S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 55 min

INDRAY MIJERY

ven, 01/30/2026 - 09:26

Araka ny vinavina, hitombo hery miandalana ilay andro ratsy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ary tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo ivoarany. Mety ho lasa rivodoza izy, anio. Araka ny antontan-kevitra voaray, manambana mivantana ny faritra Ava­ratra Andrefana iny ity andro ratsy ity, rahampitso maraina. Entanina sahady ny mponina amin’ny faritra Boeny sy Melaky hiomana ka hampihatra ny fepetra momba ny filazana fanairana miloko maitso.
Nosoniavina tamin’ity herinandro ity, ny fifanarahana eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony, amin’ny oniversiten’Antananarivo, sy ny Bianco ary ny Samifin hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ary hanentanana ny tanora ho mpisehatra mavitrika amin’ny fananganana fiarahamonina mangarahara. Notsindrin’ny filohan’ny Oniversi­ten’­ Antana­narivo fa zava-dehibe ity fiaraha-miasa ity satria manokatra lalana vaovao amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny fampiana­rana ambony.
Hotanterahina ny 18 sy 19 jona ny fifanina­nana hidirana ho mpianatra taona voalohany eny amin’ ny Lycée teknika sy ivontoeram-panofanana arakasa eto amintsika, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ny
30 jona sy ny 1 jolay kosa ny fanadinana fifaninanana hidirana taona voalohany amin’ny fiofanana ahazoana mari-pahaizana manokana momba ny fahaiza-manao matihanina.

Catégories: National

Assises pour la relance économique: Cinq provinces au même diapason

ven, 01/30/2026 - 08:45

Après le lancement officiel des Assises pour la relance économique le 19 janvier à Antananarivo, suivi d’une consultation régionale visant à recueillir les avis et propositions des acteurs prenants, le processus entre dans une phase décisive. Cinq provinces (Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa et Toliara) ont accueilli simultanément ces assises économiques, pour présenter des recommandations axées sur la promotion des filières porteuses, comme moteur de transformation et de relance économique.

Depuis le 20 janvier, les Assises régionales pour la relance économique ont battu leur plein, avec la participation active des entrepreneurs agricoles, des petits producteurs et des jeunes de la génération Z engagés, des opérateurs économiques.

Et après avoir établi des diagnostics, identifié les filières à fort potentiel, puis formulé des recommandations stratégiques, tout en tenant compte des réalités, des besoins et du potentiel de production, propres à chaque région, le moment est venu conformément au calendrier fixé par le ministère de l’Economie et des finances, de présenter leur plan de relance, les reformes concrètes et de se mettre au diapason, face aux défis et aux enjeux, lors des Assisses qui se sont déroulées simultanément hier dans les cinq chefs-lieux des provinces (Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa et Toliara). L’objectif est

Coordonnées par le mi­nistère de l’Economie et des Finances (MEF), avec le ministère de l’Industriali­sation et du Développement du secteur privé (MIDSP) et l’Economic Development Board of Madagascar (EDBM), ces Assises ont pour finalité d’élaborer un pacte national de relance économique entre l’Etat et le secteur privé. Le gouvernement veut poser les bases « d’un nouveau partenariat public-privé » et « restaurer la confiance des investisseurs », a fait savoir le ministre de l’Economie, Herin­jantovo Aimé Ramaroson, à cette occasion.

Recommandations

Aussi bien dans la Capi­tale, à Mahajanga, Toama­sina, Fianarantsoa qu’à To­liara, tout le monde est unanime pour dire que la relance économique de Madagascar devrait commencer au niveau local et régional.

Les discussions ont porté sur les priorités locales. Les acteurs publics et privés identifient les filières porteuses. L’agriculture, l’industrie, le numérique et l’économie bleue figurent parmi les secteurs stratégiques. Et les travaux ont abouti à des propositions concrètes, adaptées aux réalités régionales.

Parmi les recommandations communes formulées par les participants issus des cinq provinces, l’amélioration de l’accès à la terre, au financement et de la sécurité foncière Ils ont proposé la mise en place d’une banque dédiée aux producteurs et des mécanismes clairs de commercialisation des produits. La distribution des semences de qualité et l’approvisionnement en intrants abordables, ont également été avancés. Et pas des moindres, développer des formations techniques en adéquation avec les attentes au niveau local. Pour certaines régions, il est aussi crucial de fournir des équipements efficaces aux producteurs et d’améliorer les infrastructures existantes.

A noter que le processus mise sur une approche participative. Les autorités affirment vouloir « bâtir une économie inclusive, compétitive, productive et créatrice d’emplois ». Dans cette lancée, les acteurs de la vie économique veulent relancer l’investissement productif et garantir un cadre macroéconomique stable, condition jugée es­sentielle pour la croissance.
Ces Assises traduisent, selon l’Exécutif, « une volonté ferme de restaurer la confiance et de renforcer la compétitivité nationale » au service d’une croissance durable.

Arh

Catégories: National

Fanitarana ho 1 taona ny Agoa : Asa 7 000 tandindonin-doza

ven, 01/30/2026 - 08:44

Niova tampoka ny toe-draharaha. Nanapa-kevitra ny Antenimierandoholona amerikanina fa hitarina herintaona monja ny African Growth and Opportunity Act (Agoa), raha telo taona no nolanian’ny An­tenimierampirenena tamin’ny 12 janoary lasa teo. Noho izany, asa manodidina ny 7 000 no tandindonin-doza eto Mada­gasikara. Naneho ny ahiahiny manoloana ny zava-misy ny Vondron’ny orinasa afakaba sy ireo mpiara-miombon’an­toka (GEFP). Nilaza izy ireo fa hitombo ny fahasahiranan’ny orinasa sy ny mpiasa, indrindra ny fiankinandoha amin’ny tsena amerikanina. Mavesatra ny fiantraikan’ny zava-misy
eo amin’ny toekarena sy ny sosialy. Nason­gadiny tao anatin’izany fa ao anatin’ny krizy ny sehatry ny lamba, anisan’ ny andry iankinan’ny toeka­rena sy manome asa hatrany amin’ny 180 000 tamin’ny taon-dasa, noho ny fahataran’ ny fanavaozana ny Agoa. Nam­baran’ny GEFP, nandritra ny valandresaka nataony, fa tsy azo ihodivirana ny fampi­tsaharana asa, hihena ny fanondranana ary hihena ny sandan’ny Ariary. Hitombo ao anatin’izao ny sehatry ny tsy ara-dalàna, ny tsy fandriampahalemana.

Fepetra
Manao antso avo hitondra vahaolana ny GEFP, toy ny famerenana haingana ny TVA, ny fanalefahana ny fepetra momba ny fampitsaharana ny asa. Takiny ihany koa ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’i Eta­zonia. Ankoatra izay, mangataka fihaonana vonjimaika amin’ny filohan’ny Fanavao­za­na ny GEFP, handinihina ny zava-misy.

Henintsoa

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

ven, 01/30/2026 - 08:43

Notazonina vonjimaika am-ponja, eny Tsia­fahy, ilay lehilahy tratra nitondra antsokosoko volamena milanja 800 grama teny amin’ny sera­nan’Ivato. Amin’ny volana marsa ny fotoam-pitsarana azy. Nanamafy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl, omaly, fa tsy mitsitsy ny fitondram-panjakana amin’ ireo mikasa ny tsy hanara-dalàna eto amin’ny firenena, ary sazy henjana no miandry azy ireny.

Mitohy ny fanavaozana ny fotodrafitrasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, tantanan’ny orinasa Ravinala Airports. Asa goavana atao ny eny amin’ny toerana sy trano fikarakarana ny mpandeha, izay nandraisana ny zotra iraisam-pirenena teo aloha, ary ovaina ho an’ny zotra nasionaly. Nitarina sy noha­tsaraina ny efitrano fandraisana sy ny arabe fiantsonan’ ny fiaramanidina. Ho vita tsy ho ela ny asa.

Vita hatrany amin’ny 42,5% ny asa fanamboarana ny tetezana Mangoky (RN9). Miandraikitra ny asa ny orinasa CRCC. Anisan’ny mamatsy vola ny fanatanterahana azy ny Tahirimbola Saodiana ho an’ny fampandrosoana (FSD). Ity no ho tetezana lava indrindra eto Madagasikara, mirefy 800 m, raha toa ka mirefy
500 m ny tetezan’i Sofia, faritra Sofia. Hitondra fampandrosoana any an-toerana ny fisian’ity tetezana ity, hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra, izay mari­hina fa efa vita godirao ny lalana.

Catégories: National

fiharian-karena : Sehatra azo trandrahina tsara ny niomerika

ven, 01/30/2026 - 08:43

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fandaharanasa “Asan’Ai”. Kendrena ny hanofanana maimaimpoana tanora 1 300, mandritra ny 15 volana, mba hananany asa maharitra. Miisa 280 ireo tanora raisina amin’ny fampivondronana voalohany, 320 amin’ny faharoa ary 350 amin’ny fampivondronanana fahatelo sy fahefatra. Orinasa efatra dia ny Intelcia, Concentrix, Konecta, Connecteo, no handray ireo rehetra nahafeno ny fepetra.
Tanora avokoa ny 72,6% ny Malagasy. Soa fanararaotra azo trandrahina izany hamaliana ny filan’ny tsenan’ny asa. Antony nahatonga ny fanjakana sy ny tetikasa « Pôles intégrés de croissance » (PIC) ary ny orinasa misehatra amin’ny BPO nifanolo-tanana amin’ity fandaharanasa ity, ho an’ny fampananan’asa ny tanora sy ny fampandrosoana ny sehatry ny niomerika. « Sehatra mbola malalaka sy azo handraharahana ny niomerika », hoy ny mpandrindra nasionalin’ny teti­kasa PIC, Rakotondrazaka Ladislas Adrien. Tafiditra ao anatin’izay, hoy izy, ny Business Process Outsourcing (BPO), ny tontolon’ny Finetech, ny fikirakirana ny Data Center, rindrambaiko (logiciel) ary ny fanaovana tolotra maro samihafa. Mila hampiroboroboana, hoy izy, ireny mba hanamafisana ny fampananana asa sy ny fahaiza-manaon’ny tanora hikirakira ny niomerika. Hetsika eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra izy ity.

Henintsoa

Catégories: National

Sehatra miroborobo: Harena an-kibon’ny tany ny 49% amin’ny fanondranana any ivelany

ven, 01/30/2026 - 08:43

Seha-pihariana miroborobo ny harena an-kibon’ny tany. Naverina ny fanomezana fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka. Mbola mihantona kosa ny misehatra amin’ny volamena.

Namoaka ny tatitra ho an’ ny taom-piasana 2023 ny rafitra EITI Madaga­sikara, omaly, teny amin’ny MBC Ivato. Tatitra hisian’ny mangarahara amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy. Voa­laza ao ny hetra sy haba naloan’ny ori­nasa mpitrandraka. Miisa 12 izy ireo no nanao fanambarana, fa nisy 4 tsy nanao. Tanjona ny hisian’ny mangaraharaha, ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ary ny fampiroboroboana ny fitantanana mandray an­draikitra. Nanatrika ny fotoana ny avy amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy mian­kina, ny fiarahamonim-pire­nena (OSC), sns.
Anisan’ny singa jeren’ny EITI Madagasikara ny mampitaha ny vola nambaran’ny orinasa fa narotsany miohatra amin’ny voarain’ny fanjakana. Mitotaly 444 miliara Ar ny hetra sy haba naloan’ny orinasa mpitrandraka. Tsy maintsy misy ny tsy fitoviana na ny elanelana, saingy milaza ny EITI fa marina ny 87% ny voalazan’ny roa tonta.
Nilaza ny minisitry ny Ha­rena an-kibon’ny tany, Andri­amparany Carl, fa efa seha-pihariana fanoitran’ny fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany. Avy amin’ity sehatra ity ny 49% ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana ny taona 2025.

98 miliara Ar avy amin’Ambatovy
Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa haverina ny fanomezan-dalana. Misy karazany telo ny fitrandra­hana: ho an’ny mpitrandraka madinika nametrahana faritra manokana, ny antso ho an’ny fifaninanana hitrandraka ary ho an’ireo efa nametraka fangatahana, nanomboka ny taona 2009. Nomarihin’ny mi­nisitra koa fa nahatratra 98 miliara Ar ny vola naloan’ny orinasa Ambatovy, saingy tsy narotsaky ny Tahirimbolam-panjakana tany amin’ireo Vondrom- paritra itsinjaram-pahefana (CTD) izany, na­nomboka ny taona 2020. Hoaloa any amin’izy ireo io vola io amin’ity taona ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

Kolontsaina sy zavakanto: Mbola vitsy ireo sahy mamatsy tetikasa

jeu, 01/29/2026 - 09:08

Hatramin’izao, mbola ny tontolon’ny hira ihany no ma­hi­ta hirika. Manome na mampiasa vola hanatanterahina ny famerenan-kira sy ny fiakarana an-tsehatra ny mpandraharaha, rehefa avy nanao kajy fa ho voaverina ny volany. Ha­hazo tombony izy. Tsy ny hira irery, anefa, no zavakanto. Ani­san’ny manana tetikasa goavam-be, ohatra, ry zareo mpanao tantara an-tsary, ato ho ato. Tao anatin’ny taona ma­romaro. Tsy nisy namaly sy na­nohina ireo antso natao mom­ba ito tetikasa hamadihana ho tantara an-tsary ireo angano malagasy mitahiry soatoavina ireo. Tahaka izany ihany koa ilay tetikasa lehibe hoentin’ny vondron’ireo mpampianatra zavamaneno nentin-drazana.
Ny fanazavana ve no tsy ampy sy tsy maharesy lahatra ireo mpampiasa vola? An­koatra ny tontolon’ny hira, tsy mbola misy zavakanto na ko­lontsaina hafa, maharesy lahatra ve eto Madagasikara? Tsy mbola nahavita nanamporofo ny maha zava-dehibe ny zavakanto sy ny kolontsaina ve ny mpikirakira izany?…
… Ilay fanabeazana ny Malagasy no mila atodika any amin’ny fototra sy any amin’ny loharano nipoirana. Fahiny, nandray anjara lehibe tamin’ny fanabeazana sy fitaizana ary fampitam-pahalalana ny zavakanto sy ny kolontsaina. Ankehitriny, zary fanalana ha­mohamo sisa no andraisana azy ireny, ka na mamotika ny soatoavina izao aza, mbola lazaina fa zavakanto ihany.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Tarika AmbondronA : Hiaraha-mankalaza amin’ ny mpankafy ny 25 taona

jeu, 01/29/2026 - 09:08

Tsy iadian-kevitra intsony fa anisan’ireo tarika malaza indrindra eto Madagasikara ny tarika AmbondronA. Naharitra tao anatin’izay laza izay koa, satria efa 25 taona nisiana.

2001-2026. Feno 25 taona amin’ity ny nisian’ny tarika AmbondronA. Nandalo sedra maro vao tonga amin’izao lazany izao ny tarika tao anatin’izay fotoana izay. Noho ireo mpankafy nanjohy hatrany no tena anton’izay lasan’ny AmbondronA nandritra ny taona maro izay, ka rariny raha hiarahan’ny roa tonta mankalaza izany.
“Mankasitraka ny hatramin’izay ary hiaraka hankalaza ny faha-25 taona isika, satria antsika ilay izy”, hoy i Beranto, tao anatin’ny horonantsary fohy nataon’ny tarika, nentin’izy ireo niarahabana ny mpankafy, noho ny taona vaovao. Ho goavana, araka izany, izay hiseho rehetra mandritra ny taom-pampisehoana. “Misy programa maromaro efa no­manina ao, fa araho tsy tapaka ny pejy izaranay azy. Misy ho an’ny fitetezam-paritra ka hatrany ivelany. Ao koa izay mety ho fiarahana rehetra amin’ity”, hoy hatrany ny fampanantenan’ny tarika.
Ny azo antoka aloha dia tsy maintsy ho seho goavam-be no hanamarihan’ny tarika AmbondronA ny ivon’ny fankalazana. Mety ho Coliseum ihany ve? Sa mety mbola ho toerana goavana sy miavaka kokoa noho ny mahazatra indray? Samy miandry ny fandaharam-potoana ny rehetra.

Zo ny Aina

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

jeu, 01/29/2026 - 09:07

Namoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny pejy Facekookny, afakomaly, ny Disciples FC fa mpilalaon’izy ireo, ankehitriny, i Fely sy i Radokely. Tsiahivina fa ireto mpilalao roa ireo izay efa nandrafitra ny Barean’i Madagasikara nandritra ny fifanintsanana Chan, ny taona 2023 teo i Radokely, nitondra avo ny ekipa nasionaly malagasy tamin’izany fifanintsanana afrikanina izany. I Fely kosa, nampiditra ny baolina voalohany ho an’ny Barea, tamin’ny famaranana ny Chan 2024 teo.

Nanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana momba ny zava-nisy tany Mahajanga ny fikambanan’ ny klioba elita eto Madagasikara CFEM, omaly. Andra­sana, anio, ny mety fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fivoriana. Raha tsiahivina, misy olana amin’ny resaka mpitsara ny lalao tany Mahajanga, ka nisy ny klioba izay niatrika lalao no nametraka fitarainana teo anivon’ny CFEM.

Hotanterahina ny sabotsy 31 janoary izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana amin’ny fifaninanana “Super Coupe”, taranja volley ball, karakarain’ny ligin’Analamanga. Anisan’ny hifanandrina ny ASI sy ny VBCD, eo amin’ny sokajy U20, vehivavy, ary ny ASI sy ny ASSM, eo amin’ny sokajy U20, lehilahy.

Catégories: National

Pentathlon Moderne Malagasy: Lasa fa namela mamy ny Maitre Faly

jeu, 01/29/2026 - 09:07

Misaona ny Federasionina malagasin’ny taranja Penta­thlon moderne (FMPM). Nodi­mandry teo amin’ny faha-51 taonany, afakomaly, Rafilipo­harijaona Faliharimanana na ny Maitre Faly, tale teknika na­sionalin’ny FMPM. Lasa ny Maitre Faly, saingy namela ny tsara ho an’ny taranja sy ireo zandry. Nilaza Randriamalala Nathalie, filohan’ny Federa­sionina Pentathlon moderne eto Madagasikara, fa izy no anisan’ny angady nananana sy vy nahitana ny vokatra tsara azon’ny Malagasy nandritra ny fifanintsanana afrikanina natao tany Afrika Atsimo, ny taona lasa teo iny. “Raha re­sa­ka asa, tsy dia be resaka fa avy dia asa ny azy. Havanana tanteraka amin’ny resaka fi­fan­tenana ireo ankizy izy. Izy no nahitana an’ireo atleta ni­tondra ny vokatra tsara ho an’ny Malagasy tamin’iny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika farany teo iny”, hoy ny filohan’ny FMPM.
Araka ny fanadihadiana natao, tamin’ity farany, efa ha­tramin’ny volana aogositra lasa teo ny Maitre Faly no tsy to­mombana ny fahasalamany ka izao niafara hatramin’ny fahafatesany izao. Ankoatra ny maha tale teknika azy eo anivon’ny Federasionina, filohan’ny ligin’ny Escrime sy misahana ny resaka ara-teknikan’ny taranja fibatana fonjamby an’i Vakinan­ka­ratra ny tenany. « Maitre d’armes » andiany 2019, tany Algerie ihany koa ny lehilahy ary mpikambana teo anivon’ny kaomisionina ara-panatanjahantena ao anatin’ny komity Olympika malagasy (COM). Marihina fa ny Pentathlon mo­dern izay ikambanan’ny taranja, hazakazaka, lomano, « tir au pistolet laser », escrime, ary ny lalao fitetezana ireo sakan-dalana samihafa.

F.R

Catégories: National

Basikety-FMBB: Hatao ny 11 febroary ny fifidianana

jeu, 01/29/2026 - 09:07

Tapitra amin’ity volana janoary ity ny fe-potoana itantanana ho an’ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety ankehitriny, izay tarihan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel. Araka izany, nivoaka ny fampiantsoana fivoriambe sy fifidianana. Hatao ny alarobia 11 febroary izao, eto Antanana­rivo, saingy mbola tsy voafaritra mazava ny toerana hanaovana izany, hatreto. Ho an’ny ligy kosa, efa napetraka tamin’ny volana novambra 2025 fa ny 26 janoary lasa teo no daty farany hahafahan’ny ligy manatanteraka fifidianana. Misy ligy roa, Atsinanana Atsimo Atsinanana, tsy nahavita izany, araka ny fampitam-baovao voaray.
Raha ny fandaharam-potoana, hotanterahina ny alarobia 11 febroary tapany maraina, ny fivoriambe hanaovana ny tatitra ara-bola sy ara-moraly, hitohy avy hatrany amin’ny fifidianana izany aorian’izay. Ny hariva kosa no hanaovana ny fanambarana ny fandaharam-potoana ho an’ny taom-pilalaovana 2026 sy ny filazam-baovao samihafa. Mbola tsy misy anarana nivoaka aloha hatramin’izao ny amin’izay mety ho kandidà hifaninana amin’ity fifidianana ity fa samy miandry ny rehetra!

Mi.Raz

Catégories: National

TSELATRA

jeu, 01/29/2026 - 09:03

Naiditra vonjimaika am-ponja, afakomaly, ireo telo lahy, mpanendaka eny ambony Bajaj ao Mahajanga. Miray tsikombakomba amina mpitondra bajaj izy ireo. Mandray zotra tahaka ny mpandeha rehetra, manendaka poketra sy findain’olona, avy eo mandositra. Miisa roa ny fitarainana voarain’ny kaomisaria foibe ao Mahajanga momba ity tranga ity, tamin’ity volana ity.

Nafindra toeram-piasana eto Antananarivo Renivohitra ny kolonely Fanevarison Onimihary Ralaiavy na ny kly Faneva, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Famindran-toerana ara-dalàna tahaka ireo zandary rehetra ity natao ity. Tokony ho roa taona no mi­asa amin’ny toerana iray ny lehiben’ny vondron-tobim-paritra.

Ravan’ny polisy ny tambajotra mpangalatra moto any Fenoarivo Atsinanana, ny alin’ny 26 hifoha 27 janoary lasa teo. Nitrangana halatra moto roa tao amin’ny fokontany Samy bômba, Fenoarivo Atsinanana tamin’io. Nampandre­ne­sina ny polisy hanao ny sakana. Fiara sprinter fourgon iray no tratra nitondra moto roa tsy misy taratasy. Olona 5 voasambotra.

Catégories: National

Handeha hody : Lehilahy 32 taona maty lasan’ny rano

jeu, 01/29/2026 - 09:03

Nahitana lehilahy iray, 32 taona, maty an-drano tany amin’ny ranon’ny Sakay Andolofotsy, ny alatsinainy 26 janoary, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina lasa teo. Niampita izy sy ny olona iray hafa tamin’io fotoana io. Avy eny Andolofotsy, hihazo an’Alakamisy izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Niakatra anefa ny rano teo amin’ny fiampitana noho ny rotsakorana matetika tany an-toerana. Lasan’ny rano, nilentika, noho izany, ny iray. Raha tafita soa aman-tsara kosa ny olona iray hafa niaraka taminy.
Nampilazana ny fianakavian’ny niharam-boina, ny tomponandraikitra, ny sefo fokontany. Nampandrenesina ihany koa ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Andolofotsy. Natao ny fikarohana ny niharam-boina ary vatana mangatsiaka no nakarin’ny fokonolona avy ao anaty rano. Efa nakarin’ny fokonolona teny an-tanety moa io lehilahy hita faty io tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo manam-pahefana teny an-toerana. Tsy niandry ela fa tonga haingana teny ifotony, nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana, ny zandary miisa roa, taorian’ny antso.
Tsy nahitana ratra na mangana ny vatany, nandritra ny fizahan’ny mpitsabo. Sempotry ny rano ny antony nahafaty azy, raha ny fanazavana voaray. Monina any Vinany Ambo­sitra io lehilahy maty an-drano io. Natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana sy ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana.

Mino

Catégories: National

Nikasa hangalatra voninkazo : Lehilahy roa voasambotry ny zandary tetsy Itaosy

jeu, 01/29/2026 - 09:03

Voasambotry ny zandary tetsy Itaosy ny lehilahy miisa roa, afakomaly alina. Nikasa hangalatra voninkazo tao amin’ny trano iray andalam-panamboarana eny an-toerana izy ireo.

Lehilahy roa saika hangalatra voninkazo, tratra teny Ankaraoka, fokontany Vo­ne­lina, kaominina Fiom­bonana, Itaosy, afakomaly 27 janorary 2026, tamin’ny 11 ora alina. Efa hitan’ny fokonolona sy ny mponina teny amin’ny manodidina, nihaodihaody teny an-toerana, izy ireo ny atoandro. Nampia­hiahy izany, ka nanara-maso azy ireo ny mponina. Nanao­van’izy ireo tamberina anefa ny trano iray tsy misy mipetraka ny alin’io. Nitsambikina avy eny ambony tamboho izy ireo ary niditra sy nivezivezy tao an-tokotany. Nisy nahatsikaritra izany, ka nampandre ny zandary miasa ao amin’ny zanatobim-patitra Ankadimanga, tobim-paritra Itaosy. Vory lanona haingana ihany koa ny fokonolona vantany vao nahare ny tranga. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ireo manam-pahefana taorian’izay.

Efa nihaodihaody teny an-toerana

Nasaina nivoaka moramora ireo lehilahy roa ireo, rehefa voahodidin’ny zandary miisa valo sy ny fokonolona ny toerana. Raha ny fanazavana voaray, nikasa hangalatra vo­ninkazo tao amin’io tanàna iray io izy roa lahy ireo. Anisan’ izany, ny voninkazo antsoina hoe: «Canne des muets» (dieffenbachia), «Géranium», «Plante araignée» (chloropythum comosum), «Arbre parapluie» ary «Aloe» sy «agave» ary voninkazo madinidinika hafa. Marihina fa trano andalam-panamboarana ity nokasain’izy ireo hangalarana ity. Nahitana simenitra sy bois rond maro tao anatin’io trano io. Heverina ho saika hangalatra ireo fitaovana fanamboarana trano ireo ihany koa izy roa lahy ireo.
Efa miatrika fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny zandarimaria, eny Itaosy moa, izy ireo. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana atao azy ireo.

Mino

Catégories: National

29 janoary 2026

jeu, 01/29/2026 - 09:02

Catégories: National

Tir en l’air du 29 janvier 2026

jeu, 01/29/2026 - 09:01

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 28 01 2026 )

mer, 01/28/2026 - 09:04

Catégories: National

1 000 andro eo amin’ny zaza: Hifanakalo ny zava-misy ireo mpisehatra

mer, 01/28/2026 - 09:03

Mivory mandritra ny hateloana, eny Anosy, ny mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny reny sy zaza tarihin’ny mpi­tsabo manokana ny zaza (So­maped) sy ny fivondronan’ny mpitsabo ny vehivavy (gynécologue) Comago. Ilaina ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana sy ny fomba fiasa ho an’ireo mpikarakara ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Miantoka ny fivoaran’ny zaza eo amin’ny fiainany ny fikarakarana azony nanomboka vao mitsaika hatramin’ny faha-2 taonany (1 000 andro voalohany). Voakasika ao avokoa ny sakafo, ny fahasalamana, ny fitiavana ka tsy tokony hisy atao ambanin-javatra. Mbola marefo ny Mala­gasy ho an’ny 1 000 andro voalohany, raha ny zava-misy no zohina. Misy ny zaza vao te­raka sy ny vehivavy bevohoka tsy ampy vy, betsaka koa ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. 40% ny zaza latsaky ny 5 taona manana olana amin’ny fitomboana.
“Hifankalo ny zava-misy eny am-perinasa ireo mpiantsehatra ahafahana manatsara sy mampiditra ny hita sy ny zavatra banga eo anivon’ny politika nasionalin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza”, hoy ny tale misahana ny fahasalaman’ny fianakaviana eo anivon’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamam-bahoaka, Rajoe­lina Miaritoky Herinan­drainy. “Hi­tondra tombontsoa mivantana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanokanana vola hikarakarana ny 1 000 andro voalohany eo amin’ny zaza ary mila harindra ny asa efa misy amin’izao fotoana izao”, hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, i Christine Jaulmes.

Vonjy

Catégories: National

Ostie : Sokajiana ireo mila fitsaboana maika

mer, 01/28/2026 - 09:03

Ampahafantarin’ny Ostie an’ireo tonga mitsabo tena ao aminy ny fisokajiana ireo marary mila vonjy aina na Cas urgent. Sokajiana ho ao anatin’io sokajy io ny olona iray raha toa ka tsy mahatsiaro tena na misy hafanana 38°5C no mihoatra. Torak’izany koa ireo maratra ka mety hiteraka fahaverezan-dra be loatra. Eo koa ireo olona mifanintona, ireo olona misy fahatapahana ny taolana. Tafiditra anatin’izany koa ireo tra-doza, mety ho voadona ny lohany, tapaka, tsy afa-mihetsika… Ankoatra ireo, ny olona mivalana miampy fana­viana, fanina, aretina an-doha tsy mijanona noho ny antony maro, marary vokatry ny famonoan-tena. Eo koa ireo bevo­hoka kanefa misy ra mandeha na mandoa ra sy mivalan-dra.
Na eo aza ireo tranga ireo, misy hatrany ny tomponan­draikitra manokana eny amin’ireo toeram-pitsaboana miandraikitra ny fahafantarana momba ilay marary raha toa ka misy amin’ireo tranga ireo ilana fitsaboana maika. Mandeha araka ny laharam-pahamehana ara-pitsaboana, araka izany, ny fandraisana ireo marary ho fanavotana aina.

Tatiana A

Catégories: National

Faritra Analamanga : Misokatra amin’ny loko rehetra ny fiaraha-miasa

mer, 01/28/2026 - 09:03

Manan-jara Ivato novangian’ny Lehiben’ny faritra Analamanga, omaly. Nitondra tantsoroka ho an’ny kaominina ny fitsidihana, hisian’ny fampandrosoana haingana.

Nitsidika ny kaominina Ivato ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raha­rinirina Clémence.
Nandamina ny fiaraha-mi­asa tamin’ny kaominina ma­ro­maro tao amin’ny distri­kan’­Am­bohidratrimo izy tamin’izany.
Nambarany fa misokatra ho an’ireo ben’ny Tanàna re­hetra, tsy mifidy loko ary tsy manavaka an’iza na iza ny faritra Analamanga. Manaraka ny fandaminana amin’ireo dingana ataon’ireo mpanao poli­tika amin’ny fanarenana ny firenena isika. “Mandra-pahatongan’izany paikady fanarenana izany, tsy afaka jerena fotsiny ny vahoaka fa tsy main­tsy mitohy ny asa”, hoy izy.
Samy nilaza ny maharary azy, ao amin’ny kaominina misy azy avy, ireo ben’ny Ta­nàna mandrafitra io distrika io. Nanome toky ny Lehiben’ny faritra fa hatao izay azo hiaraha-miasa rehetra ho fampandrosoana ny tanàna sy ny faritra.
Nanolotra fitaovana va­venty sy kamiao ho an’ny kaominina Ivato ny faritra hahafahana mandraoka fako sy mandeha amin’ny lalan-tsarotra itobian’izany. Nanolotra fitaovana hanampiana ny fanavaozana ny kaominina ihany koa ny tenany, toy ny simenitra… Tsy nanadino ireo olona ma­refo, nivatsy vary sy kojakoja ilaina andavandro nozaraina tamin’izy ireo ny tenany.
Tetsy andaniny, niangavy ny fanamboaran-dalana sy fanazavana ny tanàna izay miantoka ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana ny tanàna ny ben’ny Tanàna Randrianarisoa Penjy.
Nilaza ny Lehiben’ny faritra fa manodidina ny 37 mil­iara Ar any ho any raha vinavinaina ny tetibolan’ny faritra amin’ity taona 2026 ity. Be­tsaka ny asa afaka tantera­hina manerana ny kaominina 142 mandrafitra ny faritra.
Efa hiroso ao anatin’ny fanatanterahana ny asa goavana amin’ny fanamboarana lalana sy fampisitrahana rano fisotro madio ny faritra, amin’ izao fotoana.

Tatiana A

Catégories: National

Pages