S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 2 heures 1 min

Nanao voyage d’études : Tovovavy mpianatry ny lycée namoy ny ainy

mar, 06/10/2025 - 07:27

Tovovavy 17 taona tamin’ireo mpianatra avy etsy Sabotsy Namehana nikasa hanao voyage d’études, namoy ny ainy teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly. Nisy naratra ireo namany.

Tra-doza ny fiara nitondra mpianatra ka niteraka fahafatesan’olona iray teny amin’ny RN2, PK 89 +500, teo amin’ny fokontany Ankarefo, kaominina Anosibe Ifody, distrikan’i Moramanga, omaly. Nitondra mpianatra niala avy eto Antananarivo ny fiara Sp­rinter iray. “Nikasa hanao “voyage d’études” any Feno­arivo Atsinanana ireo mpianatra ireo”, hoy ny fanaza­van’ny zandary kaomandin’ ny vondron-tobim-paritra Mo­ra­manga. Nisongona fia­ra tsy mataho-dalana tampoka io fiara io kinanjo tsy nahafehy ny familiana ny mpamily. Nifatratra tany amin’ny sisin’ arabe sady nivadika av yeo ilay fiara. Nitera-doza satria voatsindry ny telo tamin’ireo mpianatra. Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ny iray noho ny dona mafy nahazo azy. Namoy ny ainy izy. 17 taona io maty nandritra ny loza io, araka ny angom-baovao. Naratra mafy ny namany iray hafa.
18 ireo mpianatra
Araka ny loharanom-baovao, miisa 18 ireo mpianatra tao anatin’ny fiara niharan-doza. “Naratra ny iray ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy”, hoy ny fanamafisan’ny tomponandraikitra. Ankoatra ilay tovovavy vao herotrerony nindaosin’ny fahafate­sana, tsy misy nahiana ny ain’ireo mpiray sekoly aminy. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny fifamovoi­zana teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny manam-pahefana. Naiditra ambalampamonjana ny fiara nitera-doza. Naverina nody eny anivon’ny ray aman-dreniny taorian’ny loza ireo mpianatra. Tsiahivina, niseholany ny loza tampoka nihatra ta­min’ny mpianatra mpanao voyage d’études tamin’ity taona 2025 ity. Miaina anaty tebiteby fatratra ny ankamaroan’ny ray aman-dreny re­hefa tojo io dingana lalovan-janany eo anivon’ny sekoly io.

Tsiferana R.

Catégories: National

CAFE AMBULANT

sam, 06/07/2025 - 17:46

Catégories: National

Filohan’ny Antenimierampirenena: “Hanatsarana ny asan’ny parlemanta ny IA”

sam, 06/07/2025 - 08:46

Nifarana afakomaly, tatsy Zimbaboe, ny atrikasa «Fam­piasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA)», ho fampivoarana ny fizotran’ny asan’ny parlemanta. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierampire­nena, Tokely Justin.
Nasongadiny tamin’izany fa hojerena ny fomba mahomby sy hanatrarana ny tanjona eo anivon’ny SADC amin’ny traikefa, fanamby ary fahafahana amin’ny fampiasana ny IA ho fanatsarana ny asan’ny parlemanta. Nambarany fa andraikitry ny “Forum Parle­mentaire de la SADC” ny fametrahana fenitra hanamorana sy hanamafisana ny fandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ao amin’ireo firenena mpikambana. Natsidiny fa miaina feno anatin’ny tontolon’ny IA ny olom-pirenena amin’ny lafiny maro, toy ny fanabeazana, ny asam-panjakana, ny tambajotra sosialy… Mana­na fahaiza-manao amin’ny fampandrosoana ny olombelona ny IA ary efa manampy amin’ny sehatra samihafa toy ny amin’ny fitsaboana, ny fandidiana sy ny famokarana fanafody, ny momba ny fiaramanidina, araka ny nambarany. Nanteriny fa sehatra ahafahan’ireo depiote mandinika ny fandrindrana ny IA sy ny fomba mety hampiasana izany hanamafisana sy hanatsarana ny asa ataon’ny parlemanta ny atrikasa tahaka izao.
Nitondra famelabelarana momba an’i Madagasikara manokana tamin’izany ny de­piote Ratsiraka Sophie. Nota­teriny ny fandrosoana sy ny fanatanterahana ny IA eo anivon’ny Antenimiera. Ny fanadihadiana ireo fomba fiasa napetraka, ny vinavina amin’ny fampidirana azy amin’ny asan’ny parlemanta, ny soso-kevitra stratejika. “Manan-danja manokana eo anivon’ny birao maharitra ity tetikasa ity”, hoy izy.

Synèse R.

Catégories: National

Aïd al-Adha : Nankalaza ny fetin’ny sorona ny Silamo

sam, 06/07/2025 - 08:46

Nankalaza ny Aïd al-Adha, fetin’ny sorona, ny mpino silamo rehetra omaly. Nomarihina tamin’ny fiaraha-mivavaka izany ny tapany maraina. Nisy ny nanatanteraka izany teny anivon’ny moske 67Ha, nisy kosa ny teny amin’ny tany malalaka Andohatapenaka, akaiky ny Kianja Makis. Taorian’izay, notohizana tamin’ny fanaovana sorona ho an’ireo mpino afaka nanao izany ny sehatra. Zava-dehibe io fety io satria ahatsiarovana ny nanaovan’i Abrahama sorona ny zanany lahy tokana, Ismaely. “Rehefa tsapan’ny Tompo ny fahavononan’io mpaminany lehibe io hanao sorona ny zanany dia nosoloin’Andriamanitra ondry izany”, hoy ny Mpanolotsaina nasionaly eo anivon’ny Fikambanan’ny silamo malagasy, Ahmad Najo. “Manaraka ny finoana napetrak’i Abrahama ny mpino silamo satria midika fa mahafoy zavatra tsara ho an’
ilay nahary ny anton’ny fanaovana sorona”, hoy ihany izy. Vonoana ilay biby ary zaraina ho an’ny mpiara-monina, mpiray vodirindrina ary azo atao ny mizara izany ho an’ny mahantra, raha ny fanazavany hatrany. Tokony hitovy avokoa ny olona ary tokony hifety sy hifaly avokoa ny mpino rehetra. Ankoatra izay, tsy nanadino ny fitondrana am-bavaka ny firenena malagasy ihany koa izy ireo nandritra ny fankalazana.
Tsiahivina fa nofaranana afakomaly, tany La Mecque, ny fivahinianana nataon’ireo mpino silamo rehetra maneran-tany, manampy ny maha zava-dehibe ny Aïd al-Adha. Tanjona ny hangatahana famelan-keloka sy fibebahana eo anatrehan’ilay Nahary.

Mino

Catégories: National

Distrikan’Atsimondrano : Ao anatin’ny tanjany ny antoko TGV

sam, 06/07/2025 - 08:45

Nanaporofo ny antoko TGV eny amin’ny distrikan’ Atsimondrano fa ao anatin’ny tanjany tanteraka ankehitriny. Ny alakamisy teo, marobe ireo nanohina ny antso teny Mandrimena. “Mipetrapetraka ny rafitra ary manaraka ny fenitry ny antoko ny ety Atsimondrano”, hoy ny sekretera nasionaly, Rasoamaromaka Hery. Mifanampy ny politika sy ny mpitantana ny firenena mba ho tonga amin’ilay vina Mada­gasikara tsy maintsy mandroso.
Ny TGV no niantombohan’ny filoha Rajoelina Andry ary manome hasina ny antoko hatrany izy amin’ny fitantanana ny firenena.
Efa nanomboka ny taona 2009 ny antoko TGV ao Atsimondrano. Efa ao anatin’ny fahamatorana ny antoko ankehitriny. Tsy natao hakana toerana fotsiny fa natao hampandrosoana ny eny ifotony, hitondra fanasoavana eny amin’ny fiarahamonina. “Betsaka ny fiovana tsara tao anatin’ny
5 taona teny Atsimondrano. Anisan’ny distrika betsaka mponina ao an-toerana ary tena misongadina ny fivoarana. Miparitaka any amin’ny fokontany sy ny kaominina 26 ny antoko TGV. Ireo ben’ny Tanàna lany tamin’ity antoko ity no betsaka indrindra ao an-toerana”, hoy ny solombavambahoaka, Ratsivahiny Andry.

Tatiana A

Catégories: National

Fasimainty: Tsy niantraika tamin’ny fahasalamana ny andrana

sam, 06/07/2025 - 08:45

Tsy ahina amin’ny fahasalamana ny fitrandrahana ambanin’ny tany. Manamarina izany ny géologue Valiarimanana Jean-Pascal.

Niasa tamin’ny sehatra ambanin’ny tany efa maherin’ny 20 taona i Valiarimanana Jean-Pascal. Manampahaizana amin’ny jeolojia sy ny harena an-kibon’ny tany. Nivoaka teny amin’ny oniversite Vontovorona, sady manana diplaoma MBA amerikanina. Mitazona andraikitra any amin’ny orinasa mitrandraka fasimainty atsy Mozambika izy, ankehitriny. Niasa amin’ny maha géologue tao amin’ny orinasa Toliara Sands, izay novidian’ny Base Toliara taty aoriana. Nam­barany fa efa nisy ny andrana teknika natao ny taona 2006 ary nahomby. Mirefy 10m x 10m ny halalin’ny lavaka natao, ka manodidina ny 70 ny mpiasa nanao ny asa tao amin’ny ozinina andrana, izay mponina any an-toerana ny ankamaroany. Mahatratra 500t ny akoram-pasika nohadihadiana araka ny voasoratra anaty bokin’andraikitra. Na­nara-maso ny natao rehetra ny ONE, ny sampana rano sy ala tao amin’ny minisitera, ny WWF. Ny febroary hatramin’ny oktobra 2006 no nanaovana ny asa, ary efa naverina tamin’ny laoniny ny toerana. «Nanaraka ny fenitra rehetra ny asa sy mpiasa. Misy ny fiofanana sy ny fitaovana na fiarovana manokana mahakasika ny «radioactivité». Tanjona ny tsy hifampikasohana ela loatra amin’ireo singa mety atahorana», hoy ihany izy. Notsoriny fa tsy nisy nanana olana ara-pahasalamana na iray aza tamin’ireo mpiasa miisa 70. Nanao fizahana tamin’ny dokotera tsy miankina tany Toliara, nialoha sy taorian’ny asa. Tsy maintsy toeram-pitsaboana mahaleo tena, manana fankatoavana iraisam-pirenena, toy izany, no manao azy. Nomarihiny, fa ahitana singa «radiation» daholo ny toerana samihafa, na ahitana fitrandrahana ambanin’ny tany na tsia. Mi­hena ny singa «radioactif», rehefa vita ny fitrandrahana fasimainty sy monanzita.

Ny rano
Mahakasika ny rano, nilaza i Valiarimanana Jean-Pascal fa any amin’ny 120 m ambanin’ny ranomasina ny hakana azy. Ary 50 m ambo­nin’ny ranomasina anefa ny rano ampiasain’ny olombelona. Araka ny voalaza ery ambony, tsy maintsy averina amin’ny laoniny ny endriky ny tontolo iainana aorian’ny bokin’andraikitra ara-tontolo iainana. Nofintininy fa mitondra fampandrosoana ny fitrandrahana harena ambanin’ny tany toy izay hita any Taolagnaro. Misy ny lalana, miroborobo ny fizahantany, ny varotra, miteraka asa, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

sam, 06/07/2025 - 08:44

Tohizana ny famatsiana solika ho tahiry ho an’ny orinasa Jirama hiantohana ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo. Efa ho iray volana izao no miaina anatin’ny fahatapahan-jiro lavareny ny mponina. Mitombo isan’andro ihany koa ny faharetan’ny delestazy raha toa ka voalaza fa ho ora roa isan’andro izany. Ankehitriny, mananika ny ora enina ny tsy fisian’ny herinaratra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina.

Tantsaha maherin’ny 447 000 no hisitraka to­hana mivantana avy amin’ny tetikasa Defis+ an’ny rohim-pihariana mifantoka amin’ny fambolena andraisan’ny rehetra anjara. Famatsiam-bola mitentina 150,8 tapitrisa dolara no entina manatanteraka ny tetikasa izay haharitra 6 taona, ka ny 53,8 tapitrisa dia avy amin’ ny FVC ary ny 97 tapitrisa avy amin’ny Fida.

Hiditra amin’ny fampiharana ny Minerals Security Partnership (MSP) i Madagasikara hampiroboroboana ny rojom-pamokarana « minéraux critiques ». Tetikasa entina hanohanana ireo firenena mpamokatra mitady mpampiasa vola na koa fanafainganana ny fa­natanterahana ireo tetikasa sy fanatsarana ny politika fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany. Hana­mafy ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fidirana anatin’ity vovonana ity.

Catégories: National

Depiote Rahantanirina Lalao: “Tsy izay miteny any amin’ny facebook no marina”

jeu, 06/05/2025 - 07:52

Manoloana ilay resaka fanangonan-tsonia nataon’ny olom-boafidy tao Mahajanga sy Betsibo­ka, hanesorana minisitra roa, namoaka ny heviny mahakasika izany ny depiote Irmar, avy any Mahajanga, Rahanta­nirina Lalao na depiote Nina, omaly, tetsy Mahamasina. “ Tsy resy akory ny olo-mangina, ary samy manana ny eritreriny avy. Tsy izay miteny any amin’ny facebook akory no marina”, hoy ity olom-boafidy tao Mahajanga I ity.
Nomarihin’ity solombavambahoaka ity fa tsy misy ny ady an-trano eo amin’ireo samy olom-boafidy any an-toerana fa ny hevitra no tsy mitovy. Notsindriny ihany fa tsy feon’olona roa no atao hoe feon’ny solombavambahoaka, fa maro ireo olom-boafidy any an-toerana. Araka ny fanadihadiana natao, depiote roa mahaleo tena, mikasa hanala ny minisitry ny Tanora sy ny Fana­tanjahantena (MJS), Mous­tapha Abdulah sy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres), Pr Chaminah Loulla.
Etsy ankilany, nilaza ny minisitra Moustapha Abdulah Marson fa tsy ekeny velively ny fanaovana antsojay, fanararaotam-pahefana, fanaovana tsinontsinona ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry. “Manana ny lehibeko aho, ary izy no afaka miteny ahy raha tsy mety ny nataoko, fa tsy olona roa mitabataba any amin’ny facebook no hanakana ahy tsy hiasa ho an’ny firenena”, hoy izy.

F.R

Catégories: National

Mpilatsaka an-tsitrapo : Safidy atao ny miahy ny maha olona sy ny marefo

jeu, 06/05/2025 - 07:52

Sehatra iray mahaliana ny ankamaroan’ny tanora malagasy ny fidirana amin’ny fikambanana misehatra amin’ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara. Sa­fi­dy ataon’izy ireny ny hiahy ny maha olona sy ireo marefo.

Tanora avokoa ny ankamaroan’ny mpikambana sy misafidy ny hilatsaka an-tsitrapo eto Madagasikara, raha ny tatitra voaray. “Safidy atao ny mijoro hiahy ny maha olona mba hampanjaka ny soatoavina iombonana rehetra, toy ny firaisankina, ny tsy fitanilana, ary ny fahavononana hanampy ny vahoaka sy ny marefo”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ny CRM, Rivoari­malala Aly Arlin, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany natao tetsy Antani­narenina, ny herinandro lasa teo. “Tsy azo atao ny miahy ny marefo raha tsy tanteraka izany rehetra izany”, hoy ihany izy. Manana ny toerany manokana ny fikambanana satria ny maha olona. Ahitana azy ireo avokoa ny fiantseharana amin’ny loza voajanahary, ny haintrano sy ny maro hafa, raha ny fanazavana voaray hatrany. « Tsy natao hitadiavana tombontsoa manokana ny antony hanaovana sy hirotsahana an-tsitrapo », hoy ireo mpikambana nanontaniana. Nilaza izy ireo fa ny antony nandrisika azy hiditra amin’ity sehatra iray ity dia ny finiavana hanome tanana sy hanampy ny mpiara-belona.
Ankoatra izay, manamavaina ny fanaintainan’ny mpiara-belona ny sampana mpamonjy voina izay hiseharana amin’ny filatsahana an-tsitrapo. Etsy ankilany, misehatra ao anatin’ny hamehana sy ny trangan-javatra misy eto Madagasikara ihany koa izy ireo. Mamonjy ny aina sy miantoka ny fahaveloman’ny olona iray mandra-pahatonga azy any amin’ny mpitsabo ihany koa. Ho azy ireo, eo ny tantsoroka amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindonin-doza, izay iarahany miasa amin’ny mpamonjy voina hafa eto amin’ny Nosy. Mifamatotra sy mifanampy tanteraka amin’ny fanjakana ny asan’izy ireo manoloana ny fiahiana ny maha olona.

Miasa mafy rehefa vaninandro mahabe voina
Manetsika tanora maro hilatsaka an-tsitrpo ny fitondram-panjakana rehefa va­nim-potoana mahabetsaka ny voina eto amin’ny firenena. Tamin’ny volana janoary 2025 lasa teo, napetraka ny Rezi­mantan’ny fikambanan’ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo, taorian’ny fiofanana nomena azy ireo teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano. Nisi­traka fiofanana momba ny fahaiza-misahana ny mety ho loza voajanahary miseho eny anivon’ny fiarahamonina izy ireo, izay niisa 100 mianadahy. Avy amin’ny fikambanana maro izy ireo ary avy ao amin’ny boriborintany fahatelo, kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanjona, tamin’izany, ny hahafahan’izy ireo mamaly ny antson’ny fitondram-panjakana sy ny mpiray tanindrazana, raha sendra misy ny loza ara-boajanahary miseho.

Mahavotra aina maro ny fahafehezana ny asa
Miantoka ny fanatanterahana ny asa rehetra mandritra ny famonjena voina ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fahafehezana ny asa ataon’izy ireo. Betsaka ny aina avotra sy ny takaitra voasakana vokatry ny loza. Mety hiteraka fahafatesana na takaitra hafa ho an’ilay olona raisina an-tanana mantsy ny tsy fahafehezana izany na ny tsy fahampiana traikefa eo amin’ny olona iray, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tanjona ny hanenana ny fanaintainan’ny olona manoloana ireo loza voajanahary mitranga maneran-tany sy manerana ny Nosy. Tsy maintsy omena fiofanana izy ireo rehefa miditra amin’izay sehatra izay. Mba hahamatihanina ny asa sy mahafeno ny fepetra ilaina rehetra amin’ny maha mpilatsaka an-tsitrapo azy ireo.

Nofaranana ny Andro maneran-tany

Natao tetsy Antaninarenina, ny herinandro lasa teo, ny famaranana ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny CRM. Efa nisy ny fankalazana isam-paritra talohan’izao. Lohahevitra ny hoe: “miahy ny maha olona”. Nisy ny hetsika samihafa natao teny an-toerana. Teo ny fampirantiana mahakasika ny asa ataon’izy ireo, ny fitiliana maimaimpoana ny diabeta, tuberculose, fitsapana tosidra… Maro ny fikambanana misehatra amin’ny fanaovana filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara, anisan’izany ny « Croix Rouge malagasy ». Fikambanana miasa ho an’ny tombontsoa iombonana izy io, araka ny didim-panjakana 63-489, tamin’ny 07 aogositra 1963, izay natsangan’i Tsiebo Calvin, filoha lefitra voalohan’ny Repoblika voalohany. Manodidina ny 10 333 ny isan’ny mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny fikambanana hatramin’izao, raha ny fanisana farany natao tamin’ny taona 2023.
Efa ahitana mpilatsaka an-tsitrapo avokoa manerana ny faritra sy distrika rehetra eto amin’ny Nosy. « Ampy sy mahasahana ny famonjena voina, fa ilaina ny fanampiana ny traikefa eo amin’izy ireo », hoy Razanamandimbisoa Tantely, mpikambana ao amin’ny CRM, sady solombavambahoaka. Tsy maintsy omena fiofanana avokoa ny olona iray raha vao miditra ao anatin’ny fikambanana. Anisan’izany ny vonjy taitra, fiofanana amin’ny fahaiza-manao manokana ilaina. Nanao tantsoroka amin’ny sehatry ny fahasalamana nandritra ny fisian’ny valanaretina covid-19 ireny, ohatra. Tafiditra ao anatin’izany ny famonjena voina sy fitantanana ny loza ary ny tandindonin-doza eto amin’ny firenena sy ivelan’i Madagasikara.

Nanatontosa : Mino

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

jeu, 06/05/2025 - 07:51

Hatao ny 7 hatramin’ny 9 jona izao ny “Judo camp DMJ3” karakarain’ny Diaspora malagasy eo amin’ny taranja judo. Any Luisant, Chartres no hanatanterahana izany ka ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra io 3 andro io.
Tontosa tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach volley. Voahosotra ho tompon’amboara i Julienne sy Marinà, teo amin’ny vehivavy. Raha toa ka i Hasina sy i Antonio no mpandresy teo amin’ny sokajy lehilahy.
Mbola misongadina hatrany, amin’ny taranja tenisy ambony latabatra aty amin’ny faritra Atsinanan’i Afrika, Rakotoarimanana Fabio, Malagasy mpilalao. Tsy niala teo an-tanany hatrany ny medaly volamena tamin’ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa efa nandrombaka izany izy tamin’ny taona lasa.
Hotontosaina anio, any Allemagne, ny lalao manasa-dalan’ny “ Uefa Ligue des Nations 2025”, taranja baolina kitra. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonana eo amin’i France sy i Espagne. Tsiahivina fa hanan-danja tanteraka io lalao, ary mbola manala vela ny frantsay.

Catégories: National

Rugby vehivavy – Can 2025 : Tonga omaly ny Springboks Afrika Atsimo

jeu, 06/05/2025 - 07:50

J-3 amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby (Can) sokajy vehivavy, anio. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis An­do­hatapenaka, ny sabotsy 7 ka hatramin’ny alahady 15 jona ho avy izao. Ny Springboks Afrika Atsimo no firenena voalohany tonga eto Mada­ga­sikara, anisan’ireo hiatrika izany. Amin’ity alakamisy ity kosa vao hiaraka ho avy ny Liona avy atsy Kenya sy ny The Cranes Ouganda.
Araka ny lalàna mifehy ny fifaninanana toy izao, rahampitso vao afaka mitsapa ny Kianja Makis ireo vahiny delegasionina. Tsiahivina fa ekipa efa diso mifankalala tsara i Afrika Atsimo sy i Kenya ary ny Makis Ladies. Vaovao vao niakatra kosa ry zareo Ogandezy, izay nisolo toerana an’i Cameroun, nivarina any amin’ny vondrona D. Hango­traka, araka izany, ny fihaonana amin’ity indray mitoraka ity.
Raha ny fandaharam-potoana, hifandona voalohany amin’ny Makis Ladies i Kenya. Hanala vela ry zareo kenyanina amin’ity satria efa resin’ny Malagasy, tamin’ny taon-dasa. Heverina fa ho toy ny lalao famaranana kely, araka izany, ny fihaonan’ny roa tonta. Hanokatra ity andro voalohany ity kosa i Afrika Atsimo, tompondaka tamin’ny taon-dasa, sy i Ouganda. Ankoatra izay, nanao fitsirihana ny Kianja Makis, ny solontenan’ny Rugby Afrique, omaly, hahazoana ny fankatoavana.

Tompondaka

Catégories: National

« Shoot Out 3×3 » : Tompondaka U20 ny Mamba Girl sy ny ASMG

jeu, 06/05/2025 - 07:50

Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Antsirabe, ny fifaninanana “Shoot Out”, taranja basikety 3×3, andiany fahatelo. Nahomby ny hetsika ary nitombo ny mpandray anjara. Tratra, araka izany, ny tanjona ho an’ny ligin’i Vaki­nankaratra, mpikarakara. Nahitana taninketsa maro ihany koa nandritra ity fifaninanana ity, izay nahafahana nitily ireo mpilalao hoavin’ny taranja basikety 3×3. Raha hiverenana ny vokatra, voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona, ny Mamba Girls, teo amin’ny sokajy vehivavy. Ny ASMG kosa no laharana voalohany teo amin’ny sokajy lehilahy. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona, nandrombaka ny fandresena teo amin’ny vehivavy, ny ekipan’ny Black Phoénix, raha toa ka ny Eclipse no tompondaka teo amin’ny lehilahy. Anisan’ny nandray anjara ihany koa ny teo amin’ny sokajy Vétérans ka voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Sket4Us teo amin’ny vehivavy ary ny Manafolahy ny teo amin’ny lehilahy.

Mi.Raz

Catégories: National

Miadana Fabien Privat : “Mila hatsaraina hiantohana ny tsy fitongilanana ny lalàm-pifidianana”

jeu, 06/05/2025 - 07:26

Hanao tombana ny fifidianana ny Ceni, ary hampiantso ireo mpisehatra amin’ny fifidianana ho amin’ny fanatsarana ny lalàna. Efa misy tolo-dalàna ny amin’izany eny amin’ny Anteni­mierandoholona. Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolo­tsoa, i Miadana Fabien Privat. Dinidinika…

Gazety Taratra (*) : Ni­laza hanao tombana ny fifidianana ny Ceni, ary hampiantso ireo mpisehatra amin’ny fifidianana ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Efa misy tolo-dalàna ny amin’izany eny amin’ny Antenimie­randoholona. Ny fahitanao an’izay?
Miadana Fabien Privat (-) : Nanomboka tamin’ny fifidianana nivoahana tamin’ny krizy 2013, efa nisy torohevitry ny fiarahamonina sivily manara-maso fifidianana. Vita ny 2013, nanao fakan-kevitra maromaro ny Ceni-T. Isaky ny vita fifidianana, teren’ny lalàna ny mpanara-maso fifidianana hanao tatitra. Ao ana­tin’ireny, misy torohevitra momba ny lalàna sy ny fanatanterahana lalàna. Azo atao tsara ny fanitsiana lalàm-pifidianana. Mifanandrify amin’
izay andrasan’ny fiarahamonina sivily ve? Tsy ny mpanara-maso nasionaly ihany no nanao torohevitra, fa ny mpanara-maso iraisam-pirenena koa. Tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo, tsy nahatonga mpanara-maso ny Vondrona eoropeanina. Anisan’ny antony ny hoe ny torohevitra efa tamin’ny 2013 niverimberina ary tsy nisy tanteraka.

* Ny fahitanao izay mety ho tolo-dalàna eo?
– Raha ny an’ny Anteni­mierandoholona, mankany amin’ny hoe miralenta eo
amin’ny lafiny fifidianana kokoa ny fanitsiana entin-dry zareo. Ny Ceni vao hanao tombana anatiny; avy eo, hiantso ny mpisehatra amin’ny fifidianana sy hanao fakan-kevitra. Tsy mbola fantatra izay ho vokany amin’izay mialoha ny tolo-dalàna any amin’ny parlemanta na volavolan-dalàna any amin’ny governemanta. Inona ny fanovana hoentina? Misy ny fiarahamonina sivily miteny hoe ilaina ny fifandanjana eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy amin’ny fifidianana. Tsy tokony hohadinoina koa ny tanora.
Misy fandrarana izay tsy azo atao ny lalàna, nefa tsy misy sazy mifanaraka amin’
izay mandika izany. Tsy fantatra koa ny rafitra manasazy, ka lasa misy fifanilihana. Misy kandidà mandika lalàna: ino­na ny sazy ary iza no manasazy? Ho tonga amin’izany ve ny hataon’ny Antenimieran­doholona sy ny Ceni? Misy koa ny kandidà tsy manao tatitra ny fitantanam-bola nandritra ny fampielezan-kevitra, nefa tsy misy sazy. Mila ha­tsaraina ny amin’izany hian­tohana ny tsy fitongilanana amin’ny fampiharan-dalàna. Rehefa mazava izay, tsy misy ny fifanilihana.

* Ahoana ny hamarin-toerana ny lalàm-pifidianana?
– Nisy adihevitra be io lalàm-pifidianana io tamin’ny Ceni teo aloha. Nanao atrikasa maro sy soso-kevitra be dia be ry zareo. Nambara teny Anosy ny vokatra manerana ny Faritany, nefa nisy nesorina rehefa nandalo teny amin’ny governemanta. Toy izany koa teny amin’ny parlemanta. Ny niafarany, io tsy mazava io. Lasa manao torohevitra hatrany… Ny antony mampitovy ny torohevitra nanomboka 2013 no ho mankaty, misy zavatra tsy miova ao.
Tokony hanana fehezan-dalàna momba ny fifidianana mazava isika. Ho hita amin’izany, ohatra, ny hoe: isaky ny inona ny hanaovana fifidianana? Voafaritra mialoha izay, fa tsy iandrasana ny Ceni hanolo-kevitra dia ny governemanta no manapaka. Amin’ izay, tokony hifanaraka amin’ny kalitaon’ny fifidianana ilaina ny enti-manana.

* Inona ny tena mila hahitsy amin’ny lalàm-pifidianana?
– Anisan’ny ady ataon’ny olon-drehetra ny zo hirotsa-kofidina sy hifidy. Nefa voasakan’ny rotsa-bola fahazoana mirotsa-kofidina, ohatra. Ra­ha tiana ny fahazoan’ny rehetra mirotsa-kofidina, tsara mifanaraka amin’ny harin-karena faoben’ny firenena izay rotsa-bola izay. Eo koa ny zo amin’ny fanaraha-maso fifidianana samihafa, matetika misy fahasahiranana hatrany amin’ny fampiharan-dalàna. Mila hamafisina ny fanomanana ny olona hiasa amin’ny biraom-pifidianana sy ny SRMV. Mba ho fanta-dry za­reo ny zon’ny mpanara-maso, ny zon’ny olom-pirenena, ary ny zon’ny solontenan’ny kandidà. Mba tsy hisy fitongilanana na fanilikilihana… Eo koa ny fanaraha-maso ny vola ampiasain’ny kandidà, ny fo­toana ahazoana miteny amin’ny haino aman-jerim-panjakana… Tsara raha ferana ny vola ampiasaina amin’ny fifidianana ary atao mitovy ny kandidà rehetra. Tokony ha­na­na fandaharanasa izy ireo ary izay no asongadina mandritra ny fampielezan-kevitra.

*Ahoana ny amin’ny fizarana zavatra isaky ny fifidianana?
– Misy milaza hoe kolikolim-pifidianana ny fizarana zavatra takalon’ny latsa-bato amin’ny fampielezan-kevitra. Hatramin’izao, tsy misy lalàna mandrara an’izay. Tsara misy hatrany endrika sy sary famantarana: tee shrit, kasikety… Fa tsy tokony ho zavatra takalon’ny safidy no hozaraina: vary, menaka, koveta… Ny fandaharanasa mitondra ny olona hahavidy an’ireny no tokony hozaraina. Misy olom-pirenena tsy mifidy raha tsy izaran-javatra: mila tezaina… Hahazoan-dry zareo mpizara zavatra tombony ny fizarana dia ataony. Efa hita fa tsy voafidy izay tsy mizara. Entanina ny mpanao politika mba tsy hizara zavatra, ary hamaritra lalàna mametra an’izay. Te­zaina koa ny olom-pirenena fa ny fandaharanasa no hampiakarana ny harinkarena ka hahazoany mahaleo tena amin’ny fivelomana mahavidy zavatra, fa tsy mila izarana no zava-dehibe.

* Fifidianana toy inona no kendrena amin’ny fana­tsarana ny lalàm-pifidianana?
– Mitovy hatrany ny tanjona amin’ny fifidianana hoe andraisan’ny rehetra anjara, eken’ny rehetra ny vokatra mitondra any amin’ny fitoniana… Izay no mitarika ny fahatsaran’ny kalitaon’ny lalàna. Eo koa ny fampiharana an’
izay: tena voasazy, ohatra, izay mandika lalàna. Tsy voatery avy amin’ny mpikarakara fifidianana sy ny mpirotsa-kofidina ihany no iavian’ny fikorontanana fa olom-pirenena: tsy miandrandra hozaraina zavatra.

Nangonin’i R. Nd.

Catégories: National

Fankalazana ny 26 jona : Tontosa ny diaben’ny Fahaleovantena

jeu, 06/05/2025 - 07:25

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taon’ny Fahaleo­vantena, nisy ny diaben’ny Fahaleoventana, omaly, teny Ambohijatovo nihazo ny Kianjan’ny Barea, Mahama­sina. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny ma­tson’ny mpilalao ny fanombohana ny hetsika ara-panatanjahantena. Nifanandrinan’ny Hery fiarovana sy filaminana tamin’ny tomponandraikitra ambony eny anivon’ny an­drimpanjakana ny lalao baolina kitra fiadiana ny amboaran’ ny filohan’ny Repoblika. Fane­hoana amin’ny vahoaka ny firaisankinam-pirenena sy ny fiaraha-mientan’ny eo anivon’ny fitondrana: ho fitaratra ho an’i Madagasikara manontolo hoe ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana no mitarika ny fandrosoana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Kaomitim-pirenena mpanomana ny he­tsika, ny jeneraly Rakoton­drabary Eric. Hetsika fanombohana ny omaly fa ireo distrika eto Antananarivo Reni­vohitra no hiady ny amboara. Hetsika ara-kolontsaina ny fametrahana dian-tanana tamin’ny lamba fotsy lehibe: mametraka dian-tanana amin’ ny firenena ny olom-pirenena rehetra. Ny anjara adidy aman’andraikitra izany.

R. Nd.

Catégories: National

Akamasoa- Père Pedro: Hisy horaisina mpiasam-panjakana

jeu, 06/05/2025 - 07:25

Nanamarika ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena slovenianina teto Madagasi­kara ny fitsidihany ny toby Akamasoa an’ny Père Pedro, omaly. Nifanindran-dalana tamin’izay ny fitokanana se­koly teny Bemasoandro. No­hamafisin’ny filohan’ny Repo­blika malagasy, nandritra ireo, ny fankasitrahany ny ezaka ataon’ity pretra ity sy ny mpanabe ao aminy. Izay nolazainy fa tsy mikely soroka tokoa amin’ny fanabeazana ny zaza malagasy, ka mahatonga ny vokatra tsara hatrany isan-taona. Nasongadiny tamin’izany ny voka-panadinana CEPE izay mahatratra hatrany amin’ny 96 %, ny bakalorea izay mihoatra ny 97%.
Mba hahafahan’ny fanjakana mitondra ny anjara birikiny kosa amin’ny fanampiana ny Akamasoa dia hisy ny fandraisana ho mpiasam-panjakana isan-taona ny mpampianatra eny an-toerana. Tsiahi­vina fa olona efa maherin’ny 500 000 no nisitraka ny fa­nampian’ny Père Pedro, ha­tramin’ny taona 1970, nahatongavany teto Madagasikara.
Tsy mijanona hatreo ny ezaka ataony, fa efa misy ny oniversite natsangana eny an-toerana. Andalam-pamitana kosa ny ivontoerana fampiofanana arakasa. Tetikasa izay nisy fiatoanakely teo aloha fa hanampy ny famitana azy ny fitondram-panjakana, hoy ha­trany ny filoha Rajoelina Andry.

r.r

Catégories: National

Fitoriana eny amin’ny “Cybercriminalité”: Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ceni sy ny Sénat

jeu, 06/05/2025 - 07:24

Mihenjana ny tady eo amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana sy ny Antenimierandoholona. Ny fitoriana ilay filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina eny amin’ny brigady misahana ny heloka ana habaka no fototr’izany.

Mafampana ny toe-draharaha! Nam­piaka-peo ny filohan’ny Ceni, An­drianarisedo Dama Arsène, notronin’
ireo mpikamban’ny Vaomieram-pifidianana, omaly, tetsy Alarobia. Melohin’izy ireo ny fanenjehana nataon’ny tomponandraikitra voalohany eo amin’ny Antenimierandoholona, teo anivon’ny «Cybercriminalité», ny filoha lefitra voalohany ao aminy. Ity farany izay nahazo fampiantsoana eny amin’ny Toby Ratsimandrava, hanaovana fanadihadiana. Ahiahina ho tompon’antoka tamin’ny famoahana tsy nahazoana alalana tamin’ny haino aman-jery, mahakasika ilay tolo-dalàna momba ny fifidianana nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona,
Nomarihin’ny fanambarana nataon’ny Ceni, fa tsy izy ireo no namoaka voalohany ny mahakasika ilay tolo-dalàna. Nanamarina sy nanao fikarohana fotsiny izy ireo. «Misy fitsipika sy lalàna mifehy ny fanenjehana ny mpikambana eo anivon’ny birao maharitra eo anivon’ny Ceni, raha toa ka misy fahadisoana goavana nataony. Izany dia voalazan’ny andininy faha-28, ny lalàna laharana faha-2015-020, tamin’ny 19 volana oktobra 2015, mahakasika ny Ceni», hoy Andrianarisedo Dama Arsène, filohan’ny Ceni.

Tsy nitory
Etsy ankilan’izay, nilaza ny eo anivon’ny kabinetran’ny filohan’ny Antenimierandoholona fa tsy nitory velively ilay olona voalaza ny filohany, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Fitoriana olon-tsy fantatra no nataon’ny fitaleavana miandraikitra ny lalàna sy ny raharaham-pitsarana eo anivon’ity andrimpanjakana ity. “Tao amin’io sampandraharaha io no nisy namoaka ilay tahirin-kevitra ka nahatonga ny tomponandraikitra nitory, mba hahafahana mahita izay nanaparitaka ilay tahirin-kevitra”, hoy ny tomponadraikitra azo an-telefaonina halina.

Fitia Randria

Catégories: National

GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 04 06 2025 )

mer, 06/04/2025 - 07:50

Catégories: National

Faritra Atsimo Andrefana : « Ho fitaratra amin’ny fampandrosoana”, hoy ny governora Tovondrainy Ranoelson Edally

mer, 06/04/2025 - 07:49

Anisan’ny fifaninanana masina ahazoana ny tanàna madio eto Mada­gasikara ny faritra Atsimo Andrefana. Mifanaraka amin’izay, ny famitana ny toky nomen’ny filohan’ny Repoblika mba hitsohan’ny rivo-pampandrosoana avy any Atsimo. Mizara ny fomba fijeriny ny governora Tovon­drainy Rano­el­son Edally.

Gazety Taratra (*): Tao­rian’ny fandalovan’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, tompoko, inona no azo am­bara mahakasika ny filazana fa avy aty aminareo no ho fitaratra amin’ny fandrosoan’i Madagasikara?

Governora Tovondrainy Ranoelson Edally (-): Voa­lohany, isaorana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, manana ity fomba fijery ity, izay tsy mbola nisy hatrizay. Nalaza ho faralahin’olona foana izahay taloha. Mitom­bina tanteraka, araka izany, ny filazany amiko. Afaka taona vitsy dia azo antoka fa ho fitaratra ny aty amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Raha tsiahivina dia misy tetikasa lehibe telo, amin’ny fi­trandrahana harena an-kibon’ ny tany, ato aminay. Malaza ny Base Toliara izay ham­piasa volabe 1 miliara dolara ka 50 tapitrisa dolara isan-taona no vola hihodina sy ho ampiasaina eto aminay. Tsy ho lany eto avokoa izany fa tsy maintsy hisitraka ny faritra hafa. Mbola misy ny Next­Resource Mate­rials, izay miasa any Fota­drevo. Efa manao fitrandrahana sy ma­nondrana izy ity. Ary ny Bla­ckearth, izay hiasa any ampanihy, efa tsy ho ela.

* Voalaza matetika tompoko fa tsy mipaka amin’ny vahoaka anefa ireo voalazanao, ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, manao ahoana ny tamberin’andraikitra?
– Tsy hiresaka lavabe aho mahakasika izany fa anisan’ ny efa manao izay manandrify azy ireo tetikasa voalaza ireo. Raha tsy hilaza fotsiny ny orinasa Next Ressource aho dia am-perinasa tanteraka izy ireo amin’ny fanaovana asa so­sialy sy toekarena. Anisan’ny mpanohana anay voalohany amin’ilay fifaninanana tanàna madio izy ireo. Efa mandray anjara amin’ny ampahany lehibe amin’ny fanatsarana ny tanàna ry zareo.

* Ampy hilazana fa azo antoka ve tompoko ny fampandrosoana miankina fotsiny amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany?
– Efa zava-dehibe ireo raha mahakasika ny harena an-kibon’ny tany satria ma­nambaka ny faritra hafa ny fanananay ireo fitrandrahana telo goavam-be ireo. Tsy azo tsinontsinoavina fa tena mitazona ny anjara toerany lehibe ihany koa ny fambolena eto amin’ny faritra. Azoko lazaina fa efa sompitra izy amin’ny ankapobeny. Raha ny vary manokana dia afaka fotoana vitsy izahay dia hilahatra amin’ny sompitr’i Madagasikara. Ankoatra ny saha Mangoky izay efa nalaza dia mbola misy ny tetikasa any Mo­rombe, izay misy 5 000 ha ka ny 3 000 ha no efa voajary tanteraka sy efa azo volena. Tombanana hamoaka vary dimy taonina isaky ny hekitara izany. Hitantsika, araka izany, ny ho vokatra eo. Amin’ny distrika sivy, ato amin’ny faritra Atsimo Andrefana, dia distrikan’i Toliara I irery ihany no tsy mamokatra vary. Marihiko fa tsy faritra maina araka ny mahazatra ny aty aminay fa misy ny faritra tena azo volena ary mahavokatra. Ankoatra ny vary, fantatsika fa Atsimo Andrefana no voalohany eto Madagasikara mamokatra hasy sy ny kabaro, manginy fotsiny ny tsaramaso sy ny katsaka, ary ny voanjo.

* Manao ahoana ny seha-pihariana hafa?
– Ny faritra misy anay dia toerana tokony ho lohalaha­rana mihitsy raha ny zava-misy azo trandrahina sy handraharahana no resahana. Ankoatra ny fambolena dia voalohany izahay amin’ny fananana harena an-dranomasina, miaraka amin’ny morontsiraka mirefy 530 km be izao. Man­giny fotsiny ny harena voajanahary hafa ety an-tanety. Azo lazaina fa ambony ny ta­han’ny fananana ireo harena tsy fahita firy eto ambonin’ny tany aty amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Ankoatra izay, tsy azo hadinoina ny fiompiana satria saika ny antsasaky ny omby misy eto Madagasi­kara dia avy eto aminay, miampy ireo ondry aman’osy izay anananay maro. Hama­ranako azy ny lafiny fizahantany. Ankoatra an’i Nosy Be Hell Ville, dia aty aminay ny laharana faharoa amin’ny fan­draisana vahiny. Mahaliana vahiny aty aminay, azo hamarinina izany. Koa tsy maha­gaga fa hamariniko ny tenin’ ny Filohan’ny Repoblika hoe hianga avy aty aminay ny fampandrosoana.

* Izay ireo heverintsika ho tombony ho an’i Toliara fa mba misy ve ny Drafi-pampandrosoana ity faritra tantananao ity?
– Manana izay tokoa izahay ary niainga tamin’io no naha voalohan’ny fampandrosoana taty aminay hatramin’ ny nitondran’ny Filohan’ny Repoblika. Mitodika mankany amin’ireo seha-pihariana voalaza teo ireo ny politika entinay mitondra ny faritra. Mirona mankany avokoa ny zotra nentina manatratra ny tanjona tokana nokendrena. Amin’izao fotoana izao dia ao anatin’ny manatsara sy manavao ilay drafi-pampandrosoana ny fa­ritra izahay. Izay iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ny famitana izany. Tsy maintsy natao izany mba hifanaraka ny hodidina misy amin’ izao fotoana izao dia ny fahatongavan’ny mpandraharaha lehibe amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Misy ny fampirisihana ny mponina mba hiomana sahady amin’ny fiatrehana ny tinadin’ ireo tetikasa ireo.

* Olana iray nosedraina tokoa, tamin’ny tetikasa tany aloha, ny resaka tsy fahazoan’ny mponina ao an-toerana ny tombony mivantana?
– Izay indrindra no efa hiarahana sahady amin’ireo mpiantsehatra hafa, ohatra, ny arakasa mba hanofana ny tanora sy hamantatra mialoha ny filan’ireo orinasa. Izaho manokana dia niezaka nifampiraharaha tamin’ny mpitondra tetikasa ireny mba tsy ho sakana ny olana eo amin’ny resaka traikefa satria afaka mianatra sy miofana, ary manatsara ny fahaiza-manaony ny tsirairay avy. Izay indrindra no hametrahana amin’izao fotoana izao ny Tranoben’ny asa na ny tambajotra hampifandray ny mpisehatra rehetra. Tanjona ny hampifandanja ny tolotra sy ny tinady arakasa ka tsy ho latsa-daja ny zanaky ny faritra.

* Na eo aza anefa izany rehetra izany, mbola olana hitanay ny mahakasika ny lalana, ahoana ny momba izany?
– Raha ny momba ny lalana dia efa iaraha-mahita sy nandre ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ato amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Efa mandeha io ny tetikasa lalam-pirenena fahafolo sy fahafito, RN10 sy RN7. Ny ato anatiny, efa vita godirao soa aman-tsara ny lalam-pirenena fahasivy, RN9. Ny lalana rarivato (Pavé) ato anatiny dia efa nahazo fanampiana avy amin’ ny Filohan’ny Repoblika izahay hanitarana izay efa na­tomboka. Amin’ny taona ho avy dia heverina fa tsy hisy lalan-dratsy intsony eto an-tampon-tanànan’i Toliara.

Dinika nangonin’i CMS

Catégories: National

TARATRY ny KANTO

mer, 06/04/2025 - 07:48

Nahemotra ny 10 jona, ny fara-fandraisana ireo video ho an’izay handray anjara amin’ny fifaninanana “Tafan-gilita”. Natao ho an’ireo mpitendry gitara tsy mbola malaza, kanefa mahafehy izany izy ity. Aorian’io daty io, hiroso amin’ny dingana voalohany ireo mpitsara, hamoaka ny anaran’ireo 50 hiatrika ny dingana manaraka. Ambara amin’izay ihany koa ny tohin’ny fifaninananana, mandra-pahatongan’ny famaranana amin’ny volana septambra.
Hisehatra mandritra ny Indian Ocean Music Market na IOMMa atsy La Réunion, i Mashmanjaka. Anio alina ny anjarany, miaraka amin’ireo mpanakanto avy ao Maurice sy La Réunion, nosafidian’ny komity manokana. Sehatra ho an’ireo mitondra mozika vaovao avy aty amin’ ny faritry ny ranomasimbe Indianina, heverina fa afaka miditra amin’ny tsenan’ny mozika any Eoropa sy manerana izao tontolo izao izy ity.
“Ndao hitendritendry”. Hetsika iray hanentanana ireo manan-talenta, hanamarihana ny “Fetin’ny mozika”, ny 21 jona io. Hasiana sehatra malalaka eo amin’ny Carre­four Ankorondrano, manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 7 ora sy sasany hariva. Hasaina amin’izany izay te hitendritendry sy hihira, mba hifandimby handray anjara eo. Efa fanao any ivelany rehefa “Fetin’ny mozika” ny sehatra malalaka toy izao.
Nifamory indray ry zareo “Pazzapa 3”. Mike­trika ny fiarahana manaraka izy ireo, izay fantatra fa ny
6 jona izao, etsy amin’ny Pho Resto Ivato. Efa 20 taona sahady izay no tafaraka tanatin’ity lalao ity ry Stan, Nanah, Haja, Nampoina, Stéphane, Dinah, sns. Fanombohana ihany io, fa homarihin-dry zareo amina hetsika maromaro izay faha-20 taonan’ny “Pazzapa 3” izay.

Catégories: National

190 taona aty aoriana : Hivoaka ny boky “Voambolan’ny Baiboly”

mer, 06/04/2025 - 07:48

Feno 190 taona (1835 – 2025) amin’ity taona ity ny nahavitana ny fandikana ny Baiboly. Fironana ankehitriny efa taona vitsivitsy izay ny famoronana voambolana vaovao. Ny famoronana anefa tsy tokony hitarika any amin’ny fanadinoana ireo voambolana efa nisy. Hotontosaina ny alarobia 11 jona izao, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny famoa­hana ny boky “Voambolan’ny Baiboly” hamohazana indrindra ireo voambolana ao ana­tin’ny Baiboly izay tsy fandre firy intsony ankehitriny. Asa goavana manoloana ny fampitiavana sy fampivelarana ny teny malagasy, notanterahin-dRado Ramaherison.
Novakiana manontolo ny Baiboly. Nangonina ny voambolana. Nirosoana ny fanazavana azy ireo ka nampiasaina tamin’izany ny Rakibolana malagasy (Régis Rajemisa Raolison), ny Rakibolana Raki-pahalalana (Akademia Mala­gasy), ny Diksionary amin’ny Baiboly (nalahatr’i Rév. James Sibree, Misionary avy amin’ny L.M.S) ary ny Firaketana dia ny Firaketana izay nandrai­san’ny raiamandreny Mpitan­drina Ravelojaona anjara ny nandrafitra azy.
Ny lalan-tsaina “Mitady ny very” sy ny tenin’izany raiamandreny izany nanao hoe “Ny Teny malagasy no zavatra rehetra an’ity firenena ity” no ainga sy tari-dalana tamin’ny fanoratana ny “Voambolan’ny Baiboly”.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Pages