Young Africans Sports Club ary miatrika ny fiadiana ny “Ligue des champions Afrique”, amin’izao fotoana izao. Laharana fahefatra amin’ny fifaninanam-pirenena Tanzanianina.
Nangataka azy ho mpanazatra koa ny Simba Club saingy tsy matotra, araka ny nambarany fa mivoaka miditra. Teo koa ny Al Merrick Soudan, misy an’i Nicolas sy i Feno­hasina, saingy tsy nety taminy noho izy ireo tsy manana Kianja fa any ivelany no miatrika ny fifaninanana.
Mahakasika ny lalao hataon’ny Barea de Mada­gasikara A indray, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2025”. Nolazainy fa sarotra nefa azo atao. Tsy matematika ny baolina kitra, hoy izy, ary tsy mahafantatra izay tanjak’i Comores sy i Mali amin’izao fotoana izao ny tenany ka tsy afaka ny hanome ny heviny fa mirary soa ho azy ireo hahazo ny isa 6.

Tompondaka

Catégories: National

Governemanta vaovao: Tokony hisokatra amin’ny rehetra

mar, 10/07/2025 - 07:37

“Tokony hisokatra amin’ny rehetra ny governemanta. Heverina fa rariny izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Irmar tao Ambatofinandrahana, Razafindrabary Narson Seth Jean Richard, ny amin’ny fananganana governemanta vaovao amin’izao. Misy fanehoan-kevitra maro mila henoina izay antony mahatonga ny olona manao fitakiana. Maro ny manao fitakiana fa tsy hoe ny mpanohitra… Heverina fa manan-jo avokoa ny tsirairay hanolotra olona hiditra ao amin’ny governemanta. Hatao ny fisokafan’ny governemanta, tsy hoe ho an’ny mpanohitra fa ho an’ny hery velona manao fitakiana, araka ny nambarany.
Misy ny fitakiana ataon’ireo tanora. Zo fototra ny jiro sy rano. Ny zava-tsy mety, misy manararaotra ny tolona, mitondra izany any amin’ny fanonganam-panjakana. Tany demokratika i Madagasikara. Rehefa amin’ny lafiny inona ny sasany no miteny demokrasia? Marina fa fanehoan-kevitra ny demokrasia. Fa mametraka koa ny demokrasia fa ny olona voafidy amin’ny fomba demokratika dia tokony ho fifidianana demokratika koa no handimby azy. Sarotiny amin’ny fiarovana an’izay fiarovana ny lalàmpanorenana ry zareo. Izay no nahavoafidy ny filohan’ny Repoblika izay safidim-bahoaka.

R. Nd.

Catégories: National

Sasa-miandry!

mar, 10/07/2025 - 07:12

 

Tapitra izay ny fe-potoana niresahana Praiminisitra, dila ny fe-potoana. Andrasana ny ho fivoakan’ny mpikambana mandrafitra ny governemanta. Hatreto, tsy misy mipika izay fikononkononana mahakasika izay any ambadika any. Toa mangina tanteraka ny fanoloana ny mpikambana, izay tena ilaina maika sy tokony ho hamehana tokoa.
Raha manjohy akaiky ny hodidina misy amin’izao fotoana izao, hita fa maika ny fametrahana ny rafitra mpanatanteraka. Tsy ampy ny fandehanan’ny filohan’ny Repoblika irery. Tokony ho roa mifampiankina hatrany ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Ny lalàmpanorenana rahateo manamafy an’izay. Tsy tokony hivaona amin’izay voasoratra.
Sasa-miandry ny mpanara-baovao satria mifamahofaho ny fampitana hafatra sy ny baiko ho an’ny mpiasam-bahoaka indrindra indrindra. Mifanjana sy mifanilika andraikitra ary tena tsy mifanaja intsony ny any anaty birao. Biby tsy manan-doha tokoa angaha ka tsy mandeha. Mampalahelo ilay toe-tsaina. Mikatso ankolaka ny zava-drehetra.
Ilay vahoaka tsimandadiharona no mahita faisana amin’ny afitsoky ny mpanao politika. Mampitarazoka ny raharaha ny ady sisika miafina anaty ady varotra. Lany andro amin’ny ady seza ny ankamaroany. Tsy manaiky ho baikoin’ny filan’ny vahoaka. Mifarombaka ny haka seza na ireo noheverina fa misy etika aza.
Manahirana ny famakafakana ilay toe-draharaha. Tsy hita be ihany ny marina ho raisina. Misy ireo tena mitolona, mihevitra ny mpitondra fanovana, ho mpanadio ny tanàna. Indrisy, maro anisa anefa ny mpanao kitoatoa, misarintsarim-pitolomana. Misarongotra etsy sy eroa, mitady ny sitrany ahay: vola, voninahitra, fahefana.
Miandry, miandry lava, miandry foana ny vahoaka madinika. Tsy mety fay ny mpilalao politika, izay anefa no efa mampitroatra ireto tanora, liam-pivoarana sy te hanova tantara ireo.

r.r

Catégories: National

Pages