Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja basikety Ankatso, ny fifaninanana basikety 3×3 “Inter-mention”. Lalao hifaninanan’ ireo sampam-pampianarana misy eny amin’ny “Facultés des Sciences” eny amin’ny Oniversite an’Antananarivo, izay hiarahan’izy ireo misalahy amin’ny Federasionina malagasin’ny basikety.
Hotanterahina manomboka ny 15 desambra izao, ny Herinanandron’ny Karate-do malagasy, izay hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ny Gashuku nasionaly no hanombohana izany, izay hatao ny 15, 16 ary 17 desambra izao. Hisy ny fiofanana natokana ho an’ny mpanazatra sy ny mpitsara. Hitohy amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, isan-tarika, izany, ny 19 hatramin’ny 21 desambra izao, izay misokatra ho an’ny klioba, seksionina ary ligy.
Any Manjakandriana indray no hanatanterahana ny Lalao Fihezama (Fitaizana herin’ny zatovo malagasy), ny 20 sy 21 desambra izao. Fotoana hanehoana firahalahiana, fifankatiavana, fihavanana ary firaisankina ity fifaninanana ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond. Manentana ireo mpikatroka mivondrona eo anivon’ny Fihezama ity filoha ity handray anjara ary hanatona ny Foiben’ny Fihezama. Miantso ihany koa izy ho an’izay malala-tanana hanohana ity hetsika goavana hahafahana mampivondrona ny tanora mpanao fanatanjahantena eo anivon’ny Fihezama ity. Tsiahivina, fikambanana iray mitaiza tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina ny Fihezama. Tanjony ny hitarika ny tanora amin’ny lalana tokony halehany fa tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina. Taranja maro no hifaninana amin’ity Lalao Fihezama 2025 ity, ka hahitana ny taranja haiady isan-karazany sy ny taranja iraisana, toy ny baolina kitra sy basikety. Hisy ihany koa ny dihy sy hiragasy, mandritra izany.
Mi.Raz
Tapaka, omaly, fa hatao manomboka ny 20 desambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fankalazana ny faha-125 taonan’ny Rugby malagasy. Hisy ny hetsika maro hatao amin’io, anisany ny “Super Coupe”
Hankalazaina manomboka ny 20 desambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny faha-125 taonan’ny Rugby malagasy. Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ ny Malagasy Rugby, omaly, fa ny 21 desambra ho avy izao no hisy ny lalao hiadiana ny amboara lehibe “Super Coupe” eny an-toerana. Ny ekipan’ny FTM Manjakaray, tompondakan’i Madagasikara sy ny Cosfa miaramila, tompon’ny amboara nasionaly, no hifandona amin’izany.
Fotoana iray ahafahan’ny mpilalaon’ny Manjakaray manala vela amin’ny miaramila izany io fotoana io. Ampahatsiahivina fa lavon’ny Cosfa tamin’ny 40 no ho 39 ny FTM nandritra ny lalao famaranan’ ny amboaran’i Madagasikara, ny volana septambra teo.
Ankoatra izay, nanazava ny lehiben’ny Federasionina, omaly, fa manomboka amin’io andron’ny faha-20 desambra io no hisy ny karazana fety hatao eny an-toerana, miampy ny fanokanana an’ireo zavatra efa vita tao an-kianja ary ny fampirantiana ny tranoheva, izay ahitana ny tantaran’ny Rugby malagasy. Notsiahivin’ ny Coach Bertin Zoto, fa tany amin’ny taona 1900 tany no niditra teto Madagasikara ny taranja Rugby.
Manao antso avo!
Na eo aza ny fankalazana, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana sy ny minisitera mpiahy ihany koa ny federasionina ny mba hijerena akaiky ny ekipam-pirenena malagasy Makis. Tsy mbola voarain’izy ireo ny fanampiana avy amin’ny fanjakana mahakasika ireny fifaninanana maro samihafa nataon’izy ireo tany ivelany ireny. “Efa nisy ihany ny taratasy fampahatsiahivana nataonay teny anivon’ny minisitera sy ny andrimpanjakana amin’ izao fotoana izao. Mbola mamerina manao antso avo amin’ izy ireo izahay mahakasika io fanampiana io”, hoy Rakotomalala Marcel, Filohan’ny Malagasy Rugby.
F.R
Notanan’ny zandarimariam-pirenena natao fanadihadiana ireo efa-dahy ahina ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona niharo fandrobana tao Ambalafarihy, Sonierana, kaominina Ambohimanga Atsimo, distrikan’Ifanadiana, omaly. Raim-pianakaviana iray mpividy volamena hita faty rakotra tsatoka antsy tao amin’io kaominina io, afakomaly. Nivoaka ny trano fonenany io lehilahy io ary nitondra vola 3 000 000 Ar. Nentiny nanaraka azy koa ny mizàna fandanjana volamena, araka ny fanazavan’ny vadiny izay efa niterahany iray. Tsy naharenesam-baovao intsony anefa rangahy taorian’io. Nikaroka azy ny fianakaviany, kinanjo vatana mangatsiaka no hitan’ izy ireo. Novonoina tamin’ny fomba miharo habibiana io lehilahy io. Tsatoka antsy miisa dimy hitan’ny mpitsabo nisahana ny fizahana tamin’ny vatan’ilay namoy ny ainy. Lasan’ireo tsy mataho-tody avokoa ny vola sy ny fitaovam-piasana teny aminy. Nametraka fitoriana ny fianakavian’ity farany. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandarimaria miasa ao amin’ ny distrikan’Ifanadiana. Nahitam-bokany izany satria voasambotra ireo olona miisa efatra izay ahina ho tompon’antoka tamin’io vono olona io. Miroso amin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana ary atolotra ny fampanoavana izy efatra mirahalahy ireo.
Tsiferana R.
Nanomboka omaly, tetsy Ambodivona, ny fakan-kevitra nasionaly tanterahin’ny fikambanana SOS Villages d’enfants. Hiitatra manerana ny Nosy, araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Raharinarivonirina Maria, ny hetsika.
Hisongadina ao anatin’ny fakan-kevitra ataon’ny SOS Villages d’enfants ny fanomezana sehatra ny ankizy haneho hevitra. Hitondra ny hetahetany sy handrafitra ny hoaviny amin’ ny paikady nasionaly ihany koa momba ny fiahiana azy ireo, mandritra ny 5 taona (2026-2030).
Asaina mamoaka hevitra momba ny tombana sy fanarenana ny lesoka ireo ankizy. Hivoaka, amin’izany, ny tena faniriany, hahafahana manatsara ny fiahiana azy ireo. Mpandray anjara feno amin’ny fitondrana fanovana izay imasoana amin’izao fotoana ny ankizy sy ny tanora, raha ny fanazavana.
Tao anatin’ny 36 taona nisian’ny SOS Villages d’enfants, nisongadina ny zava-bita. Nivelatra ny sehatra fiahiana ireo ankizy izay efa atao manerana an’i Madagasikara.
Manodidina ny 5 alina isan-taona ny ankizy raisin’ny fikambanana an-tanana, manerana ny faritra 7 hiasana. Anatin’izany Analamanga, Vakinankaratra, Boeny, Atsinanana, Anosy, Atsimo Andrefana ary Androy. Efa manana Villages efatra ny fikambanana ankehitriny, toy ny any Anôsy, Vakinankaratra, Atsinanana ary ny eny Vontovorona.
Miahy ny ankizy kamboty ary mamolavola azy ho tonga olom-banona ny akany, raha ny fanazavana nomen’ny tale nasionaly, Ratsimisetra Felamboahangy. Mikarakara ny fahasalamana sy ny fanabeazana ny ankizy ary mamoaka azy hanana fahaleovantena ara-pivelomana mihitsy izy ireo.
Ankoatra ny fiahiana ny ankizy any amin’ny Village anefa dia miahy ireo ankohonana marefo mba tsy hisian’ ny herisetra amin’ny zaza ao an-tokantrano ihany koa ny fikambanana. Manohana ilay fianakaviana mihitsy mba hahaleo tena ara-pivelomana, hahafahany mikarakara tsara ny zanany.
Raisina an-tanana ny fanohanana ireo ankizy tandindomin-doza eny amin’ny fiarahamonina mba tsy hivarina amin’ny fahalavoana, hitombo sy hivelatra ary ho tonga olom-banona.
Tatiana A
Nanao fanambarana miaraka ireo filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM noho ny fiparitahan’ny vaovao tsy marina sy tsy marim-pototra momba ny fanasana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, hiatrika ny fikaonandoha. « Tsy mahalala ary tsy nanasa sy tsy ambadiky ny fanaparitahana izany fanasana izany izahay », hoy izy ireo, afakomaly.
Hentitra ny Komity mpandrindra ny tolona (KMT), amin’ny alalan-dRakotomavo Lanto, fa tsy fanavaozana no hatao eto. « Tsy misy resaka fampihavanana izany amin’ny fitondrana ny dinika tarihin’ny FFKM. Tsy azo atao tsinontsinona ny tolona ka lavinay ny fampihavanana olona na vondron’olona », hoy izy.
Mitaky ny hamolavolana ny sata mifehy ny Tetezamita sy ny tondrozotra mifandraika amin’izany ny fiarahamonim-pirenena sy ny GenZ. Nilanja sorabaventy teny amin’ny CCI Ivato izy ireo naneho izany ka nitakina ny antony sy ny tanjon’ny Tetezamita. Ny faharetan’izany sy ny fomba fiasa. Eo koa ireo arofanina sy antoka demokratika.
Hentitra ny minisitra Gascar Fenosoa. Nambarany fa fikaonandoham-pirenena ity fa tsy iraisam-pirenena. « Raharahan’ny samy Malagasy ka tsy misy idiran’ny vahiny na vazaha velively », hoy izy. Nohitsiny fa tsy nanasa ny filoha teo aloha, Rajoelina, ny fitondrana. Efa naloan’ny vahoaka niaraka amin’ny forongony ireny ary nisy tolom-bahoaka teto.
“Voailika ho azy, avy hatrany, ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ary tsy manan-jo hirotsa-kofidina na hifidy intsony izay very zom-pirenena malagasy. Tsy mahazo manao hetsika ara-politika, na mivantana na ankolaka, amin’ny raharaha ara-politika eto amin’ ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara koa”. Io ny fanambaran’ny fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, voaray omaly. Voarara ny fidirana an-tsehatra sy fitsabahana amin’ny raharaham-pirenena ataon’ izay tsy misitraka intsony izany zom-pirenena izany. Fehezin’ ny lalàna ny fidirana sy ny fipetrahana na fandalovana eto Madagasikara. Tsy maintsy hajaina sy arahin’ny olon-drehetra izany, na inona satany na toerany. Tsy manan-kery intsony ny pasipaoro rehetra efa navoaka amin’ny fahavarezan’ny zom-pirenena. Hevrina ho heloka bevava ny fampiasana taratasy fivezivezena tsy manan-kery intsony. Mitovy amin’ny hosoka anaty antontan-taratsy sy fisandohana anarana izany, mety hiteraka sazy ara-pitsarana: onitra sy famonjana ary fandrarana ny fidirana na fipetrahana eto Madagasikara.
Noho izany, eo ambany fahefana sy andraikitra napetraky ny sata repoblikanina, hamafisiny fa izay rehetra manana fikasana hiditra na hanatona na hanandrana hipetraka eto Madagasikara amin’ny alalan’ny taratasy tsy manan-kery na amin’ny fomba mifanohitra amin’ny lalàna mifehy ny zom-pirenena: hisy ny fepetra ara-pitantanana sy ara-pitsarana mifanaraka amin’ izany.
R. Nd.
Nisokatra amin’ny fomba ofisialy omaly, teny Ivato, ny fikaonandoham-pirenena. Nitarika izany ny eo anivon’ny FFKM. Nisy sy hafatra sy fanentanana nataon’izy ireo tamin’izany.
“Andao àry samy hitondra ny anjara biriky isika, hoporofoina fa afa-mifampiresaka sy mifandresy lahatra ary mifampihaino am-pitoniana sy am-panajana isika mba ho hita taratra sahady ny fanovana ara-toe-tsaina”. Io ny nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Jean De Dieu Raoelison, taorian’ny fanompoam-pivavahana fanokafana ny dinika fanavaozana an’i Madagasikara, teny amin’ ny CCI, Ivato, omaly. Tanjona iombonana ny fampivondronana ny Malagasy, ny fanomezan-danja sy hasina ny teny aman-kolontsaina malagasy. Eo ny fandrindrana ny fanavaozana ireo rafi-panjakana misy ary ny famaritana ny fifamatoran’ny mpitondra sy ny vahoaka. Anisan’izany ny fitovian’ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna hiadiana amin’ ny tsimatimanota. Farany, ny fitadiavana maodely ara-toekarena sy sosialy mahomby sy mety ho an’i Madagasikara. Raha tiana ny hanatratra an’ ireo, ilaina ny maneho firaisam-po sy saina mandritra ireo atrikasa marolafy.
“Andao isika hanangana firenena vanona, mandroso sy tsara tantana ary mendrika ny vahoaka malagasy”, hoy ny mpanolotsaina avon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana, ny kolonely Andriamiarisoa Gervais.
Misy miasa ho amin’ny fanakorontanana
Raha tena hanova ny firenena, mila miainga amin’ny fanovana toe-tsaina. Marina fa niainga tamin’ny ady sarotra sy ny fahantrana an-taona maro. Nefa mandeha ambaratonga ny fanovana, ary mitaky faharetana sy fikelezana aina ary fandavan-tena ny fahombiazana rehetra.
“Misy ny be kajikajy, misy ny miasa mafy manakorontana amin’ny endrika maro samihafa. Nefa tsy hahomby izany, rehefa isika rehetra no miara-mientana sy miray hina”, hoy ny minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana, Razafimanantsoa Hanitra. Misy ny manohitra ny fanavaozana. Ekena ny fanehoan-kevitra. Nefa aza manimba fananana iombonana sy ny soatoavina malagasy.
R. Nd.
Mitobaka manerana ny tsena ny karazam-bokatry ny tany sy ny rano. Tena varo-boba manerana ny tsena izany legioma sy voankazo izany. Dakan’ny “alika”, araka ilay fiteny hafahafa mahazatra an-dRamalagasy ny mahakasika azy ireny. Misy higalabonana tokoa, indrindra ho an’ny tsy tia hena. Ny hazandrano izany dia tena maro isafidianana na ny an-dranomamy na ny an-dranomasina.
Inona no ilazana izany? Mahavariana sy mahalasa saina ny mahita ny Malagasy sasany mbola milaza fa maty noana. Misy ireo milaza fa tsy manan-kohanina, ka mirona any amin’ny fanaovan-dratsy. 200 Ar amin’izao dia efa mahazo karoty, 500 Ar efa mahazo legioma hafa azo hohanina. 1000 Ar dia efa mahazo katsaka iray kapoaka izay mahavoky olona telo aman’efatra.
Ny tolotra ho an’ny mpanjifa dia misy sy azon’ny besinimaro vidiana tsara. Ny manahirana fotsiny dia ilay fomba amam-panaon’ny Malagasy: “sarotra ny miala amin’ny mahazatra ity”. Tahaka ny efa tsy misakafo na fara hidiny izany rehefa tsy mihinam-bary. Ity farany anefa izay sady kely no miaka-bidy andro aman’alina. Raha vao tsy hita kely dia mampanaotao foana.
Mitaky fanovana fomba fisaina sy fomba fiaina, ary fahazarana ara-tsakafo izany. Tsy vitan’ny olom-pirenena tsotra izany. Tokony mba hisy angamba ny politikam-pirenena misahana ny sakafo. Efa manana ny Ofisim-pirenena momba ny sakafo isika. Tsy hita mivaingana anefa ny tena tetikasa na asa vitany. Zary fandaharanasa fakana famatsiam-bola sy fandaniam-bola no misy.
Raha ny zava-misy eto Madagasikara anefa, tsy tokony ho olana mihitsy ny resa-kanina sy ny fihinanan-kanina. Maro sady azo isafidianana izay tiana ny vokatra. Zakan’ ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano rahateo!
r.r