Hananganana toby fivarotan-tsolika ny distrika miisa 38 tsy mbola manana eto amintsika. Hotaterina amin’ny sambo ihany koa ny solika mankany Mahajanga sy Toliara. Nodinihina ny fifanarahana eo amin’ny Jirama sy ny mpamatsy solika amin’ny lafiny famatsiana ny milina.
Fomba ahavitan-tena ara-bary ny fanapariahana ny fitaovana mekanika. Hamoraina ny fahazoana masomboly sy zezika ny tantsaha. Havaozina ny fitantanana ny rano sy ny fotodafitrasa manondraka ny lemaka. Hamboarina ny lalana hamoahana ny vokatra. Nivoitra ireo nandritra ny asam-baomiera tamin’ny fikaonandoha mikasika ny fambolena teny Ivato.
Vita ny fanarenana ny arabe « Avenue » ao Fenoarivo Atsinanana. Avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR) ny vola nanaovana ny asa, notanterahin’ny orinasa Metalu. Noraisina vonjimaika, omaly, ny asa, notanterahin’ny tompon’andraikitry ny Fotodrafitrasa (DINFRA) sy ny fitantanam-paritry (DRTP) Analanjirofo.
Miisa 10 000 ny zanakazo nambolen’ny mpiasan’ny primatiora, omaly. Mahatratra 9 ha ny velaran-tany nanatanterahana izany teny Ambatombolamena, fokontany Amboniandrefana, distrika Atsimondrano. Nitarika ny fotoana ny praiminisitra Ntsay Christian, notronin’ny mpiasa rehetra.
Notapahan’ny tsy matahotody ny lohan’ilay ankizivavy vao 16 taona tao Marovato, distrikan’i Tsihombe, ny alin’ny talata hifoha ny 22 janoary teo. Mpandalo no nahita ny fatin’io olona nisy namono io. Nariana tany amin’ny toerana nangingiana ny vatan’io ankizivavy vao erotrerony io. Nentin’ireo jiolahy nanaraka azy ny lohany. Niezaka nikaroka ireo nahavanon-doza ny fiakanavian’ilay lasibatra. Tsy fantatra ny nahavanon-doza. Tranga fanapahan-doa faninenina niseho tao amin’ny distrikan’i Tsihombe tao anatin’ny enim-bolana ity. Tsy fantatra mazava ny anton’ny hanaovan’ireo olon-dratsy ny habibiana toy izao. Marihina, miseo lany ny vono olona tsy an-tanàn-dehibe hatrany ambanivohitra saika manerana ny faritra amin’izao fotoana izao. Raha tsy lasibatry ny dahalo, maty vokatry ny disadisam-piarahamonina ny ankamaroan’ny olona. Manjaka ny tsy fandriampahalemana ka mitaky ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay indrindra ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.
Hifarana androany ny fampiofanana tanora mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary (GRC). Fiofanana nanomboka omaly, tanterahina etsy anivon’ny QG Tanora Ankorondrano. Atrikasa karakarain’ny CCMAJ eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Ampiofanina mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary izany ireo tanora ireo. Mba hahay handray an-tanana sy handray andraikitra manoloana ny loza maro mety hiseho, indrindra rehefa amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra sy ny orana tahaka izao. Fikambanana tanora miisa dimy ireo miofana mandritra izany. Andrasana ny hahatongavan’ny tanora manodidina ny 100 isa mandritra ny roa andro. Tanora 50 isa ho an’ny andron’ny omaly, 50 isa kosa no andrasana ho an’ny anio.
Tsiahivina fa misy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny BNGRC, ny avy amin’ny SBC Unicef. Ezahina ny hanaovana ny atrikasa tahaka izao. Satria, manampy betsaka ny tanora hiatrika ny mety ho karazana loza ara-boajanahary misy isan-karazany ny fiofanana toy izao.
Mino
Vonona hanohana antsika amin’ny famokaram-bary i Korea Atsimo. Eo koa ny indostria vaventy toy ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany ary ny fifanakalozana ara-barotra. Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ny masoivoho, Park Ji-Hyun sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo.
Vita ny fanarenana ny lalana tena ratsy any Mahatsinjo RN44 avaratra, mampitohy an’Ambatondrazaka sy Vohitraivo. Mirefy 800 metatra ny asa nataon’ny orinasa Fanasina. Nosoloin’ny orinasa Mahavanontsoa «béton» ihany koa ny tetezan-kazo eo amin’ny fidirana an’Ambatosoratra.
Miisa 10 000 ny zana-kazo voavoly tany Maintirano, omaly 22 janoary. Zanakazo nahitana Acacia, Gmelina, Anakaraka, Arofy, Kily, Kininina, … Nandritra ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2025 ho an’ny faritra Melaky no nanatanterahana ireo. Nandray anjara daholo ny avy amin’ny sampandraharaham-panjakana sy ny tsy miankina tany an-toerana.
Harenina ny fotodrafitrasan’ny famatsian-drano any amin’ny lemaka PC 15 sy ny Vallée Marianne any Ambatondrazaka. Ho vita tanteraka amin’ny faran’ny volana janoary ny asa. Tena ritra ny rano, ankehitriny, any amin’ny tohodrano Bevava PC 15. Anisan’ny vahaolana naroson’ny fanjakana ny hanaovana taniketsa iombonana.
Fanamby lehibe napetraky ny filoha Rajoelina Andry ny fanombohana amin’ity taona ity ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RN10, mampitohy an’Andranovory sy Ambovombe. Efa natao ny ampahan-dalana mirefy 4 km tamin’ny alalan’ny Famatsiambola anatiny (RPI). Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, omaly, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny tetikasa avy ao amin’ny Antokon-draharaha misahana ny lalana (Agence routière) sy ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Atsimo Andrefana. Efa vita godirao ny 1,6 km, ka nomena baiko ny orinasa hampitombo ny fitaovana, hahavitan’io ampahan-dalana io mialoha ny faran’ny volana febroary ho avy izao.
Ankoatra izay, mitotaly 414 km ny lalana harenina amin’ny RN10, famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ny tetikasa PCMCI. Hovitaina amin’ny telo volana voalohany ity ny antso tolobidy, ho an’ny Andranovory PK4- Ambatry PK 101, mirefy 98 km. Toraka izany koa ny antso tolobidy ho an’ny Ambatry-Ampanihy (113 km). Eo andalam-pikarakarana ny fanombohana ny Ampanihy – Beloha (92 km) sy ny Beloha-Ambovombe (111 km).
Nanamafy ny minisitra MTP, Rafidison Richard, fa tsy maintsy vita hatramin’ny farany ny asa, mba hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra, indrindra ny any atsimon’ny Nosy.
Njaka A.
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ny «Tourisme sans frontière» (TSF). Mifantoka amin’ny lohahevitra efatra ny fiaraha-miasa. Fanamafisana ny fahaiza-manao ny ofisim-paritry ny fizahantany, amin’ny lafiny fifehezana ny tsena sy ny varotra, toy ny fikarakarana foaran’ny fizahantany, ohatra. Eo koa, ny fanolorana tolotra tsara kalitao amin’ny fizahantany. Hampirisihina ny mpandraharaha handray anjara amin’ny hetsika eto an-toerana sy iraisam-pirenena, toy ny Salon Solidarissimo hatao any Comar, ohatra. Hisy koa ny fanohanan’ny TSF ny ONTM amin’ny fametrahana fiara-miasa, hampiroboroboana ny fizahantany aty Madagasikarara amin’ny mpanjifa any Frantsa.
Njaka A.
Quand les âmes se rencontrent à Babetville.
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 25 janoary ho avy izao ny taom-pilalaovana 2025 ho an’ny ligy atletisma Ihorombe. Hotantera-§hina eo amin’ny Kianja fahaleovantena Ihosy izany. Hisy hetsika maro hanamarihina ity fanokafana ity. Anisan’ireny ny fisian’ny «cross de cohésion», natokana ho an’ireo daholobe ka nanasana ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana, ary ny fianakaviamben’ny atletisma ao anatin’ny ligin’Ihorombe.
Ankoatra izay, misy koa ny «relais pédestre mixte», fifaninanana natokana ho an’ireo sekoly rehetra ao an-toerana manomboka any amin’ny EPP, CEG ary ny Lycée, izany hoe, tsy misy sokajin-taona fa misokatra ho an’ny rehetra. Handray anjara amin’ity hetsika ho fanombohana ny taom-pilalaovana 2025 ity, ireo seksiona roa mandrafitra ny ligy dia Ihosy sy Ivohibe ary ireo klioba rehetra.
Marihina fa nahatontosa ny fifaninanana rehetra tamin’ ny taona 2024 ny ligin’Ihorombe ary nahazo fankatoavana 100% tamin’ireo seksiona any an-toerana ny mpitantana. Tsara ny vokatra ho an’ny ligin’Ihosy tamin’ny taon-dasa, izay nahazoany medaly 12 tamin’ny fifaninanam-pirenena. Hiezaka hatrany ny mpitondra ny ligy amin’ity handrombaka anaram-boninahitra maro. Tsiahivina fa hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny «Cross country» ny ligin’Ihosy, ny 15 marsa 2025.
Tompondaka
Hisy « festival de rugby » ho an’ny sokajy zandriny U13 sy U16, lahy sy vavy, hatao ny sabotsy 25 janoary ho avy izao. Fihaonana karakarain’ny Malagasy rugby ary hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Klioba 14 no hifaninana ho an’ny U13, raha 15 kosa izany ho an’ny U16.
Araka ny tsiliantsofina, mety hivoaka amin’ity faran’ny herinandro ity ny anaran’izay ho mpanazatra hitondra ny Barea de Madagascar. Efa eo am-pamaranana ny fifanarahana amin’ilay teknisianina sisa ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny fanjakana amin’ny pitsopitsony rehetra.
Namoaka ny fandaraham-potoana ho an’ny taona 2025 ny taranja bodybulding. Ho an’ny fifaninanana rezionaly, ny volana marsa ny fe-potoana farany tsy maintsy hanatanterahana ny fifaninanana. Ny volana mey kosa no hanaovana ny fifaninanam-pirenena ary ny faran’ny volana jona ny hanatontosana ny fifaninanana Bodyperfect fanao isan-taona.
Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 16 marsa izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana Smatchin, andiany faha-11. Fifaninanana natokana ho an’ny Oniversite manerana ny Nosy, miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Anisan’ny fifaninanana fanao isan-taona andrasan’ny maro izy ity.
Vaovao tsara indray no nitranga, ho an’ny taranja judo. Nivoaka ny boky voalohany mirakitra ny tantaran’ny judo malagasy (Tome 1). Nanoratra azy, rehefa novolavolainy aman-taonany maro, ny Maître Ratsimiketraka Jean Patrice,. “Ny tantaran’ny judo Malagasy”, io no lohatenin’ity boky ity. Efa azon’ny rehetra jifaina sy vakina izany. Tepana mainty 5e Dan, mpitsara iraisam-pirenena ary mpikambana eo anivon’ny komisiona nasionalin’ny grady, ny Maître Jean Patrice. Niaina ny taranja judo an-taonany maro izy ary tao anatin’izay no nahafahany nanoratra ity boky ity hampahafantarina ireo mpisehatra eo amin’ity taranja ity eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao. Marihina fa efa naparitaka any amin’ny ligim-paritra manerana ny Nosy ity boky ity mba hahafahan’ny mpiangaly sy mpikirakira ity taranja ity mampitombo fahalalana sy mamantatra ny tantara ka hampihatra izany amin’ny tontolon’ny judo eto Madagasikara.
Manasa ny mpiandraikitra efitrano fikotranana sy ireo judokas hamaky sy hampiasa ity Tome 1 amin’ny tantaran’ny judo ity ny Federasiona malagasin’ny judo. Mbola hisy ny Tome 2, araka ny fanazavana azo ary efa eo am-pamolavolana izany ny mpanoratra.
Mi.Raz
Hangotraka ny famaranana lehibe amin’ny « Passion Pétanque Française (PPF 2025) ». Nisafidy ny hiaraka ao anaty ekipa iray ireo andrarezina ka anisan’izany ilay frantsay, i Dylan Rocher, ilay Italianina, i Diego Rizzi. Manana ekipa roa kosa ny Malagasy amin’ity.
Ho toy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany kely ny famaranana lehibe amin’ny “Passion Pétanque Française (PPF 2025)”, taranja tsipy kanetibe, amin’ity. Fihaonana hotanterahina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary ho avy izao, ao amin’ny Kianja Complexe sportif du Val del’Arc.
Hifampitana amin’izany avokoa mantsy ireo kalazalahy rehetra amin’ity taranja ity. Araka izany, samy nanao ny safidiny ireo mpilalao 16 voalohany, nanana isa be indrindra nandritra ny fifaninanana nampanaovin’ny PPF, ny taona 2024. Efa fantatra avokoa ireo hiaraka amin’ity famaranana lehibe ity. Anisan’izany i Dylan Rocher sy ilay italianina, i Diego Rizzi tompondaka maneran-tany 2024 ary i Adrien Delahaye.
Ankoatra azy ireo, hifanome tanana ihany koa i Quintais sy i Philippe Suchaud ary i Pietri. Mpilalao tototanana avokoa, izany hoe, Malagasy ranoray no mandrafitra ny ekipan’i Madagasikara. Hanana ekipa 2 ny Malagasy amin’ity “PPF 2025” ity ka ny ekipa voalohany ahitana an’i Zigle, tompondaka maneran-tany amin’ny «tir de précision 2024» sy i Tianakely, tompondaka maneran-tany lefitra 2024 ary i Baloti. Ny ekipa faharoa, tarihin’i Racle, mpilaravinahitra any France sy i Nanou ary i Tsé-Tsé. Mpilalao efa zatra fihaonana iraisam-pirenena avokoa izy enina mirahalahy ireo. Marihina fa tsy tafiditra ao anatin’ireo lisitra navoakan’ny PPF hanaovana fifantenana i Christian Fazzino sy Ny Havana, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.
Raha ny fandaharam-po-toana, hatao ny sabotsy maraina ny fihodinana voalohany sy faharoa. Ny tapakandro hariva ny lalao sakana sy ny ampahefa-dalana. Ny alahady maraina ny manasa-dalana ary ny folakandro ny famaranana.
Tompondaka
Nisy namaky ny trano fivarotana iray an-dRandriamboavonjy Mbola Andry tany Tanambe Avaradrano, kaominina Ambanivohitra Tanambe, distrika Amparafaravola, ny alatsinainy 21 janoary lasa teo. Tamin’ny 2 ora maraina teo ho eo ny fotoana nisehoan’ny tranga, tamin’io fotoana io. Nanatanteraka ny fanarahan-dia avy hatrany ny alika mpitsongo-dia avy amin’ny CFS/CRFDC, tamin’ny 3 ora tolakandro tany ho any. Olona manodidina ny valo, araka izany, no natao andrimaso.
Raha tsiahivina, tsy tao an-trano izy mivady tompon-trano fa nankany Toamasina. Mpiandry trano irery no tao, tamin’io fotoana io. Noloahin’ireo olon-dratsy ny tamboho avy aty ivelany nahafahan’izy ireo niditra. Novakiny indray avy eo ny tao amin’ny trano fivarotana. Lasan’ireo jiolahy nandritra izany, ny baoritra maromaro misy ny sigara, biscuits, ranom-boankazo ary ny vola vidin’entana talohan’io fotoana io.
Mino