S'abonner à flux Les Nouvelles Les Nouvelles
Mis à jour : il y a 1 heure 38 min

GOGUETTE ( alliance 92 ) 12 03 2025

mer, 03/12/2025 - 09:04

Catégories: National

Pr Randrianasolo Rivoarison: Hanandratra ny Oniversiten’Antananarivo

mer, 03/12/2025 - 09:03

Hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny Oniversiten’Antananarivo ny antony hijoroan’ny Pr Randria­nasolo Rivoarison, amin’ny maha kandidà ho filoha azy.

«Fotoana izao tokony hisandratan’ny Oniversiten’Antananarivo ho fitaratra amin’ny fandrosoana », hoy ny Pr Ran­drianasolo Rivoarison, kandidà laharana voalohany amin’ ny fifidianana filohan’ny oniversite, nandritra ny famelabelaran-kevitra nataony teny Ankatso, omaly. Nambarany fa hitondra anjara biriky amin’ ny fampandrosoana ny Oni­versiten’Antananarivo no tena antony hijoroany. Ho an’ny telo taona manaraka, tsinjo­vina manokana ny mpampianatra sy ny mpandraharaha ary ireo mpianatra. Hampiana izy ireo mba hahomby amin’ny asa sy andraikitra sahaniny ary omena fitaovana ihany koa.
Ankoatra izay, « fotoana izao hanananan’ny Oniversi­ten’Antananarivo fahaleovan-tena amin’ny fampiasana an­govo azo avy amin’ny ma­soan­dro sy ny rano », hoy ha­trany izy. Amin’ny maha fitaratra ny Oniversiten’Antanana­rivo, tsy tokony ho tara amin’ ny fampiasana ny teknolojia avo lenta ka hametrahana Connexion eny an-toerana. Ezahina apetraka ny fandriampahalemana feno eny anivon’ny oniversite amin’ny alalan’ny fampiasana camera miisa 90 hanaraha-maso ny filaminana. Averina ihany koa ny fampisakafoana ho an’ny mpiasa sy ny mpianatra.
Raha te hametraka fito­niana ara-tsosialy, tokony ha­petraka ny fandoavana ny va­tsim-pianarana. Vahaolana ny fanafainganana ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny fametrahana ny Digitalisation sy ny rindra ara-kajy. Hapetraka ihany koa ny fifampiresahana amin’ny minisitera tomponandraikitra mba hametrahana ny tetiandro fizarana vatsim-pianarana ho fiarovana ny fita­kiana sy ny fitokonana mety ho ataon’ny mpianatra.

Mino

Catégories: National

Disitrika Maevatanàna : Olona 4 077 liana hiofana

mer, 03/12/2025 - 09:03

Nanokatra tamin’ ny fomba ofisialy ny hetsika « Fijery hafa » ho an’ny faritra Betsiboka, tao Maevatanàna, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, Raso­loarisoa Marie Marcelline, sy ny ben’ny Tanànan’i Maevat­anàna I sy II, tamin’ity herinandro ity. Nohamafisin’ny minisitra mpiahy fa ny « Fijery hafa » dia tetikasa manakaiky vahoaka entina mamolavola tanora amin’ny asa velon-tena sy ny fandraharahana, efa nitety faritra maro.
Liana amin’ny fampiofanana ny vahoaka raha ny antontanisa voaray. 4 077 no nisoratra anarana hiofana momba ny zaitra, fanamboarana mofo mamy, informatika, fanaovana soudure, fiompiana, jono…
Ankoatra izay, nisy ny fizarana “Attestation de formation de masse” porofon’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny rehetra. Nitsidika ifotony ny LTP Maevatanàna sy ny fitaleavam-paritra Betsiboka ny delegasionina ka nifanakalo tamin’ ireo tomponandraikitra hanatsarana ny ivontoeram-panofa­nana.

Vonjy

Catégories: National

VAOVAO TAMBATRA

mer, 03/12/2025 - 09:02

Nahazo fitaovam-pamokarana marobe ny fikambanana tantsaha miisa 9 any Vakinankaratra. Nahitana borety 24, motopaompy 3, maotera 24CV, fitotoana voamaina, motoculteurs, remorques, fivelesana vary, fanafangaroana provandy, sns. Nisitraka ireo ny tan­tsaha any amin’ny distrika Antsirabe II, Betafo, Man­doto ary Faratsiho.

Miara-misalahy manara-maso ny vidim-bary 750 Ar ny kapoaka ireo tomponandraikitra samihafa hisorohana ny fanararaotana. Mitohy hatrany ihany koa ny fanaparitahana ny vary nafarana hisitrahan’ny mpanjifa ny vokatra amin’ny vidiny ara-drariny. Nahomby ny toromarika napetraky ny filoha hampihenana ny vidim-bary.

Natao tany Mindelo Cap Vert ny fivorian’ireo Nosy madinika sy andalam-pandrosoana afrikanina (SIDS) mahakasika ny jono, ny 6-8 marsa teo. Tanjona ny hiarovana ny harena anaty rano isaky ny firenena mba hisitrahana ny tombontsoa avy aminy hiteraka fampandrosoana. Nandray anjara tao i Madagasikara, Cap Vert, Kaomoro, Seychelles ary Sao Tomé.

Hankalazaina ny sabotsy izao ny « Earth Hour ». Fotoana hanomezana adiny iray ho an’ny tany sy hanomezan-danja ny tontolo iainana. Homarihina amina
hetsika maro ny fankalazana toy ny fikarakarana ireo zana-kazo novolena tany Antsahadita sy fanaraha-maso ny fitombony ary famaritana ny tanin-jana-kazo amin’ny Application Treetracker.

Catégories: National

Orinasa Base : Tsy ho an’ny lehilahy irery ny fitrandrahana

mer, 03/12/2025 - 09:02

Anisan’ny nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny zon’ny vehivavy, ny 8 marsa teo, ny orinasa Base Toliara tany Maromiandra, distrika Toliara II, anisan’ireo kaominina dimy iasany. Nisy ny hetsika nanehoan’ny fikambanan-behivavy fa afaka mahaleo tena izy ireo. Nambaran’i Sa­bine Hélène, filohan’ny fikambanam-behivavy, fa isaorana ny filoham-pirenena nanokatra indray ny Base. Efa nisy ny tetikasa nataony ho an’ny tanora vehivavy, nampiofana amin’ny fanamboarana mofo, ny rafi-trano, ny fitondrana fitaovam-pitrandrahana vaventy, sns. Anisan’ny niofana ary mahay manao mofo aho, saingy tsy ampy ny fitaovam-piasako. Mino aho fa ha­nohy hanampy ny kaominina Maromiandra ny Base, toy ireo tanora vao nahavita fianarana.
Nandray anjara tamin’ny filaharambe nitety tanàna tao an-tampo-tanàna Toliara ny vehivavy miasa ao amin’ny orinasa Base, mivondrona ao anatin’ny fikambanana Am­pela Mahery, niafara tao amin’ ny Kianja mitafo Toliara. Ni­laza i Volafeno Nomenjana­hary Myra, mpiasa ao amin’ny orinasa, fa « sambany tao anatin’ny 5 taona nikatonan’ny Base no nandray anjara toy izao izahay. Hasehonay fa tsy natao ho an’ny lehilahy irery ihany ny asan’ny fitrandrahana ambanin’ny tany, fa mahavita koa ny vehivavy ».
Nisarika ny vehivavy na­many i Boto Amédée, hangataka asa sy hanaraka fiofa­nana ao amin’ity orinasa ity.
« Tsy misy fanavahana ny lahy sy ny vavy ao », hoy izy.

Njaka A.

Catégories: National

Seksiona marovatana: Hiatrika famaranana ny Polisy monisipaly

mer, 03/12/2025 - 08:27

Tontosa ny alahady 9 marsa teo, tetsy amin’ny Kianja Malacam Antanimena ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona marovatana, taranja rugby. Tafita hiatrika ny famaranana ny Polisy monisipaly Antananarivo Renivohitra. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 11, ny Zaami Ankasina. Nambaran’ny kaomisera Ostrom fa anisan’ireo taranja misy ao amin’izy ireo ny rugby ary tezaina amin’izany ireo polisy monisipaly mba hatanjaka satria hiankinan’ny asan-dry zalahy izany. “Raha marefo izy ireo, ataony ahoana ny hahatontosa ny asany”, hoy izy. Tanora ny ankamaroan’ireo Polisy monisipaly ka beazina amin’ny fanatanjahantena ho salama fa tsy sanatria hirona any amin’ny fidorohana zava-mahadomelina na zavatra hafa.
Nomarihin-dRamanandraibe Bako, tomponandraikitry ny fanatanjahantena eo anivon’ny Polisy monisipaly fa tanjona ny hiatrehana ny “Top 20”. Manampy betsaka azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa ny fanaovana rugby satria tandroka aron’ny vozona izy ireo ary hanamafisana ny fitsipika sy fifehezana. Notsiahiviny fa niforona tamin’ny taona 2012 ny rugby Polisy monisipaly ary nifaninana tany Ambohidratrimo sy Sabotsy Namehana. “Mbola miandry ny fotoana mampalalaka ny kianja ny famaranana, hikatrohan’ny Polisy monisipaly sy ny Fifita Anosivavaka”, hoy Rakotomalala Richard, filohan’ny seksiona Marovatana.

Tompondaka

Catégories: National

Komity mpanatanteraka anivon’ny Caf: Kandidà Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF

mer, 03/12/2025 - 08:27

Anisan’ireo anatin’ny lisitra hofidina ho komity mpanatanteraka eo anivon’ny Caf Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Andrasana anio ny vokatra.

Hotanterahina anio, any Le Caire renivohitr’i Egypte, ny fifidianana izay ho filohan’ny Kaon­federasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) sy izay ho komity mpanatanteraka. Kandidà tokana ho laniana amin’ny tehaka i Patrice Motsepe, avy ao Afrika Atsimo sady nitantana ny Caf teo aloha ihany. Anisan’ireo handresy lahatra ny mpifidy mba hahatafiditra azy ao anatin’ny Komity mpanatanteraky ny Caf kosa Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Ao amin’ny fikambanan’ny baolina kitra aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika (Cosafa) moa ny tenany no niditra, ary miisa dimy izy ireo no hihazakazaka ho amin’izany. An­koatra azy, eo koa ilay seyseloa, i Elvis Raja Chetty, sy ilay maorisianina, i Sobha Mo­hamad Ally Samir. Manampy azy ireo ilay teratany Botsoa­ney, i Mac Lean C. Letshwiti ary i Feizal Ismael Sidat avy atsy Mozambique.

Hampiakatra an’i Afrika

Fanamby goavana ho an-dRandriamanampisoa Alfred, araka izany, ity fifidianana ity. Miara-misalahy amin’ny Caf ny tenany, ary omaly dia nisy ny fivoriambe ara-potoana izay natrehin’ity lehiben’ny FMF ity. Tanjon’ity filoha ity ny hampiakatra ny lentan’ny baolina kitra aty Afrika, indrindra ireo firenena avy aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika sy ny eto amin’ny ranomasimbe Indianina.
Tsara ny mampahafantatra fa izy no angady nananana sy vy nahitana ny fifanintsanana Fifa Ocean Indian Tour­nament, notontosaina teto Madagasikara, ny 16 hatramin’ny 22 desambra 2024 lasa teo.

Fitia Randria

Catégories: National

TSELATRA

mer, 03/12/2025 - 08:26

Ravan’ny zandarimaria avy ao amin’ny bori­gadin’Andoharanofotsy ireo tambajotra mpamaky trano sy mpangalatra moto. Nahitana lehilahy efatra niaraka tamin’ireo entana nangalariny sy efa nolokoiny avy. Mpisera finday halatra, mpandoko moto, mpividy halatra ary mpiray tsikombakomba. Nisy namaky ny trano iray tao Andoharanofotsy, ny alin’ny 11 hifoha 12 febroary 2025 lasa teo. Lasan’ny olon-dratsy, tamin’izany, ny entana maromaro tao an-trano. Tonga nitory ilay tompon-trano taorian’izay. Nanao fanadihadiana sy fikarohana ny zandary ka nahafahana nisambotra io tambajotra io. Hita, nandritra izany, ihany koa ireo entana nangalariny izay efa nolokoin’izy ireo.
Voasambotry ny polisy, afakomaly, ireo lehilahy telo mpitrandraka vato tsy ara-dalàna ao anaty ala voajanahary arovana any Anjanaharibe Sud. Tratra teo am-pitrandrahana vato izy ireo ary nanohitra ny polisy tamin’ny fitaovana nampiasainy. Voatery nanao tifi-danitra ho fampitandremana ny polisy ary nisambotra azy telo lahy. Tafiditra ao anatin’ny alan-javaboahary misy karazam-biby sy zavamaniry maro tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara io toerana io. Efa eny anivon’ny polisy, ao Andapa, izy ireo hanaovana fanadihadiana.
Vehivavy iray tratran’ny fokonolona niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tany Tanambao 5, parcelle 13/82, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Efa tafiditra tao an-trano, nisavasava ny armoire rehetra izy no hitan’ny olona. Nosavain’ny fokonolona ny kitapo teny aminy ary nahitana tournevis. Fantatra fa fitaovana entiny hanaovany ny asa ratsy izany. Efa niantsoana mpitandro filaminana ny tenany ary efa anaovana fanadihadiana eny amin’ny polisy.
Tovolahy iray 24 taona nanolana ankizivavy 15 taona voasambotry ny polisy Ankadindravola, tamin’ity herinandro ity. Nanararaotra nampihatra ny filan-dratsiny tamin’io ankizivavy io nandritra ny fotoanan’ny rotsakorana ny 07 marsa lasa teo, tao amin’ny kaominina Ivato Ambohidratrimo izy io. Noferany sy norahonany tsy hilaza ny tranga nahazo azy ity lasibatra ity tamin’izany. Tonga nitory teny anivon’ny biraon’ny zandary ny renin’ilay zazavavy, nanomboka teo ny fikarohana ka izao voasambotra izao ilay mpanolana.

Catégories: National

Lakana rendrika ; renim-pianakaviana iray namoy ny ainy

mer, 03/12/2025 - 08:25

Renim-pianakaviana iray 26 taona, manambady, ma­nan-janaka kely, namoy ny ainy vokatry ny faharendrehan’ny lakana tetsy amin’ny Fasan’ny karana miampita ny fokontany Ankazotoho Ano­simahavelona, afakomaly tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakany rehefa nokarohin’ny sampana mpamonjy voina, raha naharay antso mahakasika ny tranga izy ireo tamin’ny 6 ora sy 24 mn hariva. Tonga teny an-toerana izy ireo 20 mn taorian’ny antso. Natao avy hatrany ny fikarohana rehetra nefa tsy nahitam-bokany izany adiny efatra taty aoriana. Nitohy omaly maraina vao mangirandratsy ny fikarohana ka nahitana io razana io. Feno loatra ny lakana, olona 18 no nisesika tao anaty lakana ary tafiditry ny rano ka antony nahatonga ny filentehany, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina. “Vo­tsotra tamin’ny tady ny tananan’ilay mpitondra lakana, nikoropaka sy samy namonjy ny ainy ireo mpandeha tao anatiny”, hoy ny sefo fokontany Ankazotoho Ano­sima­ha­velona, Rakoton­dra­­soa Haris Jocelyn. Namba­rany fa manodidina ny 11 hatramin’ny mpamily ny olona nandeha tamin’io lakana io. Avotry ny olona manodidina sy ny sampana mpamonjy voina, afakomaly hariva ihany, ny sivy tamin’ireo mpandeha, raha ny fanazavany.
Ho ferana ho sivy ihany ny isan’ny mpandeha lakana manomboka izao. Angata­hin’ny sefo fokontany ny hanasiana tetezana eny an-toerana. Efa nalefa eny anivon’ny Brigade criminelle Anosy omaly hariva kosa ilay mpamilin’ny lakana. Raha toa ka nentin’ny tomponandraikitry ny fokontany eny anivon’ny CSP5 Mahamasina ilay mpamilin’ny lakana vao nitranga ny voina. Mba hiarovana ny ainy sy hialana amin’ny fitsaram-bahoaka manoloana ny fiparitahan’ny vaovao tamin’ny tambajotra sosialy.

Mino

Catégories: National

Fanodinkodinana Cocaïne : Zandary fito nalefa eny Tsiafahy

mer, 03/12/2025 - 08:25

Nohainoin’ny mpitsara eo anivon’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly nandritra ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 11 marsa teo ireo voarohirohy. Zandary miisa fito nalefa eny Tsiafahy ary iray hafa manaraka fitsaboana. Sivily miisa efatra hafa nohazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora izay samy voasaringotra tamin’ny raharaha fanodinkodinana Cocaïne 250 kg. Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra ao Nosy Be Hell ville ny iray amin’ireo voatazona ireo. Tsiahivina, nentina vehivavy miisa roa tao anatina valizy roa ny Cocaïne nilanja 250 kg, ny volana aogositra 2024. Nogiazana ireo rongony mahery vaika ireo saingy tsy nifanaraka tamin’ny tatitra an-tsoratra noraiketin’ny zandary ny vokatra azo. Nanjavona ny 200 kg tamin’ireo entana tra-tehaka. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanadihadiana lalina ny solontenan’ny polisy eo anivon’ny DPJ sy ny fitsarana miady amin’ny kolikoly. Tafakatra 14 ireo voasaringotra ka zandary ny valo. Niafara amin’ny fihazonana am-ponja azy ireo izany.

Tsiferana R.

Catégories: National

Pages