S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 33 min

Fanabeazana sy fampianarana : Mbola misy diso fandray ny « fanagasiana »

mer, 01/28/2026 - 09:01

Taorian’ny taona 1972 na­naovan’ny mpianatra fihetsehana ho fanoherana ny fanjakazakana mivantana sy ankolaka nataon’ny Frantsay teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana, nipoitra tsikelikely ny « fanaga­siana ». Taona 2026, mbola misy diso fandray ihany ny tena raiketin’io teny io. Vohi­zina mafy indray ny fandikan-teny. Tafiditra ao anatin’izany rehefa mety ho voambolana vahiny. Manomboka re eny amin’ny fiarahamonina izy ireny. Hanaovan’ireo mpampianatra sy mpikaroka ezaka manokana, ireo taranja am­pianarina any an-tsekoly, sa­tria, hono, « tsy ampy voambolana ny teny malagasy ».
Manomboka miverina in­dray ilay fahadisoan-kevitra. Va­riana tamin’io fandikan-teny io ny mpikaroka sy ny tomponandraikitra ary ny sampandra­haraha mahefa rehetra. Ha­dino ilay tena « fanaga­siana ». Nanjary nahazo aina eo amin’ ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana ireo taranaka Malagasy indray ny teny vahiny. Deraina sy dokafana fatratra ireo sekoly mampiasa ny teny vahiny hoenti-mampianatra.
Mahavariana! Tsy mbola takatry ny mpanapa-kevitra sy ireo tomponandraikitra ma­hefa aty amin’ny taona 2026 ihany ve fa io fampiasana ny teny vahiny hoenti-manabe ny zaza malagasy io no fototry ny loza mitatao ho an’ity firenena ity?
Nanjary vahiny eto amin’ny taniny ny Malagasy. Tsy ma­hafantatra izay momba azy. Tsy afa-bela fa ziogain’ny « hafa » hatrany.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Basikety: Efatra herinandro ny fampivondronana

mer, 01/28/2026 - 08:47

Nanomboka ny alatsinainy 26 janoary lasa teo, haharitra hatramin’ny 20 febroary izao, ny fampivondronana ireo mpilalao eto an-toerana mandra­fitra ny Ankoay. Hitiliana izay ho ekipa nasionaly hiatrika ny lalao fifanintsanana ho amin’ ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026, taranja basi­kety, izy ity. Raha ny fandaharam-potoana, fanomanana ara-­batana sy “Technico tactique” no hiarahan’ireo mpilalao amin’ny mpanazatra mandritra ny 3 herinandro. Hiampy lalao izany amin’ny herinandro faran’ny fampivondronana. Ao­rian’izay, hihazo avy hatrany an’i Dakar ireo delegasionina ka hanao fampivondronana miaraka amin’ireo mpilalao avy ivelany. Nambaran’ny mpa­nazatra Ankoay, Rakoto­nanahary Ndranto, fa manana 6 andro eo hiarahana manao fanazarantena ireo mpilalao avy eto an-toerana sy ny avy ivelany, any Dakar. Efa mia­trika fifaninanana ihany ireo mpilaravinahitra ireo ka efa azo lazaina ho ampy kotrana. Nanamafy ihany koa izy fa mpilalao efa zatra niaraka ireto nantsoina ireto, misy vi­tsivitsy kosa anefa ireo vaovao ka misy ny paikady efa napetraka hampahomby ny fahaiza-miaraka.
« Tamin’ny fifaninanam-pirenena natrehan’izy ireo, ny taona 2025, no nitiliana ireto mpilalao miatrika fampivondronana ireto », hoy ny fanazavan’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasio­nina malagasin’ny basikety, Raza­fiarivony Solofohery Angelot. Miditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fampivondro­nana ary mizotra tsara izany, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina.

Mi.Raz

Catégories: National

Pureplay Football League : Nisy tsy tomombana ny lalao tany Mahajanga

mer, 01/28/2026 - 08:47

Olana tamin’ny mpitsara! Nanahirana indray ny lalao tany Mahajanga, nandritra ny andro fahatelon’ny “Pureplay Football League” (PFL). “Tena niharan’ny tsy rariny izahay. Anisan’izany ny zava-nisy ny alahady teo, baolina tokony hanomboka tamin’ ny 2 ora sy sasany, lasa amin’ny 3 ora sy sasany vao manomboka fa tsy hita ireo mpitsara sasany fa iray ihany no tonga teo ambony kianja. Rehefa nandeha ny lalao, mpitsara afovoany sy sisiny roa ihany no nisy, saingy tsy nisy ny mpitsara fahefatra”, hoy ny mpitantana ny klioba iray niatrika ny lalao tany an-toerana. Manamafy ihany koa ity lehiben’ny klioba ity fa tsy mitovy ny hevitr’ireo mpitsara rehefa nizotra ny lalao. Efa niantso ny tomponandraikitra mahakasika ny zava-nisy, ary efa nametraka fitarainana eny anivon’ny CFEM izy ireo.
Nilaza ny tomponandraikitra iray amin’ny ligy any an-toerana, fa tohin’ilay fikomiana ataon’ireo mpitsara sasany io tranga io. “Misy amin’ireo mpitsara no vonona hitsara an’ilay lalao, misy kosa ireo tsy manaiky ny handehanan’ilay fihaonana any an-toerana. Na eo ary izany, vita hatramin’ny farany avokoa ny fifanandrinana izay natao rehetra”, hoy ilay tomponandraikitra anivon’ny ligin’i Boeny.
Raha tsy misy ny fiovana, hisy ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny CFEM, anio, hiresahana mahakasika izany tranga izany.

F.R

Catégories: National

Lalao Olympika amin’ny andro ririnina : Hisolo tena an’i Madagasikara i Mialitiana sy i Mathieu

mer, 01/28/2026 - 08:47

Hanana solontena i Madagasikara mandritra ny andiany faha-25 amin’ny lalao Olympika, fanao amin’ny andro riri­nina. Fifaninanana hotanterahina any Italie, ny volana febroary ho avy izao. Hiatrika izany i Mialitiana Clerc sy i Mathieu Gravier.

Hiatrika ny “slalom” sy ny “slalom géant” i Mia, raha eo amin’ny “slalom géant” ihany ny an’i Mathieu. Hotanterahina any Milan-Cor­tina, Italie, ny zoma 6 febroary ka hatramin’ny alahady 22 febroary 2026 izao, ny lalao Olympika fanao amin’ny andro ririnina. Hanana solontena hiatrika izany i Madagasikara amin’ity andiany faha-25 ity. Atleta mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena, amin’izany, i Mialitiana Clerc (Mia Clerc) sy i Mathieu Gravier. Io no nambaran’ny Federasio­nina malagasin’ny Ski, omaly, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany. Hifaninana eo amin’ ny ski alpin, izany hoe, ny “slalom geant” sy ny “slalom” i Mia Clerc. I Mathieu kosa hiatrika ny ski alpin amin’ny “slalom géant”.
Tsy vao izao ireto Mala­gasy atleta ireto no hiatrika izany. Raha ho an’i Mia Clerc, fandraisana anjara fanintelony ity. Raha tsiahivina ny vokatra azony, ny taona 2018, tany Pyeonchang. Laharana faha-48 teo amin’ny “slalom géant”, ka 2 mn 39 s tao anatin’ny fiho­dinana roa natao. Faha-47 kosa ny tovovavy ho an’ny “slalom”, ka 2 mn 00.27 s ny nahavitany izany. Nihatsara izany zava-bitany izany ny taona 2022, tany Pekin. Faha-41 teo amin’ny “slalom géant” ary faha-43 teo amin’ny “slalom”. Inoana fa hiakatra ha­trany izany vokatra izany,
amin’ity. Fandraisana anjara fanindroany kosa izany ho an’i Mathieu. Ny voalohany, tany Pekin, ny taona 2022, ka teo amin’ny laharana faha-41 ho an’ny “slalom”, raha niala an-daharana teo amin’ny “slalom géant”. Atleta efa manana trai­kefa i Mathieu satria efa intelo niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ka ho an’ny sokajy “junior” ny taona 2024, natao tany Haute Savoie. Sokajy “senior” notanterahina tany Courchevel/­ Meribel, ta­min’ny 2023 sy ny tany Saal­bach, tamin’ity taona ity kosa ny faharoa. 23 taona i Mathieu Gravier, raha 25 taona i Mia Clerc.

Tompondaka

Catégories: National

TSELATRA

mer, 01/28/2026 - 08:46

Nanao fihetsiketsehana sy nidina an-dalambe, nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana, ny mponina tetsy Ilanivato, omaly. Ny fisian’ny ranobe tsy mety ritra eny amin’ny arabe ny antony, raha ny fanazavana avy amin’izy ireo. Nahitana fahatapahana, noho izany, ny lalana teny an-toerana, vokatr’io hetsika.
Nihaona mivantana tamin’ireo mpamily taxi-be zotra 194 sy zotra D teny 67 Ha Vatobe sy teny Andra­no­mena ny talem-paritry ny Filaminambahoaka Anala­manga, ny Commissaire prinicipal de Police Rafalimanana Alain Adonis, omaly. Nambarany fa hahazo sazy izay tratra manao kolikoly. Nentanina koa izy ireo hanaja ny fian­tsonana farany mba ho tombontsoan’ny besinimaro.
May kilan’ny afo ny trano fivarotana kojakoja fanorenana iray eny Tanjonandriana, Ambohimanam­bola, ny 26 janoary 2026 tamin’ny 03 ora sy 40 min tolakandro. Nirohotra nifehy ny afo ny zandary sy ny fokono­lona. Naharitra adiny iray mahery ny faharetan’ny firehe­tana. Simba ny entana rehetra tao an-tsena. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra. Afon-tsigara teo ambony moto ny antony nahatonga ny loza.
Nitrangana vaky fasana tany Fandrianarivo, fokontany Sahapetraka, distrikan’i Soavinandriana, ny alin’ ny 24 janoary 2026 teo. Lasan’ireo olon-dratsy ny taolambalo miisa roa. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ireo zandary avy amin’ny tobim-paritra Soavinandriana. Nave­rina nohidina sy nohamafisina ny hidim-pasana taorian’ny tranga.

Catégories: National

Ankazobe : Nahitana taolambalo niparitaka teny an-tanimbary

mer, 01/28/2026 - 08:45

Nahitana taolambalo efa niparitaka teny andrefan-tanànan’i Manjaka, fokontany Voninahitrinitany II, disitrika Ankazobe, ny 26 ja­noary 2026, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany folakandro. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra izany tany anaty tanimbary ka nampandre ny tomponandraikitra. Tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadiha­diana ny zandary miasa ao amin’ny Brigade territoriale Ankazobe, taorian’ny antso. Taolambalo efa niparitaka tamin’ny toerana samihafa no hita. Nahitana karandoha iray, taolan-dava telo, “machoire” iray ary fita­fiana iray efa simba teny amin’ ny manodidina. Tsy nisy na­hafantarana ny razana in­tsony, heverina ho andro maro ny nahafatesan’io olona io. Tsy mbola hita kosa ireo ambin-taolana hafa.
Nisy lehilahy iray 54 taona, mipetraka ao Ambondrona, fokontany Voninahitrinitany II, efa tsy hita nanomboka ny 19 janoary 2026 lasa teo, raha ny angom-baovao nataon’ireo mpitandro filaminana niandraikitra ny famotorana. Mipetra-drery io lehilahy io ary hitan’ny olona mivezivezy eny amin’ny manodidin an’Ankazobe. Nampiahiahy ny fokonolona ny tsy nahitana azy ary heverina ho izy io hita faty io. Mpi­sotro toaka ary matetika mamo izy. Tombanana ho nianjera tany anaty lakandrano izy tamin’ny fotoana nahamamo azy ka maty. Notarihan’ny alika ny fatiny ka izay no na­hatonga ireo taolambalo niparitaka ireo. Mbola tsy voafaritra mazava ny tena anton’ ny fahafatesana. Natolotra ny fianakaviana ireo taolambalo sisa tavela mba ho alevina taorian’ny fanadihadiana sy ny fizahana nataon’ny mpitsabo.

Mino

Catégories: National

Pureplay Football League : Misongadina hatrany ny Disciples FC

mar, 01/27/2026 - 09:05

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahatelo fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Foot­ball League”. Nahazo fandresena fahatelo, tamin’izany ny Disciples FC rehefa nandavo ny Uscafoot tamin’ny isa 3 no ho 1, tao amin’ny Kianja Vé­lodrome Antsirabe. Manana isa sivy izany izao ny Discip­les FC, ary mipetraka ho laharana voalohany ao amin’ny Kaonferansy Atsimo. Ny fa­ran’ny herinandro ho avy izao, hifandona amin’ny Elgeco Plus, tompondakan’i Madaga­sikara farany teo, ity klioba avy any Vakinankaratra ity. Efa nifandona teo amin’ny fa­maranan’ny PFL 2024 ireto klioba roa ireto, ary ny Discip­les FC no nivoaka ho mpandresy tamin’izany. Ankoatra izay, samy nahazo mpilalao vaovao na ny Disciples FC na ny Elgeco Plus. Ny Elgeco izay ahitana an’i Toky sy Lalane ary ny Disciples kosa nohatevenin-dry Rado, Kely ary Fely.
Ankoatra izay, nahazo fandresena 2 no ho 0 teo anatrehan’ny Mama FC ny AS Ste Anne, omaly, teny amin’ny kianjan’ny CFFA Iavoloha. Mitana ny laharana faharoa ao amin’ny vondrona Atsimo ny AS Ste Anne, manana isa fito. Mbola mihazona ny lohany ao amin’ny Kaonferansy Avaratra kosa ny Tsaraman­droso Formation. Nandresy ny FC Rouge, 2 no ho 0, ry zareo avy any Boeny. Marihina fa ireto klioba roa ireto, izay mbola tsy resy mihitsy tamin’ny lalao telo nataony.

Fitia Randria

Catégories: National

SOMBIM-BAOVAO

mar, 01/27/2026 - 09:04

Araka ny fikarohana natao omaly, mbola manohy ny diany amin’ny baolina kitra matihanina any Arabia Saodita, i Carolus, Malagasy lohalaharana. Rehefa avy nilalao tao amin’ny Al Sadd izy dia izao nifindra ao amin’ny klioban’ny Al Ain FC, diviziona faharoa, any an-toerana, izao indray.

Hotanterahina rahampitso, ny tohin’ny fifanintsanana Eoropeanina, taranja baolina kitra, « Ligue des Champions ». Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’izany, ny fifandonan’ny Paris Saint-Germain PSG, frantsay amin’ny Newcastle United, anglisy, ao amin’ny Parc de Princes. Tsara ny mampahatsiahy fa ny PSG no tompondaka faran’ny LDC tamin’ny taon-dasa.

Nisongadina ny Malagasy mpilalao échecs, nandritra ny fifaninanana nampitain-davitra “Ioca 2026”, taranja Échecs, tontosa ny herinandro lasa teo. Ma­lagasy 6 no nahazo fankasitrahana, nandritra izany, noho ny vokatra tsara azon’izy ireo. Nahazoan’i Mada­gasikara izany fankasitrahana izany, ny tamin’ny filaharana ankapobeny, ny sokajy vehivavy ary ny sokajy Jeunes.

Catégories: National

Pancrace-2026 : Hiditra amin’ny “Combat de défi” faha-6

mar, 01/27/2026 - 09:04

Nomarihina tamin’ny fiarahana mikorana teny amin’ny Cemes Betongolo, ny sabotsy lasa teo, ny fanombohana ny taom-pikatrohana 2026, ho an’ny taranja pancrace. Nandritra izany no namelabelaran’ny kaomisiona malagasin’ny pancrace / MMA sy “Submission” ny fandaharam-potoana miandry amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fanatanterahana ny “combat de défi” andiany faha-6. Nambaran’ny filohan’ny Kaomi­siona, Zafindranaivo Zely, fa “goavana ny ady hitranga mandritra ity andiany faha-6 ity ary efa mampiomana sahady ireo mpikatroka izy fa afaka mandray anjara avokoa ny sokajin-danja rehetra. Tsy ambakan’izany ihany koa, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ary hisy fifaninanana iraisam-pirenena handraisan’i Madagasikara anjara amin’ity taona ity”. Nohamafin’i Zafindranaivo Zely fa amin’ity taona ity no hifarana ny fitantanany ka hatao ny volana de­sambra 2026 ny fifidianana. Raha mbola hatolotr’ireo klioba sy mpitia ny taranja pancrace izy dia mbola vonona ny hirotsaka. Saingy kosa, miantso ireo tena tia ity taranja ity hilatsaka hofidina ihany koa ny tenany.

Mi.Raz

Catégories: National

Tsipy kanetibe Analamanga : Hanasazy ireo mpilalao tsy manara-dalàna

mar, 01/27/2026 - 09:02

Hametraka rafitra manaraka ny lalàna ny ligin’ny tsipy kanetibe Analamanga, ho an’ny taom-piasana vaovao. Hampanara-dalàna ireo mpilalao sy ny klioba. Hanome sehatra ireo rehetra koa ho fampivoarana ity taranja ity, miainga any amin’ny fokontany, hatrany amin’ny divizionina nasionaly.

Nanatanteraka fikaonandoha, niaraka tamin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny tsipy kanetibe, ny ligin’Analamanga, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Anisany nisongadina tamin’izany ny mahakasika ny fitsipika sy ny fitondrantenan’ny rehetra. Nambaran’ Andriantsiferana Ravaka, filohan’ny ligy, fa “tsy handefitra ny ligy amin’ny tsy fanarahan-dalàna ka hanasazy ireo mpilalao sy klioba mihoa-pefy”. Tafiditra ao anatin’izany ireo lalàna efa napetraky ny Fede­rasionina iraisam-pirenena, toy ny fitafiana entina miatrika lalao sy ny tsy tokony handraisana zava-pisotro misy alikaola na fifohana zava-mahadomelina. “Tsy sanatria ka avy amin’ny ligin’Analamanga no hiavian’ny sazy ho an’i Mada­gasikara indray”, hoy i Ravaka.
Ankoatra izay, tsy handeferana intsony, manomboka izao, ny fanaovana “tournoi sauvage” na tsy ao anaty rafitra sy tsy nahazoana alalàna. Tsy misy intsony, araka izany, ireny karazana fifaninanana misy “boss” sy “élite” fanao isan-kerinandro ireny fa fifaninanana manaraka ny lalàna no hatao dia ny olon-tokana, olon-droa ary olon-telo miaraka karakarain’ny ligy. Politika vaovao ho an’ny ligin’Anala­man­ga ny hanome sehatra ny rehetra miainga any amin’ny fokontany, ireo mpiasa amin’ny orinasa, ny mpankafy ary ny mpanao gazety, mipaka any amin’ny divizionina nasionaly, mandritra ny fotoam-pitantanany. Anisan’ny politika vaovao ho azy ireo izany.
Raha tsy misy ny fiovana, hisokatra amin’ny sabotsy 14 marsa ho avy izao, ny taom-pilalaovana ho an’ny ligin’Ana­la­manga. Hisantatra ny fiadiana ny ho tompondaka ny an’olon-telo, hatao ny 2 mey ho avy izao.

Tompondaka

Catégories: National

TARATRY NY KANTO

mar, 01/27/2026 - 09:00

« Haitsikerana sarimihetsika: Tsy doka na kiana be fahatany ». Io ny lohahevitry ny velakevitra izay hotontosaina ny alarobia 4 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika izany i Aina Randrianatoandro, iray amin’ireo niofana manokana momba ny haitsikerana sarimihetsika, izay mbola vitsy mpanao eto amintsika. Misokatra ho an’ireo rehetra anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika, ho an’ireo mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, ho an’ireo mpianatra sy izay rehetra liana momba ny sarimihetsika izany.

Miverina mitodika any amin’i Wendy Catalina indray ny maso sy sain’ny mpanara-baovao manaitaitra anaty tambajotra sosialy. Nisy nanaparitaka mantsy ny horonantsary voalaza fa mamoafady mahakasika azy sy ny mpanakanto CkyCky. Izay fahamarinany mbola tsy voaporofo, saingy ny fahafaham-baraka no lasa aloha, toy ny tranga rehetra miparitaka anaty  Facebook. Tranga lasa mateti-piseho eo amin’ireo mpanakanto sy olo-malaza ny toa izao, izay tokony hitandreman’ireo tsy mbola voa, indrindra amin’ny fanaovana « vidéo » na fifanakalozana sary sy horonantsary mety hanala baraka sy hampalaza ratsy indray andro any. Raha tsy hoe izay mihitsy no tanjona…

Hisy ny fananganana tarika mpilalao vakodrazana, ao amin’ny kaominina Sandrandahy. Faritra anisan’ny mbola mihazona sy mampita hatrany ny vakodrazana ny any Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony. Nanapa-kevitra ny hanangana tarika iray mahasolo tena ny kaominina ny ao Sandrandahy, mba hisolo tena azy ireo raha misy ny fifaninanana na fiantsoana mpanakanto amina hetsika mila mpanao vakodrazana. Hotontosaina ny 14 sy 15 izao ny fifantenana, ho an’ireo lehilahy sy vehivavy mpanakanto feno 18 taona hatramin’ny 40 taona. Ny fitafy maneho ny kolontsaina any an-toerana, ny feo, ny fihetsika ary ny fifehezana ny zavamaneno no tsaraina mandritra izany.

Catégories: National

PFL 2025-2026: victoire précieuse de l’AS Sainte-Anne sur Mama FC

mar, 01/27/2026 - 08:39

L’AS Sainte-Anne a décroché une victoire importante 2-0 hier, face à Mama FC, lors du match en retard de la 3e journée de la Pureplay Football League saison 2025-2026. Ce succès acquis en seconde période permet aux Saints de consolider leur place dans le top 3 de la Conférence Sud et de rester au contact du leader Disciples FC, qui conserve la tête.
La première mi-temps a été disputée, les deux équipes se neutralisant au milieu. Mama FC a tenté de poser son jeu et d’exploiter les espaces dans le dos de la défense locale, mais Sainte-Anne a bien verrouillé, récupérant haut et empêchant les visiteurs de trouver le dernier geste. Les occasions nettes ont été rares, avec une légère domination territoriale pour les locaux sans que le score n’évolue.
Le match s’est décanté à quinze minutes du terme. Sur une contre-attaque éclair, Daurlin a parfaitement ajusté une frappe précise depuis l’entrée de la surface (75e). Ce but a libéré les Saints et assommé Mama FC, qui a ensuite tenté de pousser sans réussir à percer le bloc défensif adverse. Le break est intervenu à la 87e minute. Gauche a profité d’un ballon mal repoussé pour placer une frappe croisée imparable et sceller le 2-0.

Daurlin co-leader du classement des buteurs
Grâce à cette réalisation, Daurlin porte son total à trois buts et rejoint Tendry (Disciples FC) en tête du classement des meilleurs buteurs toutes conférences confondues. Après la 3e journée, les deux attaquants occupent la première place ex æquo avec 3 buts chacun. Cette lutte promet déjà une belle bataille pour le titre de meilleur réalisateur tout au long de la saison.

Naisa

Catégories: National

MJS – Egypte : vers un renforcement de la coopération en faveur de la jeunesse et du sport

mar, 01/27/2026 - 08:38

Madagascar et l’Egypte réaffirment leur volonté de renforcer leur coopération , notamment dans les domaines de la jeunesse et du sport. Le ministre de la Jeunesse et des Sports, Alain Désiré Rasambany, a reçu, hier à Ambohijatovo, l’ambassadrice d’Egypte à Madagascar, Rabab Said Abdou Abdelhadi, dans un échange qui a mis en lumière une dynamique de partenariat prometteuse.
Au cœur de la discussion : l’envie de construire ensemble des projets concrets pour les jeunes. Le ministre a partagé son expérience lors de la 3ᵉ Conférence Yseo en Egypte, soulignant l’importance de s’inspirer des bonnes pratiques et d’adapter les idées aux réalités malgaches.
La coopération entre les deux pays se veut aussi très pragmatique. Madagascar développe des initiatives visant à redonner confiance aux jeunes dans les institutions, tout en encourageant l’entrepreneuriat et l’engagement citoyen. Dans ce cadre, l’idée de créer des centres de coopération Mada­gas­car-Egypte, dans les régions, a été évoquée pour faciliter les échanges, la formation et l’innovation.
Autre axe fort, la formation des jeunes, des entraîneurs et des athlètes. Un accord de coopération est en cours de préparation pour renforcer ces actions et partager davantage d’expertise entre les deux pays. La mise en place d’une plateforme d’échanges entre jeunes malgaches et égyptiens a été aussi abordée afin de créer des ponts, favoriser le dialogue et permettre la réalisation de projets communs.

Soafara Pharlin

Catégories: National

Karting – O-Plate Dubaï: Matheo Rajomarison signe un record personnel

mar, 01/27/2026 - 08:38

Le jeune pilote malgache de karting, Matheo Rajomarison, poursuit son parcours d’apprentissage sur la scène internationale. Engagé à l’O-Plate de Dubaï, une compétition de haut niveau, ce week-end, il a conclu la super finale à la 22ᵉ place sur 33 concurrents.

En franchissant la ligne d’arrivée, il signe également un record personnel avec un chrono de 56 secondes. Une performance significative, symbole de son adaptation rapide, de sa capacité à rivaliser dans un contexte très compétitif et de son potentiel de progression.
Aligné dans la catégorie Rotax Max Junior, Matheo découvrait pour la première fois le tracé exigeant du Kartdrome de Dubaï, aux Emirats arabes unis. Face à un plateau particulièrement relevé, composé de pilotes expérimentés venus du monde entier, le champion de Madagascar a progressivement trouvé ses marques. Dès les premières séances, il réalisait des chronos autour des 59 secondes posant les bases d’un week-end prometteur. Après les phases qualificatives, il a occupé la place 25ᵉ, avant de terminer 27ᵉ lors du premier Heat.

Progression constante
Au fil des courses, le jeune pilote a affiché une progression constante. Plus précis dans ses trajectoires, plus confiant dans ses dé­passements, il a su élever son niveau de pilotage malgré plusieurs obstacles. Un incident de course lors du Heat 2, puis un problème mé­canique en superheat, sont venus compliquer son parcours sans pour autant entamer sa détermination.
Il s’agissait de la deuxième épreuve internationale disputée par Matheo en moins de trois mois, après sa participation à la FIA Karting World Cup en Malaisie.

Soafara Pharlin

Catégories: National

Un monde de « fous »

mar, 01/27/2026 - 08:37

D’aucuns ignorent que le pays s’est engagé dans la refondation de la République de Madagascar. Certaines personnes se sont trompées en assimilant la refondation à la réconciliation, notamment la réconciliation des partis politiques. Certains y croient dur comme fer d’où cette frénésie qui anime la multitude de partis.
D’ailleurs, on peut se demander si une réconciliation est possible entre les partis politiques ? En vérité, c’est un non-sens dans la mesure où l’objectif final de tout parti politique est de conquérir le pouvoir. C’est le but ultime de chaque parti politique, c’est sa raison d’être.
Toutefois, la con­quête du pouvoir n’est pas toujours aisée car il arrive que la concurrence soit ardue. Dans certains cas, il faut accepter de partager le pouvoir en établissant des alliances avec d’autres partis. Et c’est ce qui amène les analystes politiques à se lancer dans des spéculations les plus invraisemblables.
Certes, en matière politique, on assiste des fois à des alliances con­tre nature. Cela peut arriver quand deux grands partis politiques pro­fondément adversaires voient d’un mauvais œil l’arrivée d’un troi­sième larron qui peut remettre en question leur duel prévu.
Dans ce cas de figure, les deux rivaux traditionnels peuvent faire acte d’un certain rapprochement afin d’évincer l’intrus. De quelle ma­nière ? Il y a de nom­breux moyens pour ce faire. D’ailleurs, en politique, tous les coups sont permis. Et on ne fait que compter les abattis.
Mais ce type d’alliance n’a pour objet que d’écarter le trouble-fête afin de pouvoir conquérir le pouvoir. Autre­ment dit, c’est une alliance qui ne peut pas durer. A termes, elle est donc vouée à la disparition dans un délai plus ou moins long suivant plusieurs facteurs.
Entre autres, une fois débarrassée de l’intrus, chacun des deux partis concernés estime que désormais, il peut voler de ses propres ailes. Dans ce cas, on cherche toujours à écarter l’allié ponctuel du cercle de pouvoir par différents moyens.
L’une des parties peut également se sentir lésée par rapport à l’au­tre dans l’attribution des responsabilités au sein du pouvoir. Il se peut également que l’orientation donnée à la gestion des affaires de l’Etat ne fasse pas l’unanimité. De toutes les façons, gérer une alliance politique n’est pas simple pour tous ceux qui se décident à s’y engager.
C’est pour cette raison que l’on éprouve, bien trop souvent, toute la peine du monde pour comprendre les tenants et aboutissants de certaines décisions politiques. Et à force de chercher à comprendre ces décisions, on peut en devenir fou, à plus forte raison qu’à Madagascar, le mon­de de la politique est un monde de « fous ».

Ranaivo Lala Honoré

Catégories: National

Colonel Michaël Randrianirina : « Les fonctions régaliennes reviennent à l’Etat, non au secteur privé »

mar, 01/27/2026 - 08:36

À l’occasion de la Journée internationale des douanes (JID), le Colonel Michaël Randrianirina, président de la Refondation de la République de Madagascar, s’est interrogé, « Pourquoi externaliser-t-on des fonctions inscrites dans le pouvoir régalien de l’État à d’autres entités ? ».
Le chef de l’État rejette toute délégation de ces missions stratégiques au privé. «Nous n’avons pas besoin de secteur privé dans les fonctions régaliennes de l’État », a-t-il affirmé. Il pointe du doigt certaines dérives : « Peut-être est-ce à cause de l’avidité des politiciens qui accordent à leurs entreprises ou amis ces postes stratégiques, ou encore de la méfiance de nos compatriotes vis-à-vis de nos institutions ? ».
Pour lui, ces fonctions (Surveillance des frontières, sécurité et collecte des recettes fiscales) constituent le socle de la souveraineté nationale. « La souveraineté économique dont nous parlons toujours ne sera efficace qu’après les efforts que nous aurons faits pour rétablir la confiance de nos usagers », a-t-il lancé. Il nuance toutefois : « Le secteur privé a son utilité, mais nous devons aussi maintenir avec honneur et droiture les fonctions régaliennes qui nous sont attribuées ».
Le ministre de l’Économie et des Finances, Dr Herinjatovo Aimé Ramiarison, confirme ce virage. «La collecte des recettes fiscales sera désormais assurée par les services publics. (…) Nous pouvons compter sur le retour de la collecte des impôts sur la délivrance des visas à la Direction générale des impôts ». Il conclut : «Ce sont des domaines stratégiques dont la sécurité et la souveraineté nationale dépendent. C’est parfaitement normal que ces fonctions régaliennes reviennent à l’État».

Arh.

Catégories: National

Hiragasy goavam-be : Samy sangany no nifanandrina

lun, 01/26/2026 - 09:40

Tarika Ramaroson Soa­nie­ranabe nifanandrina ta­min’ny tarika RaEmilison Tsi­makalagy avy any Arivoni­ma­mo. Nifandanja ny anda­niny sy ny ankilany. Izay no nahitan’ireo mpijery ilay adin-kiragasy, tetsy amin’ny Kianja RaPetit Ampefiloha, omaly. Samy nitondra sy naneho ilay nahafantaran’ny olona azy hatramin’izay ny tarika tsirairay. Samy nahatazona ny fi­fantohan’ny mpijery ihany koa. Tarika RaEmilison, anisan’ny havanana amin’ny ka­bary. Tsy latsa-danja ta­min’izany ny an’ny tarika Ramaroson avy any Soanie­ranabe. Niara-niaiky ny rehetra fa nahitana fivoa­rana tsara ny hiragasy. Afaka manaraka ny vanim-potoana ihany koa.
Tsikaritra, omaly, ihany koa fa tsy mahasakana ny mpitia hiragasy ny fotoam-pahavaratra. Tolo-kevitra avy any amin-dry zareo ny : « to­kony hampidirana maraindraina ny adin-kiragasy, amin’izay mba mirava alohan’ny hirotsahan’ny orana, ny tolakandro ». Teo ihany koa ny tokony hijeren’ny tomponandraikitra isan’ ambaratonga ny asa fandraharahana eo amin’ny tonto­lon’ny hiragasy.
Raha ny tazana teny an-toerana. Anisan’ny mahavariana sy mahasondriana ny mpitia hiragasy ny fandrenesana tantara atao an-kira ao anatin’ity zavakanto iray ity.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Pr Siméon Rajaona 100 taona : Hisy fifaninanana asasoratra ho tsangambato

lun, 01/26/2026 - 09:39

Andrarezin’ny teny malagasy. Tsy ho lalovam-potsiny ny tsingerin-taona faha-100 nahaterahan’ny Pr Siméon Rajaona fa hanatanterahana tsangambato hipetraka ho an’ny taranaka any aoriana.

Pr Siméon Rajaona, teraka teto Antananarivo ny 18 febroary 1926. Tsy ho lalovam-potsiny io faha-100 taona io fa homarihina amin’ny fifaninanana asaso­ratra ho tsangambato. Hizara sokajy efatra ny ao anatiny : tantara foronina, amboarantononkalo, sombintantara ary fandikana asasoratra vahiny. Manomboka ny 18 febroary izao ka hatramin’ny 19 jona ny fandraisana ny sanganasan’ny mpifaninana eny amin’ny Fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary siansa maha olona (FLSH, varavarana faha-120), oniversiten’Antananarivo. Loka telo isaky ny sokajy no hatolotra ireo izay mivoaka ho mpandresy amin’ny 6 novambra 2026. Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana. Asa­soratra vaovao tsy mbola navoaka anaty boky no afaka mifaninana. Olona iray no man­defa ilay asasoratra. Izany hoe, tsy itambarana ka karazana asasoratra iray ihany no ahafahany mandray anjara.
Raha tsiahivina, ny Pr Si­méon Rajaona no sojabe voalohany tao amin’ity lalam-piofanana ity ny taona 1972. Mpi­kambana tao amin’ny Aka­demia Malagasy ihany koa izy. Nitarika ny haiteny ara-drafitra sy araka anjara asa tamin’ny fandalinana ny fiteny malagasy ka namoahany ilay boky « Structure du malgache, étude des formes prédicatives ».
Anisan’ny nahafantarana azy teo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga faharoa kosa ny namoahany ny boky « Takelaka notsongaina » Tome 1 ny taona 1962 ary ny Tome 2 ny taona 1963. Nitohy tamin’ny asa fikarohany ny Pr. Siméon Rajaona ka namoaka ny boky « Prob­lèmes de morphologie malgache » ny taona 1977. Ny 23 jona 2013 no nodimandry izy.

HaRy Razafindrakoto

Catégories: National

Karate-Analamanga: Niofana momba ny “Médecine du Sport”

lun, 01/26/2026 - 09:39

Nanatanteraka fiofanana mahakasika ny “Médecine du Sport”, teny Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny eo anivon’ ny ligin’Analamanga ny Karate. Noho ny fahatsapan’izy ireo ny maha zava-dehibe ny lafiny fitsaboana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no anton’izao, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ny Karate, Rakotomalala Pierrot. Hampiakarana ny fahaiza-manao sy ny fahalalana ho an’ny mpikatroka karate no tanjona, hoy hatrany izy, satria maro ny tsara ho fantatra mahakasika ny fahasalamana mialoha ny hanaovana fifaninanana sy mialoha ny hanaovana karate, izay nampahafantarina azy ireo nandritra ity fiofanana ity. Hampita ny fahalalana amin’ireo atleta ireo niatrika ity fiofa­nana ity mba hahafahana mampihatra izay noratovina. Vinavina ny hanatanteraka ny fiofanana ho indroa isan-taona, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ny taranja karate hatrany. Anisan’ny niatrika ny fampiofanana tamin’io sabotsy io, ny filohan’ny federasionina ny Karate-do Mala­gasy, Ratefinanahary Émile.

Mi.Raz

Catégories: National

Dignitas Ecole de Football: Manomana ankizy ho mpilalao matihanina

lun, 01/26/2026 - 09:38

Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, teny Alasora ny ivontoerana manabe sy mampianatra baolina kitra ho an’ireo ankizy, Dignitas école de football. Nisokatra ny volana septambra 2022 ary hetahetan-dRazafindrakoto Mamisoa, mpi­lalao sady kapitenin’ny Scorpions de Madagascar ary mpanazatra ny Disciples FC ankehitriny ny nanangana izany. Tanjony ny hamolavola mpilalao, ara-teknika sy tak­tika ary ara-batana sy saina. Hanomana mpilalao ho amin’ ny sehatra ambony ary hampiasa ny baolina kitra ho fitaovana fanabeazana.
Avy amin’ny teny latinina hoe mendrika no nakana ny anaran’ny sekoly. Filamatra amin’ny fahamendrehana, fa­najana ary firaisankina.
Tsy mijanona amin’ny fa­no­mezana teknika fototra ho an’ny ankizy fotsiny ireo mpanabe. Ny taona 2024, nitsiry ny finiavana hiditra lalindalina kokoa amin’ny fanatsarana hatrany ny fahaiza-manaon’ireo ankizy ka teraka indray ny tetikasa vaovao Dignitas Fu­turum na ny “Avenir”. Zava-kinendry ny hanofana ireo ankizy voafantina ho lasa matihanina eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena. Misahana azy ireo i Ma­misoa sy i Rija Juvence, mpilalao tao anaty ekipam-pire­nena fahiny ary tale teknika nasionalin’ny Dignitas. An­kizy 14 sy 15 taona no voakasik’izany saingy misy sivana ny fidirana ao. Taona vitsy nitsanganan’ny Dignitas école de foot sy ny Dignitas Fu­tu­rum, efa maro ireo amboara azony tamin’ny fifaninanana. Miara-miasa amin’ny kaomi­nina Alasora sy ireo mpanohana maro izy ireo, izay na­nome fanamiana ary sakafo ho fanohanana ireo ankizy.

Tompondaka

Catégories: National

Pages