S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 13 min 1 sec

Ampaha-16-ndalana: ekipa 3 tafita, firenena 3 mangoron-damba

lun, 06/22/2026 - 10:55

Mandroso miadana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny baolina kitra (Mondial 2026). Na tsy mbola nahavita ny andro faharoa aza, ny ankamaroan’ireo sokajy samihafa, fantatra kosa fa efa misy ireo firenena tafita amin’ny dingana manaraka ary ao koa ireo mangorom-damba, na mbola misy ny andro fahatelo izay tsy hampiova na inona na inona intsony.

Mitohy hatrany ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany (Mondial 2026), ta­ranja baolina kitra. Fifanina­na­na tanterahina any Canada sy Mexique ary Etats-Unis. Tao­rian’ny fahavitan’ny andro fa­haroa, natao ny sabotsy lasa teo firenena telo no nahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana ampaha-16-ndalana. Ani­san’izany ireo mpampiantrano roa dia i Mexique ho an’ny vondrona “A“ sy Etats-Unis ny vondrona “D”. Samy nahazo fandresena roa avy izy ireo ka manana isa 6. Ankoatra izay, manohy ny diany ihany koa ny Mannschaft-n’i Allemagne ho an’ny sokajy “E”, izay nahazo isa 6 ihany koa. Allemagne, nandresy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa 2 no ho 1, omaly. Fihaonana, tena nandrasan’ny rehetra. Nitarika tamin’ny isa 1 ny ivoarianina, baolina matin’i Kessié, minitra faha-35. Avy eo nosahalain’i Deniz Undav, minitra faha-68 sy 90 + 4. Hiankina amin’ny lalao farany hikatrohany amin’i Curaçao ny hahatafita na tsia ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.
Ankoatra izay, firenena telo ihany koa no efa mangorom-damba fa tsy tafakatra intsony. Anisan’izany, i Tuni­sie ao amin’ ny sokajy “F”, izay nomontsanin’i Japon, tamin’ny isa 4 no ho 0, omaly. Tsy na­havita na­narina ny fahavoazan’ity ekipa ity, i Hervé Renard izay nantsoina hitondra azy, tamin’ny fo­toana farany. Eo koa i Haiti ho an’ny vondrona “C” ary i Tur­quie ho an’ny sokajy “D”. Samy resy indroa avy ireo ekipa ireo ary tsy mbola manana isa.

Tompondaka

Catégories: National

« Fetin’ny mozika »: Nampiaina gadona maroloko

lun, 06/22/2026 - 10:51

Efa tafapetraka eto Mada­ga­sikara ny fankalazana. Na fety vahiny aza no niatombohany, efa aman-taonany maro izao no nankalaza ny «Fetin’ny Mo­zika» isaky ny 21 jona isika. Tsara fitontona rahateo, satria nianjera tamin’ny faran’ny herinandro ny fankazalana tamin’ity, ka nanan-tsafidy maro ireo mpankafy mozika. Mozika ma­rolafy, gadona maroloko ary tena nanasongadina ilay fivelarana eo amin’ny zavakanto amin’ny ankapobeny sy ny mozika manokana izany.
Anisan’ny nanomboka ny fankalazana teto ary manohy izany isan-taona ireo ivontoerana frantsay toy ny IFM Anala­kely sy ny sampan’ny Alliances françaises rehetra manerana ny Nosy. Nipetraka ilay lalan-tsaina itovian’ny «Fetin’ny mozika» maneran-tany : seho maimaimpoana, hanehoana karazana mozika, mpanakanto efa ma­laza na tsia fa vonona hizara ny kantony.
Ny sabotsy 20 jona dia efa nanokatra ny fankalazana ny tetsy anoloan’ny Lapan’ny ta­nànan’Antananarivo. Nampidi­tra ny seho ireo mpanao «cir­que» sy mpanao dihy vakodrazana. Nifandimby avy eo ireo tarika mpihira, toy ny Mbaoe, izay nitondra mozika mifangaro, mety vaovao amin’ny ankamaroan’ireo mpijery kanefa dia voaray tsara. Efa fanta-daza kosa ry Skaiz sy Denise nanohy izany. Efa sady tafiditra anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena rahateo, ka nitohy omaly ny seho teo Analakely.

Zo ny Aina

Catégories: National

« STAR Tour Tanà 2026 »: 3 andro rakotra mpifety ny Coliseum

lun, 06/22/2026 - 10:47

Tsy sakana ny andro nangatsiaka. Vao mainka nafana aza ny 3 andro, niarahan’ny mozika, kilalao, fanentanana isan-karazany.

Fetim-pianakaviana. Izay no tena nezahana na­songadina tamin’ny «Star Tour Tanà». Na izany aza, tsy lavina fa tonga maro noho ny fiarahan’ny fampisehoana, ny fanentanana isan-karazany fa indrindra ny zava-pisotro amin’ny toerana iray ireo tonga nameno ny tokotany ambonin’ny Coliseum, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka ny tolakandron’ny zoma lasa teo no nanomboka tonga tsikelikely ireo mpifety. Mety nahasarika voalohany ny fampisehoan’i Lion Hill sy L Jo, satria tanora kokoa no betsaka tamin’io alina voalohany io. Nanana ora iray sy sasany avy ireto mpanakanto ireto nizarana ireo hirany malaza indrindra.
Tsy azo lavina kosa fa ny tarika Rossy no tena be mpiandry indrindra tamin’ity andiany ity. Porofon’izany, ve­tivety dia tsy nisy nodiavina ny toerana tamin’ny andro faharoa, ny sabotsy. Samy naneho ny hafaliany, na i Rossy izay tafaverina indray nanafana ny fety, raha toa ka anisan’ireo na­nomboka ny «THB Tour» tamin’izany fo­toana. Hadino­dinon’ireo mpijery ny fahataran’ny seho vo­katry ny fahataran’ny tarika Mad Max izay nialoha an’i Rossy, noho izay.
Namarana ny seho lehibe tamin’ny «Star Tour Tanà» ta­min’ity i Naël sy Stéphanie. Araka ny nandrasan’ny mpankafy avokoa ny seho, nialohavan’ireo fanentanan’i Bahrone sy Eric Fou Hehy hatrany. Any Mahajanga indray ny «Star Tour» manaraka, ny volana aogositra izao.

Zo ny Aina

Catégories: National

Fandaharanasa: Défis Mahatratra 13 500 ha ny lemaka voajary

lun, 06/22/2026 - 10:45

Nanomboka ny taona 2018 ny fandaharanasa Défis, ary ny taona 2024 ny andiany faharoa, Défis+, izay hifarana amin’ny taona 2030. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA). Mitentina 150,8 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, ka avy amin’ny FIDA ny 97 tapitrisa dolara, raha 53,9 tapitrisa dolara avy amin’ny Tahirimbola maitso ho an’ny toetr’andro (FVC).
Nisy ny tombana amin’izao fisasahan’ny fanatanterahana azy izao. Hita sy azo refesina ny zava-bita sy ny fiovana tao anatin’izay 8 taona nisiany izay. Mahatratra 205 700 ny to­kantrano mpamokatra nisitraka ny asa sy ny tohana. Nomena lanja ny vehivavy sy ny tanora, manana anjara-toerana lehibe amin’ny fanovana sy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Nisy ny tohodrano natsangana, manondraka velaran-tany mitotaly 13 500 ha, hanatsarana ny fambolena.
Tanjona, ny hanohanana mivantana tantsaha madinika, manodidina ny 500 000, sy tohana tsy mivantana ho an’ny olona 3,5 tapitrisa eny ambanivohitra. Faritra enina (Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Ihorombe, Atsimo Atsinanana).

Njaka A.

Catégories: National

Hasina Youth Bootcamp: manova ny hevitra ho lasa tetikasa maharitra

lun, 06/22/2026 - 10:43

Vonona hanohana ny ta­nora mandraharaha eo amin’ny sehatry ny Kolontsaina sy ny famoronana (ICC) ny Zafy Tody sy NextA amin’ny alalan’ny fandaharanasa «Hasina Youth Bootcamp». Hetsika hatao ny 8-11 jolay eny amin’ny Cité des Cultures, Antani­na­re­nina. Kendrena ny hanofanana tanora miisa 30 ka aha­fahan’izy ireo manova he­vitra ho lasa tetikasa maha­ritra izay fanoitra amin’ny fa­moronan’asa sy hampandrosoana ny toekarena. Ken­dre­na ma­­nokana ny sehatry la­maody, ny hosodoko, ny asa tanana, ny horonantsary, fa­kan-tsary sns. “Amin’ny maha-incubateur dia nitsiry ny hevitra hanomezana fiofanana ny tanora mba hananan’izy ireo orinasa maharitra”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Zafy Tody, Razana­dam­bo Nantenaina. Hifantoka amin’ny fototra iorenan’ny fandraharahana ny fiofanana. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fomba fitantanana ny orinasa, ny fa­metrahana ny marika, fanolorana tetikasa sns.

Tohana
Hojerena mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika ny sanda fanampin’ilay tetikasa. Ao anatin’izany ny vokatra sy ny tolotra ataony. Hisitraka to­hana avy amin’ny Zafy Tody mandritra ny enim-bolana kosa ireo tetikasa telo mendrika in­drindra, raha ny fanazavana ha­trany. Marihina fa maimaimpoana ny fandraisana ny atontan-taratasin’ireo tanora maniry hisitraka ny fiofanana. Mbola hi­tohy hatramin’ny 27 jona izany.

Henintsoa

Catégories: National

FOCUS VONJY CONSERVATEUR DE DISQUES VINYLES

sam, 06/20/2026 - 17:21

Catégories: National

Baolina kitra –1/8 Yas Coupe 2026: Mbola hihaona indray ny Ajesaia sy ny Disciples FC

sam, 06/20/2026 - 08:21

Efa fantatra avokoa ireo ekipa mpifanandrina mandritra ny ampahavalon-dalan’ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe », taorian’ny antsapaka nataon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) tao amin’ny pejiny, omaly.

Mbola hihaona indray eo amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ta­ranja baolina kitra, «Yas Cou­pe 2026», ny Ajesaia Bongo­lava sy ny Disciples FC Vaki­nankaratra. Tsiahivina fa ireto ekipa roa ireto izay efa mifankafantatra tsara, indrindra ao amin’ny fifaninanam-pirenena PFL.
Hiady ny tapakilan’ ny famaranana, anio, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, moa ny klioba roa tonta. Mbola manala vela amin’ity fihaonana ity ny Disciples FC, resin’ny Ajesaia, 1 no ho 0, nandritra ny manasa-dalana mandroso.
Araka ny fanazavana azo ta­min’ny tomponandraikitry ny fifaninanana omaly, hatao ma­nomboka ny 5 jolay ho avy izao ny ampahavalon-dalana ary ny Ajesaia no voatsapaka hampi­antrano amin’ity fihaonana ity.
Tsy maintsy hifarana eo amin’ny ampahavalon-dalana izany ny dian’izay resy amin’ny Ajesaia sy ny Disciples FC. Ampahafantarina ihany fa ny ampahefa-dalan’ity Yas Cou­pe ity dia hatao ny 12 jolay ho avy izao, ary mbola hisy ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’izany. Ho enjehina mialoha ny 20 jolay kosa ny hanaovana ny manasa-dalana sy ny famaranana.
Ankoatra izay, ny ekipa avy atsy Vakinankaratra AS Valahara hifandona amin’ny klioban’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany.

Fitia Randria

Ireo mpifanandrina amin’ity Yas Coupe 2026 ity :

Cosfa vs AS PTT
FC Rouge vs Antimo Record
Uscafoot vs AFCA
Ajesaia vs Disciples FC
Babangy FC vs CFFA
Elgeco Plus vs AS Valahara
Wagner FC vs Fosa Juniors
AS Ste Anne vs Clinique Zanatany

Catégories: National

Ekipa afrikanina : Côte d’Ivoire sy i Ghana ihany no hany nahazo fandresena

sam, 06/20/2026 - 08:21

Eo ho eo ny vokatra azon’ireo ekipa afrikanina miisa 10 miatrika ny “Mondial 2026”. Ireo firenena efa kalaza no mihitsoka nandritra ny andro voalohany. Kely fa manahirana ireo “Goliata” eoropeanina kosa ry zalahy vao sambany miatrika ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity.

Sady tsy ratsy no tsy tsara ny vokatra azon’ireo ekipa afrikanina any Canada sy i Mexique ary Etats-Unis eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra. Hatreto, tsy misy afa-tsy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Kintana maintin’i Ghana no hany nahazo fandresena, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona. Ekipa efatra, nanao ady sahala dia ny Lions de l’Atlas, Maroc; ny Faraonan’i Egypte; ny Leopards RD Con­go ary ny Les Requins Bleus, Cap-Vert. Faharesena kosa ny an’i Tunisie sy Algerie, Sé­négal ary ny Bafana Bafana an’i Afrika Atsimo. Saingy ity farany, teo amin’ny andro faharoa notanterahina ny alakamisy lasa teo vao nahavita sahala.
Hatreto, tsy mbola misy mihintsana ireo solontena afrikanina ireo. Hiankina betsaka amin’ny andro faharoa avokoa vao ho fantatra ny ho tohin’ny dian’ny tsirairay. Na izany aza, tsara toerana ireo nanao ady sahala sy nahazo fandresena ary ambony ny herijikany.
Mandra-piandry izany, firenena voalohany tafita amin’ny ampaheninambinifolon-dalana i Mexique, ho an’ny vondrona “A”, rehefa nandresy an’i Corée Atsimo, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny alakamisy lasa teo, tao Guada­lajara.
Raha ny antontanisa, eki­pa tsara filalao ny afrikanina. Mbola ny mpilalaon-dry zareo Bafana Bafana ihany no hany nahazo karatra mavo sy mena.

Tompondaka

Catégories: National

Fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa: Nahazo fotodrafitrasa vaovao ny ESIA

sam, 06/20/2026 - 08:19

«Nifindra toerana eny Ambohidroa, Andranomena ny Ivontoerana mikarakara ny fahasalaman’ny mpiasa ESIA, hahafahana manatratra ny tanjona hanakaiky kokoa ny mpikambana ka tsy hanahirana ny mpiasa ao amin’ny orinasa ny hanatona ny fitsaboana», hoy ny mpitsabo mpandrindra ny ivontoerana, Rabetsoa Eddy, omaly. Eo koa ny fanatsarana, hanomezana tolotra mifanandrify amin’ny filan’ny mpikambana momba ny fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa.
Voafaritry ny lalàna malagasy fa adidin’ny mpampiasa ny misoratra anarana amin’ny sehatra fahasalamana ho an’ny mpiasa fa tsy safidy. Misy ireo tsy mbola miditra noho ny antony samihafa. 5% amin’ny karaman’ny mpiasa ny latsakemboka ho an’ny orinasa raha 1% ho an’ny mpiasa izay heverina fa tsy lafo velively, araka ny fanazavana. Tsy fanomezan-danja ny fahasalaman’ny mpiasa ny tsy firosoana amin’izany ary mbola mila fanentanana ny eny anivon’ny orinasa maro.
«Mandray olona 25 isan’andro eo ho eo ny ivontoerana, arakaraka ny vanim-potoana. 20 taona nikarakarana ny mpiasa ny ivontoerana izay manana orinasa mpikambana 400 eo ho eo», hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Randriamananandro Hervé. Mitsabo ny aretina ankapobeny sy mitsabo ny aretin’ny mpiasa miaraka amin’ny fizaham-pahasalama manokana ny ivontoerana telo, eo koa ny fitsaboana nify. Manana laboratoara mpiara-miasa izy ireo.

Vonjy

Catégories: National

INDRAY MIJERY

sam, 06/20/2026 - 08:19

Araka ny didim-pitondrana laharana faha-195/mid/pref.pol.tana/osp.26 navoakan’ny prefektioran’ny polisy Antananarivo, ny 12 jona 2026, dia voarara tanteraka ny fampiasana tsipoapoaka sy « laser » rehetra. Toy izany koa, ny fanaovana na filalaovana fitaovana hafa mitovy endrika amin’ireo, indrindra eny Ivato izay manelingelina ireo mpanamory fiaramanidina. Ny fandikana ny fepetra voalazan’ity didim-pitondrana ity dia sazian’ny didy aman-dalàna manan-kery sy ireo sazy hafa ara-panjakana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Mivoaka tsikelikely ny voka-panadinana CEPE amin’ireo Cisco sasantsasany. Ho an’ny Cisco Manjakandriana, nahatratra 91,28% ny voka-panadinana. Cisco Iakora: 73,51%, Cisco Morafenobe: 92, 24%, Cisco Manjakandriana : 91,28%, Cisco Bene­nitra: 77,74%, Cisco Ambatolampy: 87,06%

Catégories: National

Madagascar National Parks : Hamaritra lova ho an’ny taranaka ny 35 taona hoavy

sam, 06/20/2026 - 08:19

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, tetsy Anko­rondrano, ny fankalazana manetriketrika ny faha-35 taonan’ny Madagacar National Parks (MNP) izay notronin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarison Mamitiana….
“Fanorenana ny 35 taona lasa, famaritana ny lova ho an’ ny taranaka kosa ny 35 taona manaraka manomboka eto”, hoy ny tale jeneralin’ny MNP, Rakotoarisoa Ony.
MNP manakaiky kokoa ny vahoaka, manampy amin’ny fampandrosoana ary mampifandray ny natiora sy ny fiainana andavanandro no tanjona.
Mitahiry ireo ala mikitroka, tendrombohitra sy hantsana miavaka, ny haran-dranomasina sy ny tontolo voanjahary ary ireo karazam-biby sy zavamaniry tsy fahita afa-tsy ety Madagasikara ireo valanjavaboahary 49 tantanany, ao anatin’ny velaran-tany 3,3 tapitrisa ha. Faritra arovana vaovao miisa 6 no nampidirina ho fanohanana ny ezaka maneran-tany amin’ny fiarovana ny zavamananaina sy ny tontolo iainana.
Misy andraikitra lehibe sy iraka ary asa atao hahafahan’ireo harena ireo mijoro sy ma­haritra. «Fa teo indrindra ny MNP izay nijoro nandritra ny 35 taona nitondra izany an­draikitra izany tamim-paharetana sy tamim-pahatokisana», hoy hatrany ny tale jeneraly.
Mitantana ny tambajotran’ireo toerana arovana lehibe indrindra eto Madagasikara ny MNP. Nandritra ny taona maro, niatrika karazana fa­namby navaivay. Noho ny ezaka nifarimbonana anefa, voatazona ho ambany ny tahan’ny fahasimban’ny ala tamin’ireo valanjavaboahary tantanan’ny Madagascar National Parks.

Tatiana A

Catégories: National

Madagascar – Japon: remise de certificat de mérite à Voahary Rakotovelomanantsoa et Aubert Robinirana,

sam, 06/20/2026 - 08:08

L’ambassadeur du Japon à Madagascar, Tojima Hitochi, vient de décerner le certificat de mérite à deux Malgaches dont Voahary Rakotovelomanantsoa, présidente de l’As­sociation des Anciens et Amis du Japon à Madagascar (AAAJM), ainsi qu’à son secrétaire général, Aubert Robinirana, hier à la Résidence du Japon.
« Cette haute distinction témoigne de la reconnaissance solennelle envers des personnalités dont le dévouement et les actions ont grandement œuvré à la promotion de la compréhension mutuelle, de l’amitié et de la coopération bilatérale entre le Japon et la République de Madagascar », a déclaré Tojima Hitochi.
À la tête de l’AAAJM depuis 2023, Voahary Rakotovelomanantsoa s’est illustrée par son engagement en faveur du développement des relations bilatérales. Sous sa présidence, l’AAAJM a notamment obtenu le prestigieux Prix du ministre des Affaires étrangères du Japon en octobre 2023. Elle a également participé à la co-organisation du Salon du Japon en 2025, un événement ayant réuni des représentants des ministères malgaches, des entreprises locales et des institutions japonaises.
« A travers mes nombreuses collaborations avec le Japon, j’ai pu mesurer l’engagement constant du Japon en faveur d’un développement durable fondé sur la confiance et le respect mutuel », a souligné Voahary Rakotovelo­ma­nantsoa.
De son côté, Aubert Robinirana entretient des relations privilégiées avec le Japon depuis plus de quarante ans. Dès 1985, il a collaboré avec des experts japonais dans le cadre du Projet d’alimentation en eau dans le Sud de Madagascar, en qualité d’homologue du Geological Survey of Japan. Membre fondateur de l’AAAJM en 1986, il assure avec constance les fonctions de secrétaire général de l’association depuis 2009. Son engagement a permis d’assurer la continuité des activités de l’organisation et de consolider durablement les relations entre les deux pays.

Jean Riana

Catégories: National

Innovation numérique: Orange Digital Center installé dans le campus universitaire d’Antsiranana

sam, 06/20/2026 - 08:08

Un nouveau signal est passé au vert pour les jeunes. Au cœur du campus universitaire d’Antsiranana, un espace dédié à l’innovation numérique, plus précisément un Orange Digital Center, vient d’être mis en service avec une ambition simple : donner aux talents locaux les moyens de passer du stade de l’idée à celui de la réalisation.
Inauguré officiellement hier, cet espace permet aux jeunes du Nord de disposer d’une plateforme pour coder leurs projets, concrétiser leurs idées et ouvrir de nouvelles perspectives d’avenir. L’objectif est de transformer la curiosité en compétences et les projets en opportunités concrètes.

Miser sur une approche pratique
Entre apprentissage du code, fabrication de prototypes, accompagnement entrepreneurial et accès à un réseau d’experts, les jeunes peuvent désormais évoluer dans un environnement conçu pour stimuler l’innovation.
Au-delà de l’acquisition de compétences techniques, l’enjeu est aussi de favoriser l’émergence d’une nouvelle génération capable de ré­pondre aux défis locaux grâce aux outils numériques. Car derrière chaque application, chaque prototype ou chaque start-up, il y a souvent une solution à un problème bien réel.
« A travers le déploiement progressif des Orange Digital Center dans les régions, Orange réaffirme son engagement aux côtés des étudiants et des jeunes, pour les accompagner durablement dans leurs parcours, leurs projets et leurs ambitions », souligne Ami­nata Ndiaye, directrice générale d’Orange Madagascar.
Notons qu’après Antana­narivo et Fianarantsoa, An­tsi­ranana rejoint à son tour le réseau des villes où les jeunes peuvent se former, innover et entreprendre sans quitter leur région. Depuis le lancement du premier Orange Digital Center à Madagascar en 2021, plus de 12.000 jeunes ont déjà bénéficié des programmes proposés à travers le pays.

Fahranarison

Catégories: National

CCIA: l’IA transforme le monde du travail

sam, 06/20/2026 - 08:07

L’Intelligence artificielle (IA) transforme en profondeur le monde du travail, pas seulement à l’échelle internationale, mais également nationale. Et Mada­gascar n’échappe pas à ce vent de changement.
« Nombreuses personnes perdent leur emploi à cause de l’IA ; En effet, environ 30 à 40% des postes sont en perdition au cours des deux dernières années », a déclaré Gil Razafintsalama, président de la Chambre de commerce et d’industrie d’Antanana­rivo (CCIA) au cours d’une con­férence sur l’e-commerce, l’IA et la création de valeur, hier à Antanina­renina, sous le parrainage du ministère du Commerce et de la consommation (MinCC) et en partenariat avec le Grou­pement des opérateurs en technologies de l’information et de la communication (Goticom).
Et tous les participants sont unanimes pour dire qu’il faut s’adapter à l’I0A, pour augmenter la compétitivité du pays. Cette conférence a d’ailleurs pour objectif de lancer une réflexion stratégique et un dialogue multipartite sur les contributions du commerce électronique et de l’IA à la création de valeur ajoutée, à la compétitivité des entreprises et au développement économique durable.
La directrice générale du commerce extérieur au sein du MinCC, Tiava Rajonson, a tenu à souligner que les concurrents de la Grande Ile utilisent d’ores et déjà l’IA en réalisant des analyses de données, à travers les informations récoltées pour adapter leurs stratégies commerciales en conséquence.
« Il reste encore de nombreuses formations à réaliser afin de pouvoir utiliser l’intelligence artificielle pour développer le secteur du commerce intérieur et extérieur dans notre pays », a-t-elle indique, tout en ajoutant que l’IA devient aujourd’hui un facteur clé de compétitivité, en automatisant certaines tâ­ches, en améliorant l’analyse des données et en optimisant la prise de décision dans de nombreux secteurs.

Jean Riana

Catégories: National

Études, bourses et carrières: le Japon se rapproche des étudiants malgaches

sam, 06/20/2026 - 08:07

L’Université d’Antananarivo, à travers la Faculté des Lettres et Sciences Humaines (FLSH) et son département Anglais-Japonais, a organisé hier l’événement « Japan Experience Sharing » à Ambatobe, en partenariat avec Sumitomo Corporation Antananarivo Office. Cette rencontre visait à mieux faire connaître les opportunités d’études, de bourses et de carrières offertes par le Japon aux étudiants malgaches.

L’événement a réuni étu­diants, volontaires japonais et anciens boursiers ayant étudié ou travaillé au Japon. À travers des échanges en petits groupes, les participants ont pu discuter des parcours universitaires, des débouchés professionnels ainsi que des compétences attendues par les entreprises japonaises.
Selon Solofoniaina Rako­to­manana, enseignant-chercheur et responsable du parcours Anglais-Japonais à la FLSH, Sumitomo Corpo­ra­tion soutient le parcours depuis 2016. « Outre les bourses attribuées aux étudiants, les diplômés récents ont également été invités à partager leurs expériences lors de cette rencontre », a-t-il expliqué.
Il a précisé que le département accueille chaque année une quarantaine d’étudiants en première année du parcours Anglais-Japo­nais, contre une vingtaine pour le parcours Malagasy-Japonais. « Nous disposons encore de peu d’enseignants et, pour l’instant, nous ne formons les étudiants qu’au niveau de la licence. Ils doivent ensuite chercher des bourses externes pour poursuivre leurs études », a-t-il ajouté.

Témoignages
« L’environnement d’études au Japon ? est excellent. J’y ai acquis de nombreuses expériences. Madagascar et le Japon ont beaucoup à partager », a fait savoir Manarivo Joseph, ancien étudiant à Ankatso et double boursier au Japon.
Même constat pour Ilaina Famenosoa, ingénieure ma­ri­time. Après sept ans et demi d’études au Japon, elle travaille aujourd’hui à Madagascar sur le projet d’extension du port de Toamasina. « Mon parcours au Japon m’a permis de développer des compétences solides que je peux aujourd’hui mettre au service du pays », a-t-elle avancé.

Arh.

Catégories: National

Digitalisation des services d’immatriculation: le ministère de l’Intérieur lance « iSAVa »

sam, 06/20/2026 - 08:06

Après une phase pilote réussie à Fianarantsoa, pour encourager le public à adopter des services numériques, le ministère de l’Intérieur et de la décentralisation (MID), à travers le Centre Immatri­culateur de Madagascar (CIM), a procédé hier à l’hôtel Colbert Antaninarenina, au lancement officiel de la plateforme « Informations sur la situation administrative des véhicules ou iSAVa ».
Réalisé en collaboration avec l’Unité de gouvernance digitale (UGD) avec l’appui du Projet « Prodigy » qui est financé par la Banque mondiale (BM), cet outil numérique permet d’accéder facilement aux informations administratives relatives à un véhicule se trouvant dans tout le territoire national.
« iSAVa permet, non seulement d’améliorer la gestion administrative, mais cet outil numérique intervient également dans la lutte contre la corruption et l’insécurité », a fait savoir le directeur de cabinet du MID, Célestin Rasolo­maholy Rakoto­zanany, lors d’un point de presse, en marge de cette cérémonie de lancement.
L’application fournit divers renseignements sur le véhicule, par exemple si celui-ci fait l’objet d’une garantie bancaire, ou encore s’ill a été impliqué dans une infraction pénale quelconque.
«Avant de procéder à un achat quelconque d’une voiture, n’oubliez pas de consulter iSAVa pour connaître sa situation administrative», a conseillé de son côté le directeur d’appui et de coordination du CIM au sein du MID, Mieja Andriamparanony qui, au passage, a souligné l’accès facile d’un utilisateur du web, à un service plus transparent, plus rapide et plus sécurisé sur les informations concernant une voiture à Madagas­car.
Dans la foulée, le MID estime que cet outil va atteindre plus de 76.730 utilisateurs actifs d’ici la fin de ce mois de juin. Renforçant ainsi la confiance du public dans les solutions numériques développées par l’Etat.
Par ailleurs, selon les in­formations recueillies sur place, sur les quelque 600.000 véhicules circulant dans tout Madagascar et immatriculés auprès du CIM, environ 100.000 sont encore à inclure auprès de l’iSAVa, avec une fréquence de 25.000 nouveaux véhicules enregistrés par an à Madagascar.

Sera R.

Catégories: National

Fetim-pirenena  : Sehatra ho an’ny kanto marolafy ny etsy Mahamasina

ven, 06/19/2026 - 09:11

« Podium », sehatra ho an’ny mozika no nahafantarana ny etsy amin’ny Kianja Mahamasina hatrizay, Niova kely kosa ny amin’ity. Natao ho sehatra ho an’ny kolontsaina marolafy, izay noraisin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina (Ofnac) an-tanana. « Novela­rina mba homen-danja avokoa ny seha-kanto izay azo hasongadina: teatira, poezia, sokitra, hosodoko, saripika, graphic design, sns. Eo koa ireo kilalao malagasy izay ampiainana ny ankizy ankehitriny, izay misy eo Maha­masina ary hotohizana eo amin’ny Havoria Anosy, ny 24 sy 25 jona. Andraikitry ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ny mampiakatra ambony ny kolontsaina malagasy amin’ny endriny rehetra, indrindra amin’ny fotoana toy izao », hoy ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Ofnac, Rabekoto Christian.
Na izany aza, mijanona ho seha-kanto be mpankafy ny mozika, ka mpanakanto maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no hanafana ny « podium » rehetra. Tamin’ny herinandro, efa niaka-tsehatra tao Maha­masina ry Mage 4. Hitohy anio izany, ka ny vovonan’ireo mpanao vakisaova eto Anta­nanarivo no hifarimbona, arahin’ny tarika Lija. Rahampitso kosa ny tarika Magneva sy ny tarika Lego.
Ankoatra ny kerimesin’ny miaramila, hisy ny « podium » lehibe iray hafa eny Anosy, ny 25 jona. Hifandimby eo ry Ndondolah, Mijah, Njakatiana, Samoëla, sns, mialoha ny hipoahan’ny afomanga mahazatra. Ao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina kosa ny goavana indrindra, ny harivan’ny 26 jona, aorian’ny matso lehibe fanaon’ny Tafika, ny maraina.

Zo ny Aina

Catégories: National

Garage Mozika Ultimate Show : Hiray sehatra ry Iraimbilanja, Mage 4, Rheg The Gang

ven, 06/19/2026 - 09:11

Tafaraka ireo tarika andrarezin’ny mozika rock. Ho fanamarihana ny faha-5 taona nisian’ny Garage Mozika. Ho an’ny firaisankinan’ny rock eto amin’ny tanàna. Hisy ny fampisehoana lehibe nampitondraina ny anarana « Garage Mozika Ultimate show » hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina (Parvis 1), ny alahady 5 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
Hanafana ny sehatra ny tarika Iraimbilanja, Mage 4 ary Rheg The Gang. Anisan’ny nisafidianana azy ireo ny traikefa ananany, satria, efa nandia ny 20 taona mahery avokoa izy ireo, raha ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny RN Event izay anisan’ny mikarakara ny hetsika. Hiditra voalohany ny tarika Iraimbilanja. Arahin’ny Rheg The Gang. Tohizan’ny tarika Mage 4 avy eo. Hisy ny fampiaraham-peo eo amin’ireo tarika telo ireo. Hisy ihany koa ny hiran’ny Rheg The Gang hohirain’ny tarika Mage 4. Ny hiran’ny Tarika Iraimbilanja hohirain’ny Rheg The Gang, sns.
Nambaran’ny mpikarakara fa andiany voalohany ity seho lehibe ity fa mbola hisy ny ho tohiny. Tsy voatery ho rock ihany fa hifandimby ny karazan-gadona samihafa. Raha tsy tratra amin’ity taona ity. Amin’ny taona 2027, hahazo ny anjarany ny any amin’ny faritany.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Baolina kitra Vakinankaratra  : Tompondaka ny Gendarmerie Nationale FC

ven, 06/19/2026 - 09:10

Tontosa ny alahady 14 jona lasa teo, tao amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe, ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’ny ligin’i Vaki­nankaratra D1, taranja baolina kitra. Voahosotra ho tompondaka ny Gendarmerie Natio­nale FC, rehefa nandresy ny FC Valahara, tamin’ny isa mazava, 4 no ho 0. Nanjaka ny fahaiza-manaon’ireo mpilalaon’ny zandary. Satria, teo am-pialantsasatra dia efa nitarika tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo. Niezaka nanohitra ny FC Valahara teo amin’ny tapa-potoana faharoa, saingy tsy tafavoaka fa mbola ny GNFC indray aza no nanampy baolina roa ka nahatonga ny isa ho 4. Tsiahivina fa ny 8 novambra 2025, nanombohan’ny fifaninanana, klioba 16 no nifanandrina tamin’izany. Tan­jona ny hahatafidirana ekipa iray indray ankoatra ny Dis­ciples FC hifaninana ao anatin’ny “Pureplay football league (PFL)”, amin’ny taom-pilalaovana manaraka, ho an’ny kaonferansy atsimo, araka ny nambaran’i Fidy Andriantom­ponera, filohan’ny ligin’i Vaki­nankaratra. Nanatrika ny lalao ny jeneraly kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, izay nilaza fa hanaraka ny dian’ny GNBC (basikety) sy ny GNVC (volley) ny GNFC (baolina kitra). Hisy ny fanatsarana ny rafitra sy ny fitantanana ary ny handraisana mpilalao vaovao hanatevina ny efa eo.

Fitia Randria

Catégories: National

Kianja Kanto Antsararay : Nahazo kianja basikety ny boriborintany faha-6

ven, 06/19/2026 - 09:10

Nahazo kianja filalaovana basikety ny mponina eny amin’ny boroborintany faha-6. Vita ary notokanana ny alarobia lasa teo ny toerana nomena ny anarana hoe kianja Kanto Antsararay.

Tetikasa tafiditra ao anatin’ny “Pepinière urbaine” an’Antananarivo Reni­vohitra, nentin’ny Gret hiarahana amin’ny Kaominina An­tananarivo Renivohitra ary tohanan’ny AFD (Agence française de développement) ity tetikasa ity. Tsy toerana fanaovana fanatanjahantena ihany fa ahitana fialamboly sy fanasan-damba ihany koa. Mamaly ny filan’ny mponina ny tetikasa rehefa nisy ny fanadihadiana natao tamin’ny fokonolona teny an-toerana,  araka ny fanazavan’ny tompon-kevitra.  Ny fokontany sy ny fikambanana Tsaravoatra kosa no nomena alalana hanohy ny fikolokoloina sy hitantana ity kianja Kanto Antsararay ity, manomboka izao. Misokatra ho an’ny rehetra ny kianja ary tsy hisy ny fanavakavahana. Tetsy ankilany,  nitondra fanazavana ny filohan’ny seksionina Anta­nanarivo Renivohitra,  taranja basikety,  Andrianantenaina Jean Félix,  izay anisan’ny angady nananana izao fotodrafitrasa izao. Nambarany fa anisan’ny nakàna hevitra ny tenany tany amin’ny volana septambra tany. Zava-dehibe,  hoy izy,  ny fananana fotodrafitrasa toy izao satria hampitombo isa ireo ankizy sy tanora hilalao ny taranja basikety ka hahafahana mitily ireo taninketsa. Hampirisihana ihany koa ny tanora tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina. Tonga nanotrona ny lanonana fitokanana,  ny PDS eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra,  Ralambo­mana­na Fenoherintsoa, izay na­nambara ny maha zava-dehibe izao fotodrafitrasa izao ihany koa.

Mi.Raz

Catégories: National

Pages