Une collaboration renforcée entre le Bureau indépendant anti-corruption (Bianco) et l’Agence de recouvrement des avoirs illicites (Arai), qui viennent de signer un mémorandum d’entente hier à Ambohibao, pour plus d’efficacité dans la mise en œuvre des lois anti-corruption et de recouvrement des avoirs illicites.
La lutte contre la corruption et le recouvrement des avoirs illicites, demeurent un véritable défi pour le Bianco et l’Arai. Pour y parvenir, ils ont décidé d’unir leurs efforts et de travailler en étroite collaboration dans le cadre de la mise en œuvre de la nouvelle Stratégie nationale de lutte contre la corruption (SNLCC). Et ce mémorandum d’entente pour une durée de deux ans renouvelables, permet aux deux parties de renforcer leur synergie dans plusieurs domaines cruciaux de la lutte contre la corruption et de recouvrement ainsi que de la confiscation des avoirs illicites.
L’objectif est d’établir un cadre de collaboration et d’échange de données, d’informations et de renseignements utiles entre les deux parties prenantes, afin de mener à bien et à terme les enquêtes relatives aux infractions de corruption, de blanchiment de capitaux ou encore de détournement de biens et deniers publics.
Echange de données et d’informations
Dans ce sens, le Bianco est tenu de coopérer avec l’Arai, pour faciliter la récupération des biens saisis et gels aux fins de recouvrement des avoirs illicites. Il devra également transmettre des informations et renseignements requis par l’Arai, pour pouvoir exécuter les décisions de gel, saisie ou confiscation. Le bureau anti-corruption devra aussi fournir des expertises spécifiques en vue de renforcement des capacités en matière de lutte contre la corruption. De son côté, l’Arai devra également fournir les informations nécessaires au Bianco et garantir la saisine des biens et leurs conservations.
Pour afficher sa détermination à aller de l’avant dans la lutte contre la corruption, le DG par intérim de l’Arai, Rado Rajhonson Andrianjatovo, ainsi que des cadres de l’organe, ont déposé leurs déclarations de patrimoine auprès du Bianco. « L’obligation de déclaration de patrimoine est instituée par la loi, afin de promouvoir la transparence dans l’exercice des fonctions publiques, garantir l’intégrité des serviteurs de l’Etat et de restaurer la confiance du public envers les Institutions », a d’ailleurs rappelé le DG du Bianco, Gaby Nestor Razakamanantsoa.
T.N
Niverina indray ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, halina na anio maraina, ilay rivodoza Jude rehefa avy any Mozambika. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Morombe sy Saint Augustin izy, rahampitso tolakandro, amin’ny tanjaka Tempête tropicale moderée (80 km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy).
Manoloana izany, entanina sahady ny mponina amin’ny faritra sy distrika: Atsimo andrefana, Androy, Anosy, Morondava, Manja, Ihosy, Iakora, Befotaka, Midongy Atsimo ary Vangaindrano hiomana ka hampihatra ny fepetra mahakasika ny filazana fanairana miloko maitso.
Tany amin’ny 1 130 km avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny, omaly maraina. 45 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 55 km isan’ora any an-dranomasina. Tsy nihetsika firy izy tato anatin’ny adiny enina farany. Entanina ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Besalampy ka hatrany Taolagnaro tsy hiandriaka intsony manomboka anio maraina.
Vonjy
Nisitraka fiofanana mahakasika ny fandaharanasa “Sandwatch sy Kit Mad’ErE” ny mpampianatra any amin’ny faritra Menabe, tamin’ny herinandro lasa teo. Nahazo izany ny mpampianatra avy amin’ny sekoly dimy ao amin’ny Cisco Morondava. Ankoatra izay, samy notolorana fitaovana Kit Sandwatch sy Kit Mad’ErE avokoa ny sekoly dimy ahitana ny CEG Centre, CEG Ankisirasira, EPP Anosikely, EPP Betania ary EPP Morondava Centre. Tanjona ny hampiroboroboana sy hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ara-tontolo iainana, indrindra ny tontolo amorontsiraka, manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Eo koa ny hanamorana ny hisian’ny fanjohiana arahana tantsoroka manakaiky ny mpampianatra. “Antenaina ny hisian’ny tombana ahafantarana ny vokatra entin’ny fandaharanasa eo amin’ny kalitaon’ny fanabeazana sy eo amin’ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny”, hoy Rasolondrainibe Miandrisoa Maxime, Chargé de Programme du secteur éducation -ComNat/Unesco. Irina ihany koa ny hitohizan’ny fandaharanasa any amin’ny faritra hafa mbola tsy nisitraka izany. Marihina fa nitarika ny fanatanterahana ny fandaharanasa ny vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco (ComNat/Unesco) sy ny Centre de recherche en éducation environnementale (Cree). Manohana izany kosa ny tetikasa Recos sy ireo mpiara-miombon’antoka maro toy ny AFD, CIO, FFEM…
Mino
-22,2% ihany ny vehivavy mpianatra miofana araka asa eny amin’ny sekoly ambony politeknika, araka ny fanadihadiana nataon’ny cabinet Fred Ingeneering sy ny cabinet Miarintsoa ny taona 2024. Fiofanana momba ny olana sedrain’ny vehivavy miasa amin’ny fanaovan-dalana izany.
Rehefa tonga ny fahavaratra, anisan’ireo faritra andalovan’ny rivodoza sy tratry ny orambe ny distrikan’i Vohemar, Andapa, Antalaha, Sambava. Misy ireo
toerana tena marefo ao anatin’ireo faritra ireo. Nisy ny famolavolana drafitra fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza hananana drafitra matipaika, ahafahana miatrika ireo loza mety hitranga. Paikady natsofoka tao anatin’izany ireo asa atao mialoha ny hampihenana ny fiantraikan’ny loza ho an’ny vahoaka, ireo trano fonenany ary ireo fotodrafitrasa.
Miroso amin’ny fandaminana tsy azo ihodivirana ny kaominina Ivato amin’ireo tsena amoron-dalana manelingelina ny fifamoivoizana sy ny fianarana manodidina. Voafetra hatramin’ny 8 ora maraina ny tsenan’ny tantsaha. Manamorona ny Lycée, misy fivarotan-toaka sy mpampiditra hira manakorontana ny mpianatra ka tsy maintsy hoesorina.
Hitondra fanazavana amin’ireo olona voakasiky ny tetikasam-panjakana Rocade Tsarasaotra ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao, anio. Maro ny lainga sy savorovoro iniana volena manodidina ity resaka ity ho fiarovana tombontsoan’olom-bitsy, izany indrindra no hanazavana ny sain’ny mponina.
Mitarika ny delegasiona malagasy any Etazonia, amin’ny fivoriambe andiany faha-69 ny komity misahana ny anjara toeran’ny vehivavy ao anatin’ny Firenena mikambana na CSW69 ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie.
Vehivavy tomponandraikitra maneran-tany no manao tombana ny fanatanterahana ireo fanamby natao tany Beijing, 30 taona lasa izay.
Dinihina ny mahakasika ny anjara toeran’ny vehivavy amin’ ny sehatry ny fanapahan-kevitra, ny fahasalamana sy ny fanabeazana. Eo koa ny fampitsaharana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin’ny fampandrosoana lovain-jafy. Anaovana tombana koa ny fampananana asa mahavelona, ny ady amin’ny fahantrana, ny fiahiana ara-tsosialy…
Nahavita ezaka i Madagasikara amin’ny fanomezan-danja ny zon’ny vehivavy. Na izany aza, mbola betsaka ny asa miandry amin’ny fampizakan-tena azy ireo, mifanaraka amin’ny politika akapoben’ny fanjakana ao anatin’ny vina fampiroboroboana ny maha olona.
Mifanindran-dalana ny fivoriana manokana mahakasika ny fampiharana ireo fanamby tany Beijing, ao anatin’ny vondrona Sadc, izay nataon’ireo minisitra sy ireo tomponandraikitra misahana ny vehivavy.
Nampahatsiahivina tamin’ io fa i Madagasikara no hampiantrano ny fivoriambe faratampon’ny Sadc amin’ny volana aogositra 2025 ho avy izao.
Tatiana A
Tetikasa telo: Projet Connecter Madagascar pour une Croissance Inclusive (PCMCI), Projet de Développement Durable du secteur Routier à Madagascar (PDDR) ary ny projet d’Appui à la Connectivité des Transports (PACT) nanaovana fanadihadiana. Ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy misahana faritra 12, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ahafahana mamantatra ireo sakana tsy ahafahan’ny vehivavy hisitraka asa anatin’ny fanaovana lalana no nanaovana izany.
Miteraka asa maro ny fanaovan-dalana, matetika ny lehilahy nandranto fianarana manokana momba izany no voaray. Ny vehivavy izay tsy nandia fianarana lavitra momba ny asa vaventy dia voailika, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana momba ny miralenta, Razafindravao Lydia. Natao ny volana novambra 2024 ny fanadihadiana ahalalana ireo sakana ka hitondrana tolo-kevitra harahina drafitrasa hanarenana ny zava-misy.
12% ny vehivavy efa misehatra amin’ny tetikasa fanaovan-dalana, vitsy ny mitana andraikitra ambony. Olana lehibe ny tsy fananan’ny vehivavy fahaiza-manao. Tamin’ ny oniversite 12 nanaovana fanadihadiana, tsy mihoatra ny efatra ny tovovavy mianatra amin’ny lalam-piofanana Génie civil. Ho an’ny oniversite sasany, tokana ny tovovavy mamarana fianarana ambony miompana amin’io lalam-piofanana io. Nantsoina manokana ny tovovavy mpianatra hanatrika ny fizarana ny vokatry ny fanadihadiana, omaly, teny Ankorondrano, hanaporofoina fa mahavita ny vehivavy rehefa omena herijika.
Ho an’ireo vehivavy manana fahaizana kosa, misedra olana maro izy ireo noho ny andraikitra ao an-tokantrano. Mampavesatra ny zavatra zakainy izany ka matetika miala an-daharana izy ireny. Manampy trotraka ny fiheveran’ny fiarahamonina fa natao ho an’ny lehilahy ny asa lalana ka tsy tohanan’ny fianakaviana ireo tovovavy maniry ny hianatra ho lasa injeniera.
Asa telo no faritan’ny tetikasa hatao hanarenana ny zava-misy, mandritra ny dimy volana. Hisy ny fanentanana sy fampahafatarana ny ray aman-dreny, ny vehivavy, ny mpitantana ireo sakana izay azo ihoarana ka hampivelatra ireo vehivavy manao asa lalana. Ho an’ireo vehivavy voaentana nandritra ny dingana voalohany, hamafisina ny fahafahany hiatrika ny asa hahazo hery. Aorian’izay, omena tantsoraka manokana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa amin’ny fifampizarana, fihainoana ny olana sedrainy.
Vonjy